Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niseho Noho ny Kisendrasendra ve Ireo Singa?

Niseho Noho ny Kisendrasendra ve Ireo Singa?

Niseho Noho ny Kisendrasendra ve Ireo Singa?

“ATAOMA no mahaforona ny tenan-javatra rehetra eo amin’Izao Rehetra Izao, na dia ny kintana lavitra indrindra aza”, hoy ny fanazavan’ny The Encyclopedia of Stars & Atoms. Kely loatra ny ataoma tsirairay ka tsy hita maso. Rehefa mitambatra mifanizina anefa izy ireo, dia mahaforona singa ara-tsimia mahazatra. Vainga hitan’ny masontsika ny sasany amin’ireny singa ireny, ary ny hafa gaza tsy hita maso. Azo hazavaina amin’ny alalan’ny kisendrasendra ve ny fisian’ireny singa ara-tsimia rehetra ireny?

Singa 1 ka hatramin’ny 92

Ny hidrôzenina no tsotra indrindra amin’ny ataoma rehetra. Na izany aza, dia izy io no mampirehitra kintana toy ny masoandrontsika, ary tena iankinan’ny aina izy io. Ny ataoman’ny hidrôzenina iray dia manana prôtôna iray ao amin’ny atiny, ary elektrôna iray mikarenjy manodidina io aty io. Ny singa ara-tsimia hafa, toy ny karbônina, ny ôksizenina, ny volamena ary ny volavelona (mercure) dia voaforona ataoma manana elektrôna maro mikarenjy manodidina aty iray misy prôtôna sy netrôna maro.

Tokotokony ho 450 taona lasa izay, dia singa ara-tsimia 12 monja no fantatra. Arakaraka ny nahitana hafa maro kokoa, dia voamarik’ireo mpahay siansa fa manaraka filaharany voajanahary izy ireny. Ary rehefa napetraka tao amin’ny tabilao misy andalana sy tsanganana ireo singa, dia hitan’ireo mpahay siansa fa mitovy ny toetra mampiavaka ireo singa iray tsanganana. Nisy banga — nampiseho singa mbola tsy fantatra — koa anefa tao amin’ilay tabilao. Izany no nitarika an’i Dmitry Mendeleyev, mpahay siansa rosianina, hilaza mialoha fa misy ny singa manana laharana ataomika 32 — ny germanium — sy hilaza mialoha ny lokony, ny lanjany, ny hakitrony ary ny maripana mampiempo azy. “Hita koa fa tena marina ny filazana mialoha [nataon’i Mendeleyev] momba ny singa hafa mbola tsy ao — ny gallium sy ny scandium”, hoy ny fanamarihan’ilay boky fianarana siansa tamin’ny 1995 hoe Chemistry.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy mpahay siansa nilaza mialoha fa misy singa hafa mbola tsy fantatra, ary nilaza mialoha koa ny sasany amin’ireo toetra mampiavaka azy ireo. Hita avokoa ireo singa rehetra mbola tsy tao, tamin’ny farany. Tsy misy banga intsony ilay tabilao. Miorina amin’ny isan’ny prôtôna ao amin’ny atin’ny ataomany ny filaharana voajanaharin’ny singa, manomboka amin’ny singa laharana 1, ny hidrôzenina, ary mitohy hatrany amin’ny singa farany izay hita amin’ny endriny voajanahary eto an-tany amin’ny ankapobeny, dia ny laharana 92, ny ioraniôma. Fifanandrifian-javatra fotsiny ve izany?

Diniho koa ny karazana singa ara-tsimia maro samihafa. Mampiavaka ny volamena sy ny volavelona ny lokony mamiratra. Ny iray vainga, ary ny iray ranoka. Mifanarakaraka anefa izy ireo, satria laharana 79 sy laharana 80. Manana elektrôna 79 sy prôtôna 79 ary netrôna 118 ny ataoman’ny volamena iray. Manana elektrôna iray monja amboniny sy prôtôna iray monja amboniny ny ataoman’ny volavelona iray, ary mitovitovy ny netrôna.

