Andao Isika Hiantsena any Afrika!
Andao Isika Hiantsena any Afrika!
RAHA any an-tany hafa ianao, ka te hahalala ny kolontsainy sy ny fanaony ary ny sakafony, dia mandehana eny an-tsena. Sady afaka miantsena ianao no mandinika ny tompon-tany sy manandrana ny sakafony. Miezaka mafy miresaka aminao koa ny mpivarotra, na inona na inona fiteninao.
Tena mahavariana ny tsena any Afrika, satria feno olona sy entana isan-karazany, sady maresaka be. Andao isika hijery tsena iray any Douala, Cameroun.
Inona no handehanana?
Ny môtô no fitaterana mora sy haingana indrindra, any amin’ny tanàn-dehibe maro any Afrika. Feno môtô eny rehetra eny. Azonao karamaina hitondra anao izy ireny, raha tsy matahotra ianao. Tian’ny olona ny mandeha môtô any Cameroun, satria sady mora no haingana.
Afaka mandeha taxi kosa ianao, raha matahotahotra. Olona maromaro mazàna no indray misisika ao anatiny, sitrany ahay mba hifampizarana ny saran-dalana.
Latabatra an-jatony
Mety tsy hahazo aina ianao, raha sambany vao tonga ao amin’ilay tsena, satria feno olona sy latabatra hatraiza hatraiza. Feno ankizy sy olon-dehibe miloloha sobika koa etsy sy eroa. Ahitana akoho velona, voasary efa voavaofy, fanafody isan-karazany, na entana hafa ao anatiny.
Feno legioma eny ambony latabatra, toy ny laisoa, karaoty, kôkômbra, baranjely, korza, arikôvera, vomanga, voatabiha, oviala, ary salady. Mety tsy ho fantatrao ny sakafo sasany, satria tsy fihinana any an-tany hafa. Hahita sakay mena sy mavo koa ianao. Ireo angamba no marevaka indrindra, satria vao notangosana, ka manjelanjelatra erỳ tarafin’ny masoandro. Hita eny koa ny zavokà, akondro, pamplemosy, voatango, mananasy, voasary, ary voasarimakirana. Mampitelin-drora izy
rehetra sady tsy lafo! Eo koa ny mangahazo sy vary, izay tena betsaka any Cameroun, ary ny tongolobe sy ny tongolo lay nohafarana avy any ivelany. Hain’ny mpivarotra erỳ ny mametraka azy ireny eo ambony latabatra.Maro amin’ireo mpivarotra no avy amin’ny foko haoussa sy fula. Miavaka izy ireo satria manao akanjo manga na fotsy na mavo mirebareba, antsoina hoe gandouras na boubous. Sariaka erỳ izy ireo miarahaba anao amin’ny teny fulfulde. Tsara fanahy koa ry zareo. Nanome ahy tongolobe telo, ohatra, ny mpivarotra iray atao hoe Ibrahim, sady niteny hoe: ‘Esory ny ao anatiny, dia seseho vary sy zavamanitra, ary andrahoy amin’ny afo malefaka.’
Tsy lavitra eo ny mpivaro-kena. Hen’omby sy henan’osy no amidiny. Ireny misy lehilahy matanjaka milanja hena be, ary manjera izany eo ambony latabatra. Kinga erỳ ireo mpivaro-kena manetsiketsika ny antsibeny, sady manasa ny mpividy hifidy izay hena tiany. Misy osy na akoho na kisoa velona koa amidy eo akaiky eo.
Hotely eny an-tsena
Tsy maintsy misy hotely foana eny an-tsena. Mandefa mozika mafy be ny sasany mba hisarihana olona. Misy hotely mangingina koa anefa. Sady afaka miresaka amin’ny tompon-tany ianao ao, no mihinana sakafo afrikanina. Efa misoratra eo amin’ny tabilao ny sakafo misy, ary afaka manontany olona ianao raha tsy hainao ilay izy.
Tsy maintsy misy vary sy fufu ao amin’ireny hotely ireny. Mangahazo na akondrolahy na oviala nopotsehina ny fufu. Hahita trondro, hen’omby, ary akoho natono koa ianao. Asiana saosy voanjo na voatabiha na zavatra hafa izy ireny. Elaela vao tonga ny sakafo, ka afaka miresaka tsara ianao.
Vehivavy roa no mpandroso sakafo. Nitondra vary vao mafana sy tsaramaso ary fufu tao anaty vilia vy ny iray. Norarahana saosy ireo, ary nasiana hena sy trondro natono. Nisy sakay mena tamin’ny tavoahangy kely koa nampiarahina tamin’ireo. Ilay vehivavy iray kosa nitondra servieta sy rano mba hanasanay tanana. Amin’ny tanana mantsy no fihinanana an’ireo sakafo ireo. Mahazatra ny olona ny mivavaka alohan’ny sakafo, ary miara-manao “Amena” aminy izay eo amin’ny latabatra eo akaiky.
Fitoriana eny an-tsena
Nilaina foana teo anivon’ny fiaraha-monina ny tsena. Any no ivarotana sy ividianan-javatra, andrenesam-baovao, ihaonana amin’ny namana, ary ahitana asa mihitsy aza. Milaza ny Baiboly fa nankany an-tsena i Jesosy, ary nampianatra momba an’Andriamanitra sy nanasitrana. Nandresy lahatra an’izay “sendra hitany teny an-tsena” ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 17:16, 17; Marka 6:56) Mitory ny vaovao tsara eny an-tsena koa ny Vavolombelon’i Jehovah any Cameroun.—Lahatsoratra nisy nanome.
[Sary, pejy 24]
Sakay mena sy mavo