Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Piramidan’i Meksika

Ny Piramidan’i Meksika

Ny Piramidan’i Meksika

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

MAHAFANTATRA ny piramidan’i Ejipta ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Tany Amerika koa, ary indrindra fa tany Meksika, dia nahita trano maro mitovy rafitra amin’ny piramida ireo arkeôlôgy. Toy ireo piramidan’i Ejipta, dia efa nisy hatramin’ny taonjato maro ny piramida meksikanina sady mifono zava-miafina.

Ny piramida ejipsianina dia fasana ao anaty antontam-bato makadiribe iray, izay mifanitsy ny sampany roa. Misy lalana anatiny mankao amin’ilay fasana, izay ny tapany lehibe indrindra amin’ilay piramida. Kanefa, ny piramida meksikanina dia antontan-tany lehibe iray, misy tempoly eo amin’ny fara tampony, ka tohatoha-bato ivelany iray no mitondra mankany amin’ny tendrony. Ankoatra ny vitsivitsy naningana, dia tsy fasana ny piramida hita tany Amerika.

Teotihuacán — “Ilay Tanànan’ireo Andriamanitra”

Anisan’ny toerana miavaka indrindra misy piramida any Meksika, i Teotihuacán. Tokony ho 50 kilaometatra any avaratratsinanan’i Mexico no misy an’i Teotihuacán, ary mbola zava-miafina ho an’ny manam-pahaizana momba ny olombelona sy ny arkeôlôgy izy io. Dimanjato taona mahery talohan’ny nipoiran’ny kolontsaina azteka, dia nandao io renivohitra fahiny io ny mpanorina azy. Midika hoe “Ilay Tanànan’ireo Andriamanitra” na “Toerana Mahatonga ny Olona ho Andriamanitra”, ny anarana hoe Teotihuacán, izay avy amin’ny fiteny nahuatl. Inoana fa nomen’ny Azteka io anarana io ilay tanàna, fony izy ireo nitsidika azy.

Manazava i George Stuart, mpampanonta iray ho an’ny gazetiboky National Geographic, fa “i Teotihuacan no tena tanàn-dehibe voalohany tany amin’ny Ila Bolantany Andrefana (...). Nipoitra tokony ho tamin’ny fiandohan’ny andro kristianina izy io, naharitra fitonjato taona teo ho eo, ary avy eo dia nanjary fahatsiarovana sisa. Teo amin’ny fara tampon’ny fandrosoany, izany hoe tokony ho tany amin’ny 500 ar.J.K., dia tombanana fa nisy mponina teo anelanelan’ny 125 000 sy 200 000 tany”.

Mijoro saika eo afovoan’ilay tanàna ny Piramida lehiben’ny Masoandro. Mirefy tokotokony ho 220 metatra ny sakany sy 225 metatra ny lavan’ilay izy eo amin’ny fototra, ary manana lampivato dimy, izay mahatonga ny haavony amin’izao fotoana izao ho 63 metatra. Tsy maintsy mianika zanatohatra maherin’ny 240 ianao, mba hahatongavana eny amin’ny tendron’ilay piramida. Any avaratr’ilay tanàna fahiny no misy ny Piramidan’ny Volana, izay 40 metatra ny haavony. Taloha dia nisy tempoly teny amin’ny tendron’ireo tempoly roa lehibe indrindra ireo.

Tato anatin’ireo folo taona faramparany, dia betsaka ny zavatra nianarana momba ireny piramida ireny. Kanefa, araka ny lazain’i Stuart, dia “zara raha misy fantatsika momba ny fiavian’ny Teotihuacanos, ny fiteniny, ny fomba nandaminana ny fiaraha-moniny, ary ny nahatonga ny fitotonganany”.

Toerana hafa misy piramida

Afaka mitsidika ny Tempoly Lehibe Indrindran’ny Azteka ianao ao afovoan’ny tanànan’i Mexico mihitsy. Na dia tsy misy piramida tazana aza, dia mbola hita ny sisa tsy rava avy tamin’ny piramida iray, izay fototr’ilay Tempoly Lehibe Indrindra. Nofongarin’ny arkeôlôgy ny alitara roa nanaovana sorona olombelona.

