Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tena Ratsy ny Miresaka Firaisana An-telefaonina?

Nahoana no Tena Ratsy ny Miresaka Firaisana An-telefaonina?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Nahoana no Tena Ratsy ny Miresaka Firaisana An-telefaonina?

HOY ny gazety iray fanta-bahoaka any Etazonia: “Ny resaka firaisana an-telefaonina no nasolo ny taratasim-pitiavana, ary lasa fanao ankafizin’ny olon-droa mifanalavitra izy io, rehefa te hifamboraka fitia izy ireo.”

Ny resaka firaisana an-telefaonina dia firesahana na fihainoana resaka momba ny firaisana ara-nofo, amin’ny alalan’ny telefaonina. * Matetika ireo manao azy io no mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany mba hahazoana fahafinaretana. Mahazo vahana ny resaka vetaveta an-telefaonina, na eo amin’ny mpifamofo izany na eo amin’ny olona tsy mifankahalala akory. Betsaka mihitsy aza no manohana azy io an-karihary.

Hoy ny vehivavy iray: “Io no fomba tsy mampidi-doza indrindra ahafahana manao firaisana.” Toa maro no mitovy hevitra aminy. Tao amin’ny lahatsoratra an-gazety iray, ohatra, tamin’ny Oktobra 2000, dia nampirisika ny fanaovana resaka firaisana an-telefaonina ny manam-pahaizana rosianina vitsivitsy, noho ny fihanahan’ny tsimokaretina VIH.

 Misy koa anefa mampirisika an’io fanao io, mba hahazoana tombony fotsiny. Any Etazonia fotsiny, ohatra, dia an’arivo tapitrisa dolara ny vola miditra amin’ireo toerana ahafahana mihaino resaka vetaveta an-telefaonina.

Inona no tena mampirongatra an’io fanao io? Hoy ny fanazavan’ny boky Orinasa Mpanaitra Nofinofy (anglisy): “Mety hisy vokany ratsy ny fifandraisana ara-batana sy ara-pihetseham-po. Anisan’izany ireto: aretina azo avy amin’ny firaisana, fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana manokana sy ny asa, tahotra ny ho ratsy laza, ary filana hanao firaisana tsy araka ny natiora. Tsy misy atahorana ny momba ireo, raha eo amin’ny resaka firaisana an-telefaonina.”

Marina fa tsy miray ara-batana ny olona miresaka firaisana an-telefaonina. Midika ve anefa izany fa tsy ratsy sy tsy mampidi-doza velively izy io?

Tsy mampidi-doza ve?

Mahery be ny faniriana hanao firaisana, indrindra mandritra ny fahatanorana. Antsoin’ny Baiboly hoe “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” io vanim-potoana io, ary eo no mahatratra ny fara tampony ny faniriana hanao firaisana. (1 Korintianina 7:36) Mandritra io fotoana lehibe eo amin’ny fiainana io ny tanora kristianina no tena tokony hianatra “hifehy tena, ao anatin’ny fahamasinana sy ny haja.” (1 Tesalonianina 4:4) Ilainao àry ny mianatra miatrika izany sy mifehy ny fanirianao. Tena zava-dehibe izany mba tsy ho lasa adalam-piraisana ianao.

Vao mainka mampitombo ny faniriana hanao firaisana anefa ny resaka vetaveta an-telefaonina. Mahatonga hevi-diso momba ny lehilahy koa izany eo amin’ny vehivavy, ary hevi-diso momba ny vehivavy eo amin’ny lehilahy. Milaza ny Baiboly fa ny mpivady ihany no nomen-dalana hankafy ny firaisana ara-nofo. (Hebreo 13:4) Mampirisika ny mpitovo hankafy ny firaisana anefa ny resaka vetaveta an-telefaonina. Milaza ny Baiboly fa ny manome no tena mahasambatra fa tsy ny mandray. (Asan’ny Apostoly 20:35) Faly hahazo fahafinaretana avy amin’ny olon-kafa fotsiny anefa ireo mihaino resaka vetaveta an-telefaonina. Ampianarin’ny Baiboly fa tokony hifandray akaiky ny mpivady, ary hifankatia sy hifampatoky. (Efesianina 5:22, 33) Mahatonga tsy fahampiam-pitiavana sy fifanafinafenan-javatra anefa ny resaka firaisana an-telefaonina.

Fahazarana manimba

Nalaza ho tanàna nanjakan’ny faharatsiam-pitondran-tena i Korinto. Koa nanoratra tamin’ireo Kristianina tany àry i Paoly hoe: ‘Matahotra aho fa sao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana mendrika an’i Kristy, tahaka ny nitaoman’ny bibilava an’i Eva tamin-kafetsena.’ (2 Korintianina 11:3) Fomba iray ampiasain’i Satana Devoly hamitahana ny tanora ankehitriny ny resaka vetaveta an-telefaonina.

Lasa fahazaran-dratsy ho an’ny tanora sasany ny miantso an-telefaonina mba hanao resaka vetaveta. Hazavain’ny tanora iray, izay antsointsika hoe Jim, ny mahatonga an’io fanao io ho lasa fahazarana. Nahita nomeraon-telefaonina ahafahana miresaka momba ny firaisana izy, teo amin’ny takela-by misy dokambarotra. Notadidiny ilay izy ary nantsoiny mba hahafantaran-javatra fotsiny. Lasa zatra niantso anefa izy, ka tsy ela dia nahatratra hatramin’ny 600 dolara (3 600 000 FMG eo ho eo) ny faktioran-telefaoniny!

