Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana Aho no Lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana Aho no Lasa Vavolombelon’i Jehovah?

Notantarain’i Tomás Orosco

Sambany aho tamin’izay no nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy ankizilahy kely nandaha-teny. Zara raha tazana ny lohany tao ambadiky ny polipitra, nefa tony izy, sady tena nahay, ka nahavariana ahy.

ZATRA nohajain’ny olona aho, satria efa nisolo tena ny tafika bolivianina tany Etazonia. Lehiben’ny tafika koa aho, sady niara-niasa akaiky tamin’ny filoham-pirenena. Gaga anefa aho fa nohajain’ny olona koa ilay ankizikely. Nihaino tsara azy ny mpanatrika. Nahatonga ahy handinika indray ny fiainako izany.

Maty tamin’ny adin’i Paragoay sy Bolivia tamin’ny 1934 ny raiko. Nianatra tany amin’ny sekoly kilasimandry katolika aho, tsy ela taorian’izay. Namonjy Lamesa isan’andro aho. Nihira izahay tany, nianatra katesizy, ary nanao vavaka tsianjery. Nanampy ny pretra mihitsy aza aho, ary anisan’ny antoko-mpihira. Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy anefa aho.

Faly aho isaky ny fety satria mba niala tamin’ny mahazatra. Niala voly mantsy no tena natao tamin’ilay izy. Nasiaka anefa ny pretra sy ny mpampianatra katesizy, ka halako. Tsy te hivavaka intsony àry aho.

Milamina sy mihaja ka nanintona ahy

Nisy manamboninahitra tanora roa tonga tao Tarija, tanànanay, indray andro. Nihaja be sy nadio tsara ny akanjony. Avy any La Paz, renivohitr’i Bolivia izy ireo. Nahafinaritra erỳ ny nahita ny famindrany teny amin’ny arabe. Nanao fanamiana maitso sy satroka misy sisiny mangirana ry zareo. Vao nahita azy ireo aho, dia te ho lasa miaramila koa. Nieritreritra aho hoe: ‘Efa nahavita zavatra niavaka izao ireo, sady efa nahita fiainana.’

Tafiditra tany amin’ny sekoly miaramilan’i Bolivia aho, tamin’ny 1949, tamin’izaho 16 taona. Ny zokiko lahy no nanatitra ahy tany. Nisy ankizilahy be dia be niara-nilahatra taminay teo am-bavahady. Nisy lietnà nandray anay. Niangavy azy hikarakara tsara ahy ilay zokiko, sady niteny hoe zaza hendry aho. Vao lasa anefa izy, dia nakapok’ilay lietnà tamin’ny tany aho sady hoy izy: “Ho hitantsika eo hoe iza no tena hendry ato!” Izany no fanao amin’ny zazavao. Teo no nahitako voalohany fa henjana ny fitsipika mifehy ny miaramila sady tia mandrahona izy ireo. Marina fa tsy naninona aho tamin’iny, nefa voadona ny hambom-poko.

Nianatra momba ny ady aho tatỳ aoriana, ary lasa manamboninahitra nohajaina. Hitako anefa fa madio sy mihaja ivelany fotsiny ny miaramila, fa tsy toy izany ny tena fiainany.

Niakatra grady indray

Vao nanomboka niasa aho, dia niofana tao amin’ny sambo mpiady avy any Arzantina, antsoina hoe General Belgrano. Mahazaka olona arivo mahery izy io. An’ny tafika amerikanina izy io talohan’ny Ady Lehibe II, ary USS Phoenix no anarany. Tsy potiky ny Japoney ilay izy rehefa nanafika an’i Pearl Harbor, any Hawaii ry zareo, tamin’ny 1941.

Lasa filoha lefitry ny tafika an-dranomasina bolivianina aho tatỳ aoriana. Izahay no nanara-maso ny renirano sy farihy manodidina an’i Bolivia. Anisan’izany ny reniranon’i Amazone sy ny Farihin’i Titicaca, izay rano avo toerana indrindra azon’ny sambo ivezivezena.

