Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo? (Jolay 2006) Mpamaky Mifohaza! aho. Katolika aho, nefa hitako fa tena mahaliana sy ianaran-javatra ny gazetinareo. Hoy anefa ianareo: ‘Nohalefahin’ny eglizy, tamin’ny 1983, ny lalàna napetrany momba ny fanambadiana, ka lasa mora kokoa ho an’ny Katolika ny misaraka.’ Tsy miombon-kevitra amin’izany aho.

G.V.M., Zambia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Ireo fanovana natao tamin’ny Lalàn’ny Eglizy tamin’ny 1983 no tianay horesahina. Nisy vokany be mantsy izy ireny, indrindra tany Etazonia. Nilaza i Mark Pivarunas, Eveka Katolika, fa fisaraham-panambadiana 338 monja no nekena tany Etazonia, tamin’ny 1968. Nahatratra 62 824 anefa izany tamin’ny 1990. Nahoana?

Hoy i Edward Peters, manam-pahaizana momba ny lalàn’ny fiangonana: “Nisy fanovana lehibe natao tamin’ny lalàn’ny eglizy, nandritra ny 30 taona lasa. Nanamora ny famenoana taratasy fisaraham-panambadiana izy ireny, sady nanamora ny fanekena izany.” Hoy izy, rehefa avy nanonona fanovana maromaro: ‘Tsy azo lavina fa tena nampitombo ny fisaraham-panambadiana, ny tsirairay tamin’ireny fanovana nataon’ny Eglizy Katolika ireny.’ Na inona na inona antony nanaovana izany, dia nisy vokany avy hatrany izy ireny, fara fahakeliny, tany Etazonia. Marina àry ilay nolazain’ny “Mifohaza!” hoe: ‘Lasa mora kokoa ho an’ny Katolika ny misaraka, [noho ny nataon’ny eglizy].’

Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (Septambra 2006) Tena niavaka io Mifohaza! laharana manokana io. Tsotra, mampiaiky, mirindra, ary mitombina tsara ireo porofo naroso tao. Tena tiako ny fomba nilazana ireo hevitra. Misy fomba fijery samy hafa ao amin’ilay gazety, mba hanazavana loha hevitra iray ihany.

A. B., Espaina

Misaotra noho iny gazety tena tsara sy mahaliana iny. Manome voninahitra an’i Jehovah ireo porofo samihafa sy ohatra maro be ao anatiny. Mendrika hoderaina tokoa izy.

R. B., Soisa

Nampiaiky ahy ireo porofo tsotra nefa tsy azo lavina momba ny famoronana. Naharihary fa diso ny evolisiona. Natao tamim-panajana izany, kanefa azo antoka sy marina ara-tsiansa.

L. G., Frantsa

Ny Mamy sy ny Mangidy teo Amin’ny Fiainan’ny Rôma (Oktobra 2006) Nahafinaritra ahy foana ny Rôma hatramin’izay. Mampalahelo fa mbola mitohy ny fanavakavahana azy ireo. Mino aho fa hampieritreritra olona maro io lahatsoratra io. Mampahery tokoa ny mahalala fa tsy manavakavaka i Jehovah, ary misy Rôma koa manompo azy!

B. B., Frantsa

Rôma izahay. Mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah ny raiko, ary tsy dia tia mamaky boky. Naniry hahazo an’io gazety io anefa izy, ary vakiny ilay izy izao!

A. G., Failandy