Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Sakaizan’Andriamanitra ve Ianao?

Te ho Sakaizan’Andriamanitra ve Ianao?

Te ho Sakaizan’Andriamanitra ve Ianao?

● Ahoana no avalinao an’io fanontaniana io? Izao no valin-tenin’ny ankizivavy iray any Guerrero, ambanivohitra be any Meksika: “Aiza koa no hisy an’izany?” Nisy ankizivavy roa Vavolombelon’i Jehovah anefa nampiseho azy an’ilay bokikely hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Gaga be izy nahita an’ilay bokikely tamin’ny fiteny tlapanec, satria ny boky navoakan’ny fanjakana ihany no misy amin’io fiteny io.

Nohazavain’izy mirahavavy fa tia azy ny Mpamorona, ary porofon’izany io bokikely io, satria afaka mahalala an’Andriamanitra izy noho izy io. Novakiny avy hatrany ilay lesona voalohany hoe “Manasa Anao ho Tonga Sakaizany Andriamanitra.” Hoy izy avy eo: “Te ho sakaizan’Andriamanitra aho! Afaka mitondra Baiboly ho ahy ve ianareo?” Nitondran’izy mirahavavy Baiboly àry izy, ary niangavy azy roa vavy hijanona ny renin’ilay ankizivavy mba hampianatra azy mianaka.

Misy amin’ny fiteny 17 fampiasan’ny Indianina any Meksika io bokikely io, ary iray amin’ireny ny Tlapanec. Misy amin’ny fiteny 278 kosa io bokikely io, eran-tany (anisan’izany ny Braille). Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.