Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty?

Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty?

Tsy ho Velona Intsony ve ny Maty?

MANKAIZA marina ny maty? Izany angamba no fanontaniana mahavery hevitra indrindra hatramin’izao. Nandinika izany ny manam-pahaizana avy amin’ny kolontsaina rehetra, nandritra ireo arivo taona nifandimby. Tsy nanome valiny anefa ny filozofia sy ny fikarohana ara-tsiansa, fa tombantombana sy honohono fotsiny no betsaka.

Ahoana kosa ny fampianaran’ny Baiboly? Misy milaza fa tsy mazava koa izay lazain’izy io momba ny maty. Raha ny marina anefa dia mazava ny fampianaran’ny Baiboly, saingy fivavahana maro no nampifangaro izany tamin’ny lainga sy angano. Tokony handinika izay tena ampianarin’ny Baiboly àry ianao, fa tsy hino lovantsofina sy honohono. Ho hitanao fa mitombina tsara ny fampianaran’izy io, ary manome fanantenana.

Talohan’ny nisianao

Diniho, ohatra, ireo tenin’i Solomona Mpanjaka, tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nohazavainy fa samy tsy mahalala na inona na inona ny olona sy ny biby, rehefa maty. Araka ny Baiboly àry, dia tsy manao zavatra na mieritreritra ny maty, sady tsy manana fihetseham-po sy tsy mahatsiaro tena.—Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

Sarotra inoana ve izany? Eritrereto hoe taiza ny olona iray talohan’ny nisiany. Taiza izao ianao fony mbola tsy niteraka anao ny ray aman-dreninao? Raha manana fanahy tsy mety maty tokoa ny olona, taiza ny fanahinao tamin’ny ianao mbola tsy niforona tao an-kibo? Tsy mahatadidy na inona na inona momba izany ianao. Tsotra ihany ny antony, satria mbola tsy nisy ianao.

Hiverina ho tsy misy toy izany koa àry isika rehefa maty, ka tsy hahalala na inona na inona. Mitovy amin’izany ilay tenin’Andriamanitra tamin’i Adama rehefa nanota izy, manao hoe: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Amin’io lafiny io ny olombelona no mitovy amin’ny biby. Rehefa maty ny olona dia tanteraka ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby.”—Mpitoriteny 3:19, 20.

Midika ve izany fa velona mandritra ny am-polony taona vitsivitsy fotsiny ny olona, ary tsy hisy intsony mandrakizay? Sa mba misy fanantenana ihany ho an’ny maty? Diniho àry ireto hevitra ireto.

Faniriana voajanahary

Saiky ny olona rehetra no tsy tia miresaka momba ny fahafatesana. Ny tena tsy tiany dia ny miresaka hoe ho faty izy. Tsy tiany na ny mieritreritra an’izany aza. Maro be anefa ny filma ahitana olona maty tamin’ny fomba mahatsiravina. Imbetsaka koa ny fampitam-baovao no mamoaka sary sy tantaran’olona maty na nisy namono.

Lasa mahazatra àry ny mandre olona maty. Hafa mihitsy anefa raha ny havantsika na isika no hoe ho faty. Nahoana? Satria efa voajanahary amin’ny olona ny faniriana ho velona. Fantatsika koa fa mandeha foana ny fotoana ary mitohy mandrakizay, ka te hiaina foana isika. Nilaza i Solomona Mpanjaka hoe: ‘Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olona ny mandrakizay.’ (Mpitoriteny 3:11) Raha tsy mijaly àry isika dia te ho velona foana. Tsy tiantsika hifarana mihitsy ny fiainantsika. Tsy manana an’izany faniriana izany ny biby, satria tsy mieritreritra momba ny hoavy.

Afaka miana-javatra foana

Tsy vitan’ny hoe te hiaina mandrakizay ny olona, fa mahita zavatra tsara hatao foana sady afaka mianatra foana koa. Voalaza fa tsy manan-tsahala ny atidohan’olombelona, satria matanjaka be sady tena saro-takarina ny fomba fiasany. Tsy toy ny biby isika, satria afaka misaintsaina sy mahatakatra hevi-dalina ary mahay mamoron-javatra. Mbola kely ihany no fantatry ny mpahay siansa, momba ny zavatra vitan’ny atidoha.

