Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vitanao ny Hitaiza Irery ny Zanakao

Ho Vitanao ny Hitaiza Irery ny Zanakao

Ho Vitanao ny Hitaiza Irery ny Zanakao

ATAHORANA tsy hisy intsony, ao aoriana kely ao, ny tokantrano misy ray sy reny. Eritrereto izao: Olona 13 tapitrisa mahery any Etazonia, no mitaiza irery ny zanany, ary vehivavy ny ankamaroany. Araka ny fandinihana, dia ny antsasaky ny ankizy any no hotezain’ny rainy na ny reniny irery, mandritra ny fotoana kelikely amin’ny fahatanorany, fara fahakeliny.

Matokia fa ho vitanao ny hitaiza irery ny zanakao, raha tsy maintsy manao izany ianao. Ireto misy soso-kevitra hanampy anao:

Aza mampiasa teny mahakivy. Hoy ny Baiboly: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.” (Ohabolana 15:15) Marina fa mety tsy ho toy ny fety foana ny fiainanao. Asehon’io andininy io anefa fa tsy miankina amin’ny toe-javatra misy anao loatra no hahafaly anao, fa miankina amin’ny toe-ponao. (Ohabolana 17:22) Tsy hitondra soa ny fieritreretana hoe tsy misy antenaina intsony ny amin’ny zanakao sy ny tokantranonao. Hanakivy anao fotsiny izany, ka vao mainka ho sarotra aminao ny hanao ny andraikitrao.—Ohabolana 24:10.

Soso-kevitra: Ataovy lisitra ireo teny mahakivy fampiasanao hilazana ny toe-javatra misy anao. Soraty eo akaikiny izay fehezanteny mampahery hanoloanao azy. Raha nanoratra, ohatra, ianao hoe: “Mafy loatra izao mahazo ahy izao”, dia soloy hoe: “Vitako ny andraikitro na dia tokan-tena aza aho, ary afaka mahazo ny fanampiana ilaiko aho.”—Filipianina 4:13.

Mahaiza mitantam-bola. Ny olana ara-bola no tena mampiferinaina an’ireo mitaiza irery ny zanany, indrindra fa ny reny. Mety tsy hiady saina loatra anefa ianao raha mahay mitantam-bola. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Tena ilainao ny mandamina sy mieritreritra mialoha, raha tsy te hahita “loza” eo amin’ny resaka vola ianao.

Soso-kevitra: Manaova teti-bola. Soraty ny vola nivoaka nandritra ny iray volana, ary jereo izay nampiasanao azy. Diniho tsara hoe inona matetika no tena mandany ny volanao. Zatra mitrosa ve ianao? Mividy zavatra ho an-janakao ve ianao, mba hanonerana ny tsy maha eo ny rainy na ny reniny fotsiny? Raha efa lehibe ny zanakao, dia iaraho midinika aminy ny fomba azo itsitsiana vola. Fiofanana tsara ho azy izany. Mety hahita hevitra tsara mihitsy aza izy.

Mifandraisa tsara amin’ilay vadinao taloha. Mety samy hikarakara ny zanakareo ianao sy ilay vadinao taloha. Tadidio fa tsy hahasoa mihitsy ny manaratsy an’ilay vadinao taloha amin’ny zanakao, na ny mampiasa ny zanakao mba hitsikilovana ny fiainany. * Aleo lavitra miara-miasa aminy ka mandinika ny fomba hifehezana ny ankizy sy izay zavatra hafa hahasoa azy ireo. Hoy ny Baiboly: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra”, anisan’izany ilay vadinao taloha.—Romanina 12:18.

Soso-kevitra: Rehefa miseho ny olana, dia ataovy hoatran’ny mpiara-miasa aminao ilay vadinao taloha. Miezaka mafy ho tsara fanahy amin’ny rehetra ianao any am-piasana, na dia amin’ireo tsy tianao aza. Izany koa atao amin’ilay vadinao taloha. Marina fa mety tsy hitovy hevitra ianareo indraindray, nefa tsy voatery hiady be foana.—Lioka 12:58.

Aoka ianao ho modely. Eritrereto hoe: ‘Inona no toetra tsara sy fomba fijery tiako hananan’ny zanako? Mba manana an’izany toetra sy fomba fijery izany ve aho?’ Falifaly foana ve, ohatra, ianao na dia mitaiza irery ny zanakao aza? Sa avelanao hanamaloka ny fiainanao ny toe-javatra misy anao? Mbola tezitra amin’ny nataon’ilay vadinao taloha ve ianao? Zakanao ve ny tsy rariny mihatra aminao, na dia tsy fidiny ho anao aza izany? (Ohabolana 15:18) Ekena aloha fa tsy mora ny miatrika an’ireo olana ireo, ary tsy afaka ny ho tonga lafatra ianao. Azo antoka anefa fa izay fomba fijerinao ny fiainana ihany no ho fomba fijerin’ny zanakao azy io.

Soso-kevitra: Manorata toetra tsara telo tianao hananan’ny zanakao rahatrizay lehibe izy. * Soraty eo akaikiny izay azonao atao dieny izao mba hanampiana azy hanana ny tsirairay amin’ireo toetra ireo.

Karakarao tsara ny tenanao. Rotoroto lava ny fiainana, ka tandremo sao reraka loatra ny fonao sy ny sainao, na lasa an-tsirambina ny fahasalamanao. Tsy maintsy karakarainao koa anefa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra! (Matio 5:3) Tsy ho lasa lavitra ny fiara tsy misy solika. Toy izany koa fa tsy ho lasa lavitra amin’izay ataonao ianao, raha tsy misakafo ara-panahy sy tsy mikarakara tena tsara.

Misy koa ny “fotoana ihomehezana” sy ny “fotoana itsinjahana.” (Mpitoriteny 3:4) Tsy hoe ho lany andro fotsiny ianao raha miala voly. Mamelombelona kosa izany ary manome anao hery vao mba hiantsorohanao foana ny andraikitrao.

Soso-kevitra: Anontanio ny olon-kafa mitaiza irery ny zanany hoe ahoana no fomba ikarakarany ny tenany. Manokàna koa fotoana isan-kerinandro, fara fahakeliny, mba hanaovan-javatra mahafinaritra anao, nefa ‘fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Soraty ny zavatra tianao hatao sy ny fotoana hahafahanao manao an’ilay izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hanao Ahoana ny Ankizy Raha Misaraka Ianareo?”, pejy 18-21.

^ Anisan’izany, ohatra, ny fanajana sy fahaiza-mandanjalanja ary famelan-keloka, izay resahina eo amin’ny pejy 6-8.