MIRESADRESAHA ALOHA
LESONA 1
Zavatra Mahaliana Resahina
Torolalana: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.”—1 Kor. 13:4, 5.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 4:6-9. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Raha zavatra mahaliana an’ilay olona no anombohanao ny resaka, dia tsy hihafahafa aminao izy.
Tahafo i Jesosy
3. Mahaiza mandanjalanja. Aza misisika hiresaka an’ilay hevitra efa nomaninao, fa atombohy amin’izay zavatra eritreretin’ny olona amin’izao ny resadresakareo. Saintsaino izao:
4. Mahaiza mandinika. Saintsaino izao:
-
a. ‘Inona izao no ataon’ilay olona? Inona no mety ho ao an-tsainy?’
-
b. ‘Inona ny zavatra inoany na ny kolontsainy raha jerena ny fitafiany, ny paozipaoziny, na ny tranony?’
5. Henoy izy.