Anisan’ny toerana misy piramida be mpitsidika indrindra, any Mexico, i Chichén Itzà. Misy sisan-javatra maro sady tranainy ao amin’ilay faritany maya, kanefa ireo no mora aleha indrindra, noho izy akaikin’ny tanànan’i Mérida, any Yucatán. Na dia naorina tao amin’ny faritany maya aza ireny piramida ireny, dia asehony fa nanan-kery tany amin’ireny faritra ireny ny Tolteka taloha. Toa tondroin’ny piramida sasany fa efa lasa lavitra ny fahaizana kajy sy astronomia nananan’ny mpanorina.

Any Palenque, ny mpitsidika dia hahita fitambarana piramida maya mahatalanjona, izay voahodidin’ny ala mikitrok’i Chiapas. Anisan’ireo piramida sy trano maro be ny Lapa sy ny Tempolin’ny Soratra. Ny Tempolin’ny Soratra dia “iray amin’ireo tempoly malaza indrindra eran’i Méso-Amérique, satria tsy vitan’ny hoe toerana niorenan’ny tempoly iray toy ireo hafa rehetra fotsiny izy io, fa toerana fametrahana faty koa”, hoy ny nohazavain’ilay boky hoe The Mayas—3000 Years of Civilization. “Misy tohatra miendrika andohalambo ao anatiny, ary midina mankany amin’ilay efitra fandevenana mahatalanjona indrindra eran’ny faritra maya ilay izy.” Naorina ho an’i Pacal, na Uoxoc Ahau, governora iray tamin’ny taonjato fahafito ilay fasana.

Sasantsasany monja amin’ireo piramidan’i Meksika ireo. Misy toerana maro ao amin’ilay tany ahitana sisan-javatra tsy rava sy piramida hafa. Misy piramida goavana koa any Goatemalà sy any Honduras. Ireny zavatra naorina fahiny rehetra ireny dia mampiseho fa naniry toerana avo kokoa mba hanorenany toerana hanaovany fanompoam-pivavahana ny mponin’i Méso-Amérique. Hoy i Walter Krickeberg, mpanoratra ilay boky hoe Las Antiguas Culturas Mexicanas: “Avy tamin’ny fanompoam-pivavahana fahiny tamin’ny toerana avo ny fahazarana manorina tempoly ambonin’ny fototra nasiana tohatra.” Nanampy teny izy hoe: “Ho antsika dia toy ny ‘andohalambo’ iray ny lanitra, fa ho an’ny firenena hafa kosa dia tendrombohitra hiakaran’ny masoandro amin’ny maraina sy hidinany amin’ny hariva izy io; noho izany, dia asiana tohatra ny solampiny, toy ny amin’ny trano goavana iray. Novana ho piramida nisy tohatra àry ilay ‘tendrombohitra voatr’olombelona’ (...), ary araka ny fantatra avy amin’ireo angano sy fombafomba, dia nanjary sary fanoharana ny lanitra teo amin’ny firenena maro tany Méso-Amérique.”

Ho an’ireo mpianatra ny Baiboly, dia mety hampahatsiahy azy ny fitantarana ara-baiboly momba ny Tilikambon’i Babela, tao amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Babylona tatỳ aoriana, izany hevitra izany. Hoy ny Genesisy 11:4 momba ny mpanorina an’io tilikambo io: “Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza”. Tsy dia lavitra loatra ny sisan-javatra tsy rava tao Babylona, dia nahita karazana piramida antsoina hoe ziggourat ny arkeôlôgy.

Ny endri-panompoam-pivavahana izay niandoha tany Babylona dia niely tamin’ny faritra maro teto amin’ity tontolo ity, ary azo inoana fa tonga hatrany amin’ilay faritra nanjary fantatra amin’ny anarana hoe Meksika. Tsy mahagaga raha modely vaovao voalohany ho an’ny piramidan’i Meksika feno zava-miafina sy mahatalanjona ny ziggourats tao Babylona sy ny fivavahana narahina tao.

[Sary, pejy 24]

Teotihuacán

[Sary nahazoan-dalana]

CNCA.-INAH.-MEX Reproducción Autorizada por el Instituto Nacional de Antropología e Historia

[Sary, pejy 25]

Palenque