Kisendrasendra fotsiny ve ny hoe mahatonga karazana singa maro samihafa toy izany ny fiovana kely fotsiny eo amin’ny filaharan’ireo zavatra bitika mahaforona ny ataoma? Ary ahoana ny amin’ny hery mihazona azy ireo hiaraka? “Manaraka fitsipika voalazalazan’ny lalàn’ny fizika ny zavatra rehetra eo amin’Izao Rehetra Izao, manomboka amin’ny zavatra bitika indrindra ao aminy ka hatramin’ny vahindanitra lehibe indrindra ao aminy”, hoy ny fanazavan’ny The Encyclopedia of Stars & Atoms. Alao sary an-tsaina izay hitranga raha miova ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Ahoana, ohatra, raha nasiana fanitsiana ny hery izay mahatonga ny elektrôna hivezivezy hatrany manodidina ny atin’ny ataoma iray?

Ireo hery fizika nasiana fanitsiana maty paika

Hevero ny vokany raha nohalefahina kokoa ny herin’andriamby vokarin’ny herinaratra. “Tsy ho voahazona hiaraka amin’ny ataoma intsony ny elektrôna”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. David Block, ao amin’ilay bokiny hoe Star Watch. Inona indrindra no ho dikan’izany? “Izao rehetra izao tsy hety hisy fiovana simika no hisy antsika!”, hoy ihany izy. Afaka ny ho velom-pankasitrahana tokoa isika, satria misy ny lalàna raikitra izay mahatonga ny fiovana simika hisy! Ohatra, mitambatra amin’ny ataoman’ny ôksizenina iray ny ataoman’ny hidrôzenina roa mba hanome môlekiola iray amin’ny rano izay sarobidy.

Avo 100 heny noho ny herin’andriamby vokarin’ny herinaratra ny hery matanjaka ao anatin’ny ataoma, izay hery mihazona ny atin’ny ataoma hitambatra. Inona no hitranga raha miova io tarehimarika io? “Raha miova kely ny herin’ny atin’ny ataoma miohatra amin’ny herin’andriamby vokarin’ny herinaratra, dia tsy ho afaka hisy ny ataoman’ny karbônina”, hoy ny fanazavan’i John Barrow sy i Frank Tipler, samy mpahay siansa. Raha tsy misy karbônina, dia tsy hisy fiainana. Ataoman’ny karbônina mantsy no mahaforona ny 20 isan-jaton’ny lanjan’ny zavamananaina rehetra.

Zava-dehibe koa ny herin’andriamby vokarin’ny herinaratra miohatra amin’ny herin’ny fifampisintonana. “Ny fiovana bitika indrindra eo amin’ny herin’ny fifampisintonana miohatra amin’ny herin’andriamby vokarin’ny herinaratra”, hoy ny fanazavan’ny gazetiboky New Scientist, “dia hanova kintana toy ny Masoandro ho kintana goavana manga [mahamay loatra ka tsy ho azo iainana] na ho kintana bitika mena [tsy ampy hafanana ka tsy ho azo iainana intsony].”

Misy hery hafa iray, ny hery malefaka ao anatin’ny ataoma, mifehy ny hafainganan’ny fiovana simika ao anatin’ny ataoma ao amin’ny masoandro. “Malefaka araka ny ilana azy indrindra izy io, ka mahatonga ny hidrôzenina ao amin’ny masoandro hirehitra miadana sy tsy an-kijanona”, hoy ny fanazavan’i Freeman Dyson, mpahay fizika. Misy ohatra hafa maro azo omena mba hampisehoana fa miankina be amin’ny lalàna sy ny toe-javatra mifandanja amin’ny fomba maty paika tsara, eo amin’izao rehetra izao, ny fiainantsika. Nampitaha ireny lalàna sy toe-javatra eo amin’izao rehetra izao ireny amina bokotra maromaro ahodina ny Profesora Paul Davies, mpanoratra momba ny siansa, ka hoy izy: “Toa ilaina hatao maty paika tsara ny fanodinana ireo bokotra samy hafa, raha tiana hiroborobo toy izao ny fiainana eto amin’izao rehetra izao.”

Ela be talohan’ny nahitan’i Sir Isaac Newton ny lalàn’ny fifampisintonan-kery, dia nanisy firesahana ny amin’ireny fitsipika na lalàna raikitra ireny ny Baiboly. Nanontaniana toy izao ilay lehilahy atao hoe Joba: “Nanambara ireo fitsipika mifehy ny lanitra ve ianao, na namaritra ireo lalàn’ny natiora eo amin’ny tany?” (Joba 38:33, The New English Bible). Fanontaniana hafa mahatonga hanetry tena koa ny hoe: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany?” sy ny hoe: “Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao?” — Joba 38:4, 5.

