Ny Akorandriaka
Nisy Namorona Ve?
Ny Akorandriaka
◼Toa marefo no fijery ny akorandriaka, nefa sarotra potehina izy ireny matetika. “Tsy maintsy nokapohiko tamin’ny marotoa ny sasany vao nahazo potiny kely aho”, hoy ilay injeniera atao hoe Kenneth Vecchio, raha nahatsiaro ny fahazazany. Tena mafy izy ireny, ary manaporofo izany ny akorandriakan’ny biby sasany any an-dranomasina. *
Diniho izao: Zavatra toy ny kiran-trondro faran’izay bitika, izay tsy hita raha tsy amin’ny mikraoskaopy, no ao amin’ilay lafiny anatiny mangirana amin’ny akorandriaka. Hoy i Christine Ortiz, mpampianatra ao amin’ny sekoly ambony momba ny teknolojia, any Massachusetts, Etazonia: “Tena nahavariana anay ny nahita ny firafitr’ireo zavatra faran’izay bitika amin’ilay lafiny mangirana amin’ny akorandriaka. Azo inoana fa io firafiny io no mahatonga azy ho mafy be.”
Milaza i Charles Petit, mpanoratra momba ny siansa, fa “mirindra tsy misy hoatr’izany” ny firafitr’ilay lafiny mangirana amin’ny akorandriaka, rehefa jerena amin’ny mikraoskaopy. Hoy izy: “Rehefa firaina mitsangana izy io, dia karazana sokay milahadahatra toy ny biriky fisaka misy rirany enina no hitanao. Toy ny rihitra mampitambatra azy ireo ny dity feno proteinina navoakan’ilay biby tao anaty akorandriaka.”
Mihevitra ny mpahay siansa fa azo trandrahina ny antony mahamafy ny akorandriaka, mba hanamboarana zavatra maro, toy ny akora mafy kokoa fanamboarana fiara, na elatra fiaramanidina, na fitaovana tsy laitran’ny bala. Milaza i Ortiz fa “ny lalàna mifehy ny firafitry ny zavatra bitika no ampiasain’ny zavaboary mba hamokarana zavatra mafy kokoa. Mbola mila miana-javatra betsaka ny injeniera olombelona vao hahavita toy izany.”
Ahoana ny hevitrao? Kisendrasendra ve no nampisy ny akorandriaka sy ny nahatonga azy ho mafy, sa nisy namorona?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Anisan’izany ny betsimitsitekiteky sy ny masaja, ary ny maro hafa. Biby malemilemy sy tsy misy taolana no ao anaty akorandriaka.
[Sary, pejy 25]
Ilay lafiny mangirana amin’ny akorandriaka, rehefa firaina mitsangana (nohalehibeazina)
[Sary nahazoan-dalana]
Sary kely: © Eye of Science/Photo Researchers, Inc.