Tsy dia misy vokany eo amin’ny atidoha ny fahanterana. Tsy ela izay dia hitan’ny manam-pahaizana fa mbola vitan’ny atidoha ny ankamaroan’ny asany, na antitra aza isika. Hoy ny mpikaroka ao amin’ny foibe ara-tsiansa iray: “Afaka manamboatra izay simba ao aminy foana ny atidoha. Afaka mamorona sela vaovao izy io, na antitra aza. Matoa tsy miasa tsara intsony ny saina, dia noho ny aretina, fa tsy noho ny fahanterana. Matetika ny antitra no very tadidy, satria tsy dia mampiasa saina intsony. Hadinony koa ny zavatra hainy taloha, satria tsy ataony intsony.”

Hiasa tsara foana àry ny atidoha, raha ampiasaina foana sy voaro amin’ny aretina. Hoy i James Watson, anisan’ny nahita ny firafitry ny ADN: “Hatramin’izao dia ny atidoha no zavatra saro-takarina indrindra hitantsika eo amin’izao rehetra izao.” Nanoratra toy izao i Gerald Edelman, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra: “Mifampitohy ireo selan’ny atidoha, ary sombin’atidoha kely toy ny lohan’afokasoka dia efa ahitana fitohizana an’arivony tapitrisa. Misy fomba maro be mety hitohizan’ireo sela ireo. Raha atao kajy izany dia tena tsy hita isa mihitsy, satria folo arahina zerô an-tapitrisany.”

Ho nomena fahaizana be toy izany ve ny olona, raha natao hiaina 70 na 80 taona monja? Ianao ve, ohatra, dia hampiasa lamasinina matanjaka be misy vagao be dia be, nefa voam-bary iray no hoentina, ary zara raha misy iray metatra ny hitondrana azy? Mazava ho azy fa tsia! Koa nahoana àry isika no manana saina mahay mikaroka sy miana-javatra maro be? Sao dia mba natao hiaina mandrakizay kosa ny olona, ka tsy tokony ho faty mihitsy, fa tsy toy ny biby?

Fanantenana omen’ny Mpamorona

Hitantsika teo fa te ho velona foana isika, ary efa voajanahary izany. Hitantsika koa fa afaka miana-javatra be dia be isika. Midika izany fa natao hiaina ela be ny olona, fa tsy 70 na 80 taona monja. Tsy maintsy misy àry ny Andriamanitra Mpamorona. Tsy miova mihitsy mantsy ny lalàn’ny natiora, ary maro be ny zavamananaina eto an-tany sady saro-takarina ny firafitr’izy ireo. Porofoin’izany fa misy ny Mpamorona.

Nahoana anefa isika no maty, raha noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Mbola hovelomin’Andriamanitra ve izy ireny? Azo inoana fa namaly an’ireo fanontaniana ireo Andriamanitra, satria hendry sy mahery izy. Andeha hodinihintsika izany:

Tsy tokony ho faty ny olona, raha ny fikasan’Andriamanitra. Manaporofo izany ny andinin-teny voalohany miresaka momba ny fahafatesana, ao amin’ny bokin’ny Genesisy. Hazavaina ao fa nisy fitsapana tsotra nataon’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Amin’izay izy ireo ho afaka hanaporofo fa tena tia sy tsy mivadika aminy. Norarana izy mivady mba tsy hihinana tamin’ny voan’ny hazo iray. Hoy Andriamanitra: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17) Tsy tokony ho faty mihitsy àry i Adama sy Eva, raha nankatò. Lazain’ny Baiboly anefa fa nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo, ka maty. Izany no nahatonga ny olombelona ho lasa tsy lavorary sy ho faty.

Milaza ny Baiboly fa toy ny olona matory ny maty. “Renoky ny torimaso fahafatesana” izy ireny. (Salamo 13:3) Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, talohan’ny hananganany an’i Lazarosy: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Dia namoha azy tokoa i Jesosy! Lazain’ny Baiboly fa rehefa niantso izy, ‘dia nivoaka avy tao am-pasana ilay lehilahy efa maty.’ Velona indray àry i Lazarosy!—Jaona 11:11, 38-44.

Nahoana i Jesosy no nilaza fa toy ny matory ny maty? Satria tsy mahatsiaro tena sy tsy mahavita na inona na inona ny olona matory be. Tsy fantany koa izay mitranga manodidina azy, sady tsy tsapany hoe mandeha ihany ny fotoana, ary tsy mijaly izy. Tsy mahatsiaro tena sy tsy manao na inona na inona toy izany koa ny maty. Ankoatra izany, dia azo fohazina ny olona matory. Izany koa no ampanantenain’ny Baiboly ho an’ny maty.

Mampanantena ny Mpamorona hoe: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita [fasana misy ny maty rehetra] izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?” (Hosea 13:14) Milaza koa ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly, fa hofoanan’Andriamanitra “tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” (Isaia 25:8) Hovelomina tokoa àry ny maty, ary izany no atao hoe fitsanganana amin’ny maty.

