Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Izao Mahazo Ahy Izao Mihitsy no Voalazanareo!”

“Izao Mahazo Ahy Izao Mihitsy no Voalazanareo!”

“Izao Mahazo Ahy Izao Mihitsy no Voalazanareo!”

Namoaka lahatsoratra mahakasika aretina samihafa ny Mifohaza! tao anatin’ireo taona maro lasa. Mazava ho azy fa tsy gazety ara-pahasalamana ny Mifohaza!, noho izany, dia tsy manindrahindra fitsaboana iray noho ny iray hafa izy. Na izany aza, rehefa miresaka momba ny aretina iray ity gazety ity, dia miezaka milazalaza hoe inona ilay izy, sy mamantatra ny antony, ary manome torohevitra araka ny Soratra Masina sy azo ampiharina hahasoa an’ireo marary sy mpikarakara marary.

Ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Pour comprendre et supporter la fibromyalgie” (Inona moa ny Fibromyalgie ary Ahoana no Itondrana ny Fiainana Raha Voan’izy Io?), navoaka tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Jona 1998 (frantsay), dia nahazoana akony naneran-tany. Nisy taratasim-pankasitrahana maro tokoa voaray, na dia volana maro taorian’ny namoahana ilay lahatsoratra aza. “Toy ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina teo an-tsoroko”, hoy ny nosoratan’ny vehivavy iray. “Toy ny hoe izao mahazo ahy izao mihitsy no voalazanareo!”, hoy ny nosoratan’ny iray hafa, ary hoy koa izy: “Haiko izao ny fomba iatrehana io aretina io.”

Nisy matihanina nankasitraka ilay lahatsoratra koa. Ny prezidà lefitra, tao amin’ny sampam-pitsaboana, ao amin’ny Fikambanan’ny Voan’ny Rohana, any Etazonia, dia nanoratra toy izao: “Mihevitra aho fa ahitana fahaiza-mandanjalanja sy feno ary tena tsara ilay lahatsoratra momba ny fibromyalgie. Ankasitrahako koa ny fampidirana teny avy ao amin’ny Baiboly sy ny filazana ny maha zava-dehibe ny finoana, rehefa voan’io aretina io sy ny aretina hafa rehetra.”

Nisy taratasy maro hafa voaray. Indreto ny ampahany amin’izy ireny.

“Nampirisika ahy hamaky izay rehetra hitako momba ilay aretina ny dokoterako. Ny lahatsoratrareo no tsara indrindra tamin’izay novakiko.” — L. R.

‘Maro no nanontany ahy momba ilay aretiko. Mazàna aho no nanome bokikely azy ireo. Izao anefa dia afaka manintona ny sain’izy ireo ho amin’io nomeraon’ny Mifohaza! io aho. Tena tsy misy mampionona toy io!’ — K. K.

‘Nanome toky ahy indray ilay lahatsoratra fa tsy hoe olona tsy misy ilana ahy intsony aho, fa mbola mihevitra ahy ho sarobidy i Jehovah.’ — D. C.

“Tsapako ho toy ny hoe sambany vao mba misy olon-kafa mahatakatra izay manjo ahy.” — C. H.

‘Mampionona ny mahalala fa tsy mijaly irery isika.’ — C. A.

‘Tena kivy aho noho izaho tsy afaka manao ny zavatra fanaoko. Hataoko eo akaikin’ny fandrianako foana io lahatsoratra io, mba hahafahako hamerimberina hamaky azy rehefa mila fampaherezana aho.’ — K. B.

‘Hatramin’izao, dia nodiako tsy re araka izay azoko natao ny fanaintainana, ary nanao zavatra betsaka araka izay azoko natao aho, ary avy eo dia torana. Toy ny hoe nitondra fihatsarana ho ahy ny fanazavanareo.’ — M. C.

“Efatra ambin’ny folo taona aho, ary fony aho 12 taona, dia fantatra fa voan’ny fibromyalgie. Nampanganohano ny ranomasoko ny fahalalana fa miahy antsika i Jehovah. Mba manohiza re manoratra lahatsoratra mampahery toy io e!” — K.A.M.