Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Faha-7: Mitadiava Torohevitra Mandaitra

Torohevitra Faha-7: Mitadiava Torohevitra Mandaitra

Torohevitra Faha-7: Mitadiava Torohevitra Mandaitra

Ahoana izany? Mila atao mafy tsara ny fototra, raha tiana hateza ny trano. Mila torohevitra mandaitra koa ianareo, raha tianareo haharitra ny tokantranonareo.

Nahoana izany no ilaina? Maro ny boky sy gazety ary fandaharana amin’ny tele, natao hanoroana hevitra ny tokantrano manana olana. Ny sasany manoro hevitra ny mpivady mba tsy hisaraka. Ny hafa indray mampirisika azy ireo hisaraka. Miovaova hevitra koa na dia ny manam-pahaizana aza. Izao, ohatra, no tenin’ny mpanolo-tsaina malaza iray: ‘Nihevitra aho taloha hoe aleo lavitra ny ankizy tezain’ny rainy fotsiny na ny reniny fotsiny, nefa sambatra ilay rainy na ilay reniny, toy izay tezain’ny ray aman-dreny miady lava. Nihevitra koa aho hoe aleo misaraka ny mpivady rehefa tsy mety mifanaraka, toy izay hihafy fotsiny eo.’ Niova hevitra anefa izy, 20 taona tatỳ aoriana. Hoy izy: “Maro ny ankizy mijaly rehefa misaraka ny ray aman-dreniny.”

Aiza àry no hahitana torohevitra tena mandaitra, satria miovaova foana ny torohevitra omen’ny olona? Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Voamarikao angamba fa misy andinin-teny eo am-piandohan’ireo lahatsoratra teo aloha. Maro ny mpivady nanaraka an’ireo, ka tena sambatra. Marina fa manana olana izy ireo, toy ny tokantrano rehetra ihany. Mateza anefa ny tokantranony noho izy manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Tsy mahagaga izany, satria avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly, ary izy no namorona ny fianakaviana.—2 Timoty 3:16, 17.

Andramo izao: Soraty amin’ny taratasy avokoa ireo andinin-teny ireo, sy ny andininy hafa nahasoa anao. Ataovy amin’ny toerana mora hita ilay taratasy, ary vakio matetika.

Ahitsio izay tsy mety. Miezaha mafy hanaraka ny torohevitry ny Baiboly ao an-tokantranonao.

[Sary, pejy 8, 9]

Hateza toy ny trano mafy fototra ny tokantranonareo, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly ianareo