Aiza no hiaina ireo hatsangana amin’ny maty? Efa hitantsika fa te ho velona foana ny olona. Aiza àry ianao no te hiaina mandrakizay? Tianao ve raha lasa fanahy mirenireny any ankoatra ianao, araka ny ampianarin’ny fivavahana sasany? Sa tianao raha teraka indray ianao, saingy lasa olona hafa mihitsy sady tsy mahatsiaro ny fiainanao taloha? Tianao ve raha lasa biby na hazo ianao rehefa hatsangana amin’ny maty? Raha asaina mifidy ianao, aleonao ve mankany amin’ny faritra tsy misy an’ireo zavatra nahazatra anao sy nahafinaritra anao teto an-tany?

Azo inoana fa aleonao eto an-tany, raha tsy misy intsony ny fijaliana. Izany indrindra no ampanantenain’ny Baiboly, dia fiainana mandrakizay eto amin’ny tany lasa paradisa. Noforonin’Andriamanitra mantsy ny tany mba hipetrahan’ny olona tia azy, ary ho sambatra manompo azy mandrakizay izy ireo. Izany no ilazan’ny Baiboly hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:29; Isaia 45:18; 65:21-24.

Rahoviana no hatsangana ny maty? Matoa lazaina hoe hoatran’ny matory ny maty, dia midika izany fa tsy atsangana avy hatrany foana ny olona rehefa maty. “Matory” elaela aloha izy vao hatsangana. Nanontany toy izao ilay lehilahy atao hoe Joba, ao amin’ny Baiboly: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?” Dia namaly izy hoe: ‘Hiandry [ao am-pasana] aho, mandra-pahatongan’ny fahafahako. Dia Hiantso [Andriamanitra], ary izaho hamaly [azy].’ (Joba 14:14, 15) Tena hahafaly tokoa rehefa tonga izany fotoana izany, ka hihaona amin’ny havan-tiany indray ireo maty!

Aza matahotra loatra

Marina fa mety mbola hatahotra ny ho faty ihany ny olona, na dia manome fanantenana aza ny Baiboly. Ara-dalàna raha matahotra ianao sao hijalijaly vao ho faty, na sao ho faty ny havanao, na koa sao ho faty ianao ka hampalahelo ny fianakavianao.

Manampy antsika anefa ny Baiboly mba tsy hatahotra loatra, satria tsy mahalala na inona na inona ny maty. Tsy marina ny hoe hampijalin’ny demonia any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Diso koa ny hoe lasa angatra na matoatoa ny maty, ka mirenireny any ankoatra any. Aza matahotra hoe tsy hisy intsony mandrakizay ianao. Nahoana? Satria tadidin’Andriamanitra daholo ny olona, ary mampanantena izy fa hatsangany amin’ny maty eto an-tany izay rehetra tiany. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ny fahafatesana.”—Salamo 68:20.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.”—Genesisy 3:19 

[Teny notsongaina, pejy 6]

‘Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olona ny mandrakizay.’—Mpitoriteny 3:11 

[Efajoro/​Sary, pejy 8]

MISY VALINY NY FANONTANIANAO

Betsaka ny fanontaniana momba ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty tsy voaresaka ato. Nahazo valiny nahafa-po anefa ny olona maro niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maninona raha mianatra koa ianao? Ho hitanao ny valin’ireto fanontaniana ireto raha manao izany ianao:

◼ Tena misy ve ny “afobe”, ary inona no dikan’ny hoe “farihy afo” ao amin’ny Baiboly?

◼ Raha tsy misy ny afobe, inona no ho sazin’ny ratsy fanahy?

◼ Milaza ny Baiboly fa ny fanahy miverina amin’Andriamanitra. Inona no dikan’izany?

◼ Nahoana no be dia be no milaza fa niresaka tamin’olona efa maty?

◼ Inona no dikan’ny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly?

◼ Rahoviana no hatsangana ao amin’ny paradisa an-tany ny maty?

◼ Hatsangana amin’ny maty daholo ve ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy?

Jereo ny pejy farany amin’ity gazety ity, izay manazava ny fomba hahazoanao ny valin’ireo fanontaniana ireo.

[Sary, pejy 7]

Nilaza i Jesosy fa “hamoha” an’i Lazarosy

[Sary, pejy 8, 9]

Alao sary an-tsaina ny fifalianao rehefa hatsangana amin’ny maty ny havan-tianao!