Raran’ny Tenin’Andriamanitra ny olona mbola tsy manambady, tsy hanaitaitra ny filana ara-nofo. Hoy ny fananarany: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”​—Kolosianina 3:5.

Eo amin’ny olon-droa mikasa hivady

Ahoana ny amin’ireo tanora efa lehibe izay mikasa hivady? Tena ara-dalàna raha maniry hifaneho fitiavana ny olon-droa mifankatia. Izao no nolazain’ny tovovavy iray tamin’ny fofombadiny, tamin’ny andron’ny Baiboly: “An’ny malalako aho, sady manina ahy izy.” (Tonon-kiran’i Solomona 7:11) Ilain’ny olon-droa hivady ny miresaka lafin-javatra manokana sy lalina kokoa, rehefa mihantomotra ny mariazy. Manimba ve anefa ny mifamboraka fitia amin’ny alalan’ny resaka firaisana an-telefaonina?

Eny. Tsy maintsy manaraka ity torohevitry ny apostoly ity, na dia ireo efa mpifamofo aza: “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany, na fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta, izay samy tsy mety, fa aleo kosa aza manao teny fisaorana. Fantatrareo mantsy, eny, takatrareo fa samy tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto na ny olona manana faniriana tsy mety afa-po, izany hoe mpanompo sampy.”​—Efesianina 5:3-5; Kolosianina 3:8.

Tena tsy ankasitrahan’i Jehovah ny resaka sy toe-tsaina vetaveta, ary koa ny zavatra hafa mitarika antsika hikasikasika ny filahiana na fivaviana mba hahazoana fahafinaretana. Mety hitarika ho amin’ny fandikan-dalàna lehibe kokoa izany. Nisy, ohatra, olon-droa nikasa hivady nefa nifanalavitra. Niresaka matetika an-telefaonina izy roa tamin’ny voalohany mba hifankahalalana tsara. Nanomboka nanao resaka vetaveta anefa izy ireo rehefa nandeha ny fotoana, ary nitombo hatrany izany. Tsy nahagaga raha nanjary naloto fitondran-tena izy ireo rehefa afaka nifankahita foana.

Maniry hampifaly an’Andriamanitra isika ka azo antoka fa hanao izay rehetra azontsika atao, mba tsy hanaovana resaka vetaveta an-telefaonina. Ahoana no hahombiazantsika?

‘Asio mafy ny vatanao’

Mety ho lasa fahazaran-dratsy ny resaka firaisana an-telefaonina. Mila ‘manisy mafy sy manandevo ny vatantsika’ àry isika, raha te hankasitrahan’i Jehovah. (1 Korintianina 9:27) Mitadiava fanampiana raha zatra manao resaka vetaveta an-telefaonina ianao. Tsara raha ireo ray aman-dreninao kristianina aloha no iresahanao momba ilay izy. Mety hampalahelo azy ireo izany, nefa izy ireo no tena afaka hanampy anao hiala tanteraka amin’io fanao ratsy io. Vonona hanampy anao hiala amin’izy io koa ireo anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny misy anao.

Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hadio hatrany rehefa miaraka amin’ny fofombadinao, eny fa na dia rehefa miresaka an-telefaonina aza. Hoy i Leticia, vehivavy kristianina efa manana fofombady: “Miara-mamaky lahatsoratra ara-baiboly momba ny fitoerana ho madio izahay roa. Tena ankasitrahanay izy ireny, satria manampy anay hanana feon’ny fieritreretana madio.” Manàna herim-po hanovana ny resaka, raha manomboka miova ho resaka maloto ilay izy. Miaraha midinika momba ny fomba hiresahana zavatra madio foana.

Any amin’ny tany sasany, dia mandefa fandaharana miresaka betsaka momba ny firaisana ny televiziona, rehefa alina be. Tsara kokoa àry ny tsy hijerena televiziona alina loatra. Mety ho voasarika hieritreri-dratsy na hikasikasika ny filahianao na ny fivavianao mantsy ianao raha manao izany. Tena iankinan’ny ainao anefa ny fifadiana ireo fanao maloto ireo. * Afaka manaisotra ireo fanao maloto ireo ao an-tsainao ianao, raha manao izay mahitsy hatrany. (Filipianina 4:8) Ireo madio fisainana sy madio fiteny hatrany atao namana, ary vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky sy gazety ara-baiboly, mba hanamafisana ny fahatapahan-kevitrao. Tsy hieritreritra zava-betaveta ianao amin’izay. Ity no zava-dehibe indrindra: Mangataha fanampiana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Hoy ny apostoly Petera: “Apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”​—1 Petera 5:6, 7.

Hoy ny tovovavy kristianina iray avy any Brezila: “Tena mahery be ny fitaomana hiresaka momba ny firaisana, eo amin’ny tanora.” Fantatr’i Jehovah anefa hoe miatrika zava-tsarotra ianao. Matokia fa hanome ny fanampiana rehetra ilainao izy mba hitoeranao ho madio eo imasony.​—Efesianina 6:14-18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy fanao vetaveta toy izany koa atao amin’ny alalan’ny Internet.

^ feh. 24 Misy soso-kevitra hanampy anao hiala amin’ny fikasikasihana ny filahiana na ny fivaviana, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra, pejy 198-211, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 20, 21]

Mihanaka be izao ny resaka firaisana an-telefaonina sy amin’ny Internet

[Sary, pejy 20, 21]

Mila mitandrina ny olon-droa mikasa hivady mba tsy hanao resaka maloto

[Sary, pejy 22]

Afaka manamafy ny fahatapahan-kevitrao hitoetra ho madio ny famakiana ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly