Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Lany Ripaka ve ny Alan’ny Tany Mafana?

Ho Lany Ripaka ve ny Alan’ny Tany Mafana?

Ho Lany Ripaka ve ny Alan’ny Tany Mafana?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BOLIVIA

MANANA velaran-tany rakotra ala an-tendrombohitra * i Ramiro. Eo am-pototry ny tandavan-tendrombohitr’i Andes atỳ Amerika Atsimo no misy azy io, ary iray amin’ireo toerana vitsivitsy mbola anirian’ny karazan-kazo tranainy io toerana io. Efa mangadihady avokoa ireo havoana eo amin’ny manodidina. Nisy mpahay siansa avy any amin’ny tany maro tonga nanadihady momba ny zavamiaina ao amin’io ala an-tendrombohitr’i Ramiro io. Nahita karazam-biby sy karazan-javamaniry maro be mbola tsy fahita hatramin’izay izy ireo. Sarotiny amin’ny fiarovana ny alany i Ramiro, ka hoy izy: “Tsy hisy na iza na iza havelako hitrandraka ny alako.”

Miandraikitra fitrandrahana ala kosa i Roberto. Misahana velaran-tany mirefy 5 600 kilaometatra toradroa izy, any amin’ny faritra iva any Amazone. Matihanina amin’ny fitrandrahana ala sy fanondranana hazo i Roberto. Tena sarotiny koa anefa izy amin’ny fiarovana ny alan’ny tany mafana sy ny zavamiaina ao aminy. Hoy indrindra izy: “Azo atao tsara ny mitrandraka ala nefa tsy manimba ireo karazan-javaboary ao aminy.”

Na dia tsy mitovy aza ny toe-javatra misy an’i Ramiro sy Roberto, dia samy manahy ny amin’ny mety hiafaran’ny alan’ny tany mafana izy ireo. Olona maro koa anefa no manahy toy izany. Nitombo haingana mbola tsy nisy toy izany mantsy ny fandripahana ala tato anatin’ireo folo taona faramparany.

Ara-dalàna ve raha manahy fatratra toy izany izy ireo? Mba nandripaka ala be dia be koa ny mponin’ny tany tsy dia mafana loatra, mba hahazoana toeram-pambolena. Nanao izany izy ireo nandritra ny taonjato lasa, koa nahoana isika no manahy raha mba manao toy izany koa ankehitriny ny mponin’ny tany mafana? Misy lafiny lehibe tsy mampitovy azy anefa. Matetika, ohatra, no tsy lonaka ny toerana anirian’ny alan’ny tany mafana, ka tsy mahavokatra firy izy raha volena. Ambonin’izany dia betsaka kokoa ny karazan-javamiaina any amin’ny alan’ny tany mafana raha ampitahaina amin’ny ala hafa. Hisy akony eo amin’ny olombelona àry ny fandripahana ireny ala ireny.

Vidina lafo ny fandripahana ala

Maherin’ny antsasaky ny karazan-javamiaina rehetra eto an-tany no mivelona any amin’ny alan’ny tany mafana. Hita any avokoa na rajako na tigra; na karazam-bolonkazo hafa kely na orkide; bibilava sy sahona; ary lolo sy boloky tsy fahita matetika. Tsy ho voatanisa daholo ny karazan-javamiaina any amin’ireny ala ireny.

Karazan-javaboary maro no miroborobo aoka izany any amin’ireo karazana alan’ny tany mafana. Eo, ohatra, ny ala an-tendrombohitra, ala mikitroka sy mando, alan’ny tany mafana sy maina, ary ala manify. Maro ny olona mbola tsy nitsidika alan’ny tany mafana mihitsy. Anisany angamba ianao. Koa nahoana àry ianao no tokony hanahy ny amin’ny alan’ny tany mafana?

