Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Nety ve ny Nataon’io Lehilahy Io?

Vakio ny Genesisy 39:1-23. Jereo ilay sary, ary soraty eto ambany ny valin-teninao.

1. Iza ilay vehivavy eo amin’ny sary?

․․․․․

2. Iza ilay lehilahy?

․․․․․

3. Ahoana no nataon’ilay lehilahy?

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana ilay lehilahy no nanao izany? Nijaly ve izy vokatr’izany? Araka ny hevitrao, nety ve ny nataony? Raha eny, nahoana? Mety hijaly koa ve ianao rehefa manao ny tsara? Rehefa manao inona, ohatra?

FANTATRAO TSARA VE I SAOLY MPANJAKA?

4. Nanao ahoana ny bikabikany?

Vakio ny 1 Samoela 9:1, 2.

․․․․․

5. Nahoana no nolavin’i Jehovah i Saoly?

Vakio ny 1 Samoela 13:13, 14.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Amin’Andriamanitra, inona no zava-dehibe kokoa noho ny bika aman’endrika?

Vakio ny 1 Samoela 16:6, 7.

Nahoana ny fitadidiana izany no manampy anao hahalala ny antonony eo amin’ny fikarakarana ny bika aman’endrika?

Vakio ny 1 Timoty 4:8.

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 4 Inona no ampirisihin’ny Baiboly, raha ny asa no resahina? Mpitoriteny 3:․․․

PEJY 7 Inona no tokony hoezahintsika ho azo? Jaona 6:․․․

PEJY 10 Nanondro andro iray hanaovana inona Andriamanitra? Asan’ny Apostoly 17:․․․

PEJY 28 Ahoana no ilazan’ny Baiboly ny olon-droa lasa mpivady? Genesisy 2:․․․

● Valiny, pejy 14

VALIN’NY PEJY 31

1. Vadin’i Potifara.

2. Josefa.

3. Tsy nanao firaisana tamin’ny vadin’i Potifara.

4. Lava sy tsara tarehy i Saoly.

5. Tsy nankatò an’Andriamanitra i Saoly.