[Efajoro, pejy 6]

SINGA IANKINAN’NY AINA

Ny singa ara-tsimia hidrôzenina sy ôksizenina ary karbônina no mahaforona ny 98 isan-jato eo ho eo amin’ny ataoma ao amin’ny vatanao. Manarakaraka an’ireo ny nitrôzenina, izay mahaforona ny 1,4 isan-jato fanampiny. Ahitana singa hafa koa, kely dia kely, nefa tena iankinan’ny aina na izany aza, ao amin’ny vatanao.

[Tabilao/Kisary, pejy 6, 7]

(Jereo ny gazety)

Amin’izao fotoana izao, ireo mpahay siansa dia efa nahazo ny singa 93 no ho miakatra, ka hatramin’ny singa 118. Araka ny efa fantatra mialoha, dia mbola manaraka ny modelin’ny tabilao miorina amin’ny lalàn’ny tsingerina ireo singa ireo.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharano nahazoana ny tabilao: Los Alamos National Laboratory

Anaran’ny singa Eva Laharana ataomika (isan’ny prôtôna)

hydrogène H 1

hélium He 2

lithium Li 3

béryllium Be 4

bore B 5

carbone C 6

azote N 7

oxygène O 8

fluor F 9

néon Ne 10

sodium Na 11

magnésium Mg 12

aluminium Al 13

silicium Si 14

phosphore P 15

soufre S 16

chlore Cl 17

argon Ar 18

potassium K 19

calcium Ca 20

scandium Sc 21

titane Ti 22

vanadium V 23

chrome Cr 24

manganèse Mn 25

fer Fe 26

cobalt Co 27

nickel Ni 28

cuivre Cu 29

zinc Zn 30

gallium Ga 31

germanium Ge 32

arsenic As 33

sélénium Se 34

brome Br 35

krypton Kr 36

rubidium Rb 37

strontium Sr 38

yttrium Y 39

zirconium Zr 40

niobium Nb 41

molybdène Mo 42

technétium Tc 43

ruthénium Ru 44

rhodium Rh 45

palladium Pd 46

argent Ag 47

cadmium Cd 48

indium In 49

étain Sn 50

antimoine Sb 51

tellure Te 52

iode I 53

xénon Xe 54

césium Cs 55

baryum Ba 56

lanthane La 57

cérium Ce 58

praséodyme Pr 59

néodyme Nd 60

prométhéum Pm 61

samarium Sm 62

europium Eu 63

gadolinium Gd 64

terbium Tb 65

dysprosium Dy 66

holmium Ho 67

erbium Er 68

thulium Tm 69

ytterbium Yb 70

lutétium Lu 71

hafnium Hf 72

tantale Ta 73

tungstène W 74

rhénium Re 75

osmium Os 76

iridium Ir 77

platine Pt 78

or Au 79

mercure Hg 80

thallium Tl 81

plomb Pb 82

bismuth Bi 83

polonium Po 84

astate At 85

radon Rn 86

francium Fr 87

radium Ra 88

actinium Ac 89

thorium Th 90

protactinium Pa 91

uranium U 92

neptunium Np 93

plutonium Pu 94

américium Am 95

curium Cm 96

berkélium Bk 97

californium Cf 98

einsteinium Es 99

fermium Fm 100

mendélévium Md 101

nobélium No 102

lawrencium Lr 103

rutherfordium Rf 104

dubnium Db 105

seaborgium Sg 106

bohrium Bh 107

hassium Hs 108

meitnerium Mt 109

110

111

112

114

116

118

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Kisendrasendra fotsiny sa famolavolan’ny saina kinga no hita taratra eo amin’ny filaharana sy ny firindran’ireo singa eo amin’ny tabilao miorina amin’ny lalàn’ny tsingerina?

Ataoman’ny heliôma

Elektrôna

Prôtôna

Netrôna

[Kisary/Sary, pejy 7]

(Jereo ny gazety)

Ahoana no nahatonga ireo hery fizika efatra ireo hisy fanitsiana maty paika tsara?

HERIN’ANDRIAMBY VOKARIN’NY HERINARATRA

HERY MATANJAKA AO ANATIN’NY ATAOMA

HERIN’NY FIFAMPISINTONANA

HERY MALEFAKA AO ANATIN’NY ATAOMA

Môlekiolan’ny rano

Atin’ny ataoma

Kintana goavana manga

Kintana bitika mena

Masoandro