Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Antony Namoronana Antsika?

Inona no Antony Namoronana Antsika?

Inona no Antony Namoronana Antsika?

LAZAIN’NY Baiboly fa faran’izay manan-tsaina Andriamanitra, ilay antsoina hoe Jehovah. Izy no namorona izao rehetra izao sy ireo hery mifehy azy io. (Salamo 83:18; 92:5) Hoy ny toko voalohany ao amin’ny Baiboly: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Nanao olona ‘araka ny endriny’, izany hoe olona mitovy toetra aminy izy avy eo, ary nilaza taminy mba hihamaro sy hameno ny tany.—Genesisy 1:1, 26, 28.

Noforonin’Andriamanitra ho an’ny olona fotsiny àry ve izao rehetra izao, anisan’izany ny tany mbamin’ireo biby sy zavamaniry maro be? Ny hihinana sy hisotro sy hiteraka ary hiaina taona vitsivitsy monja ve no nanaovana antsika?

Nahoana Andriamanitra no nanao antsika?

Noho ny fitiavana no nanaovany ny olombelona. Tiany ho velona sy ho sambatra toa azy izy ireo. Azo antoka fa faly be izy nanao zavaboary isan-karazany, mba ho voahodidina zavatra maro tsara tarehy ny olona. Noforonina mba hifandray amin’ny Mpamorona, izany hoe hahalala azy sy hiresaka aminy, ny olombelona. Mahatonga ny fiainan’izy ireo hisy dikany izany. Noforonina mba ho velona mandrakizay ao anatin’ny toe-piainana lavorary sy miadana koa izy ireo.—Genesisy 3:8, 9; Salamo 37:11, 29.

Nanankinan’i Jehovah asa lehibe sy mahafa-po koa ny olombelona. Hoy izy tamin’ny mpivady voalohany: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Tokony hanova ny tany manontolo ho paradisa àry izy mivady sy ny taranany.

Tsy tanteraka avy hatrany izany fikasan’i Jehovah izany, nefa tsy maintsy mbola ho tanteraka. *Isaia 46:9-11; 55:11.

Tsy vitan’ny hoe te hahalala an’Andriamanitra sy te hifandray aminy fotsiny ny olona, fa mila an’izany mihitsy koa. Tsy mahagaga àry raha te hahalala ny dikan’ny fiainana izy. Noforonina hanan-tsaina sy ho tia karokaroka ary hahazo ny hevitr’izay mitranga mantsy izy. Milaza ny Baiboly fa afaka ny hianatra mandrakizay momba an’Andriamanitra sy ny zavaboariny izy.

Nisy mpanoratra Baiboly nilaza toy izao momba ny antony nanaovana ny olona: “Efa hitako ny asa nomen’Andriamanitra hataon’ny zanak’olombelona. Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona, mba tsy hahafantaran’izy ireo mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Fantatro ankehitriny fa tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany. Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:10-13) Hiana-javatra foana momba an’Andriamanitra sy ny zavaboariny àry ny olombelona.

Mianara momba an’Andriamanitra

Ahalalanao an’i Jehovah ny fandinihana ny zavaboariny. Hoy ny Baiboly: “Ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) Ahitana taratry ny fitiavan’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny heriny tokoa ny zavaboary.

Hanampy anao hahalala bebe kokoa an’i Jehovah koa ny Baiboly, izay azo avy tamin’ny herin’ny fanahy masina. Voaresaka ao mantsy ny fiheviny sy ny toetrany ary ny fikasany.

Lazain’ny Baiboly toy izao ny fikasan’Andriamanitra: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa ny tany kosa nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” (Salamo 115:16) Eo amin’izao rehetra izao, dia toa ny tany ihany no fonenana mety tsara ho an’ny olombelona, ary izany rahateo no nikasan’i Jehovah azy.

Ahoana àry ny amin’izao rehetra izao midadasika? Moa ve ny kintana rehetra natao hampirindra tsara ny masoandro sy ireo planeta mihodidina aminy fotsiny, mba hisian’ny fiainana eto an-tany? Natao handravahana ny alina fotsiny ve izy ireny? Betsaka tokoa ny zavatra mbola tsy fantatsika. Soa ihany anefa!

Tsy ho ampy mantsy ny mandrakizay mba hahatakaran’ny olona izay rehetra nataon’Andriamanitra sy nokasainy. Tiany hiana-javatra sy hifaly amin’ny fiainana foana isika. Ho afaka hiana-javatra be dia be momba an’izao rehetra izao ny olona mankatò, rehefa miaina mandrakizay eto an-tany ao anatin’ny fahasambarana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Maro no tsy mino hoe misy ny Mpamorona be fitiavana, rehefa mahita ny faharatsiana sy ny fijaliana. Jereo ny fanazavana ao amin’ny toko 11 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy, 9]

Noforonina hanan-tsaina sy ho tia karokaroka ary hahazo ny hevitr’izay mitranga ny olona

[Sary, pejy 10]

Milaza ny Baiboly fa natao indrindra mba hahasambatra ny olona ny tany