Tena iankinan’ny fiainanao ny fiarovana ny alan’ny tany mafana. Mbola ilaina mantsy ireo karazan-kazo tranainy maniry any, mba hahazoana ny ankamaroan’ny hazo ambolena hifanaraka amin’ny hetahetan’ny olona, sy hazo fivarotra izay ilainao eo amin’ny fiainana. Ampiasaina ireny karazan-kazo tranainy ireny indraindray mba hahazoana karazan-kazo matanjaka kokoa sy mahatohitra bibikely mpanimba. Koa tena ilaina àry ireo karazan-kazo maro be, fahita any an’ala.

Mahita zava-baovao mahasoa foana koa ireo mpikaroka, any amin’ny alan’ny tany mafana. Ny ankabeazan’ireo fanafody ampiasaina ankehitriny, ohatra, dia vita avy amin’ny zavamanirin’ny tany mafana avokoa. Matetika àry no ampitahaina amin’ny fitahirizam-bokin’ny natiora ny alan’ny tany mafana, kanefa mbola tsy nosokafana akory ny ankamaroan’ireo “boky” ao.

Fiainana marefo sy mifampiankina

Saro-pady sy be pitsiny ny alan’ny tany mafana. Mifampiankina avokoa ny fiainan’ireo zavaboary maro be any. Ny ankamaroan’ireo hazo, ohatra, dia mila ny fanampian’ny vorona sasany na bibikely na biby hafa, mba hahafahany hamony sy hanaparitaka voa. Tsy very koa ireo sisan-javatra avy amin’ny zavamaniry, biby, bibikely, ary zavamiaina bitika hafa any an’ala, satria voahodina ho zavatra ilaina avokoa, noho ny fisian’ny tsingerim-piainana mifampiankina ao anaty ala. Mahavariana fa matetika dia eo amin’ny tany tsy mahavokatra loatra no misy izany rehetra izany. Koa raha simba àry ilay ala, dia ho sarotra na mety tsy ho vita mihitsy ny hamerina azy indray.

Antom-piveloman’ny olona maro koa ny alan’ny tany mafana. Hanaovana fikarohana ara-tsiansa izy ireny ary mampidi-bola satria tian’ny mpizaha tany. Tena loharanon-karena koa ny alan’ny tany mafana satria manome hazo fandrafetana, voankazo, tantely, fingotra, ary lakaoly sy sakafo isan-karazany. Mihena andro aman’alina anefa ny alan’ny tany mafana. Miharihary fa manjavona haingana loatra ny ala, na dia tsy mitovy avokoa aza ny tarehimarika aroso entina hilazana izany.

Ny tena mampalahelo dia izao: Simban’ny olona ny ala, nefa matetika no tsy hahazoany tombony maharitra akory izany. Maro ny ala novana ho kijana ho an’ny biby fiompy. Matetika anefa no ilaozana ilay toerana, satria vetivety dia tsy mahavokatra ahitra ampy intsony. Velaran-tany mirefy 165 000 kilaometatra toradroa, ohatra, no nilaozana fotsiny toy izany any Amazonia, any Brezila.

Inona àry no hiafaran’ny alan’ny tany mafana sy ireo zavamiaina maro be ao aminy? Miezaka miaro ny alan’ny tany mafana i Ramiro sy Roberto ary olona maro hafa koa. Simba mantsy ny ala satria: Mila hazo ny tsenam-barotra iraisam-pirenena, mitombo be loatra ny isan’ny mponina, maro ireo mivelona amin’ny fisamborana sy fivarotana bibidia hompiana, ary betsaka ireo mpihaza sy mpitrandraka tsy ara-dalàna. Inona anefa ny antony fototra tena manimba ny ala? Azo ampiasaina sady arovana ve ny alan’ny tany mafana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny ala an-tendrombohitra dia ireo alan’ny tany mafana sy be orana, hita any amin’ny toerana avo mihoatra ny 1 000 metatra.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Any amin’ny alan’ny tany mafana no ahitana ny ankabeazan’ireo karazam-biby sy zavamaniry misy eto an-tany

[Sary, pejy 4, 5]

Mety hanimba ny alan’ny tany mafana ireo mpitrandraka ala sy ny lalana amboariny