Voafidy ho anisan’ny solontenan’ny tafika bolivianina nalefa tany Washington, any Etazonia aho, tamin’ny Mey 1980. Niaraka tamin’ny manamboninahitra roa hafa aho. Samy nakana solontena iray avy mantsy ny tafika an-tanety sy ana habakabaka ary an-dranomasina. Izaho no voatendry ho lehibenay telo lahy, satria izaho no ela indrindra tao amin’ny tafika. Nipetraka tany Etazonia nandritra ny roa taona latsaka aho. Lasa mpiara-miasa akaiky tamin’ny filoham-pirenena bolivianina aho taorian’izay.

Lehiben’ny tafika aho, ka tsy maintsy niangona isan’alahady. Diso fanantenana tamin’ny fivavahana anefa aho, satria nitsabaka tamin’ny ady sy ny tolom-bahoaka ny pretra. Fantatro fa tsy mety ny ataony, satria manohana famonoan’olona. Tsy tofoka avy hatrany tamin’ny fivavahana anefa aho, fa vao mainka naniry hitady ny marina. Mbola tsy namaky Baiboly mihitsy aho, ka nanomboka namaky azy io tsindraindray.

Tia filaminana ny Vavolombelon’i Jehovah

Gaga aho fa lasa nianatra Baiboly tamin’ny misionera Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Janet, i Manuela vadiko. Nanomboka nivory tany amin-dry zareo koa izy. Nanatitra azy tany aho, saingy tsy nety niditra. Nihevitra aho mantsy fa mitabataba sy mihetsi-po be ny mpivavaka ao.

Nanontany ahy i Manuela indray andro, raha te hotsidihin’i Ian vadin’i Janet aho. Tsy nety aho tamin’ny voalohany. Nieritreritra anefa aho avy eo fa mahay tsara momba ny fivavahana, ka ho afaka hanaporofo fa diso daholo izay lazainy. Rehefa nihaona izahay sy Ian, dia tsy izay nolazainy no tena nanaitra ahy, fa ny fihetsiny. Tsy nampideradera ny fahaizany Baiboly izy, fa tsara fanahy sy nanaja ahy kosa.

Tapa-kevitra ny hivory aho, ny herinandro nanaraka. Tamin’izay aho no nahita an’ilay ankizilahy kely nanao lahateny. Namaky sy nanazava andinin-teny avy ao amin’ny bokin’i Isaia izy. Tsapako nanomboka teo fa tena miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahagaga fa te ho manamboninahitra ambony aho tamin’ny mbola kely. Izao anefa aho te ho ankizy indray, ary te hampianatra Baiboly toa an’ilay ankizilahy kely. Toa niova fo tampoka teo aho, ary vonona hianatra Baiboly.

Voamariko koa tatỳ aoriana fa tena marim-potoana izy ireo, sady sariaka tamiko ka tsy nahatsiaro ho vahiny aho. Madio sy milamina koa ny fitafiany. Nisy zavatra hafa tena nahavariana ahy anefa. Voarindra tsara ny fivoriany. Raha efa nampandre mialoha, ohatra, ry zareo hoe izao no lahateny ho re amin’ny fivoriana manaraka, dia iny tokoa no renao. Hitako fa tena milamina izy ireo. Tsy terena anefa izy ireo fa ampirisihina amim-pitiavana.

Nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Ian aho, taorian’ny nivoriako voalohany. Ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no nampiasainay. * Mbola tadidiko fa misy sarina eveka mitso-drano miaramila handeha hiady, ao amin’ny toko fahatelo. Nekeko hoe zava-misy ilay izy, satria ny masoko mihitsy no efa nahita. Nahazo ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina koa aho. Novakiko tao fa tsy tokony homba ny atsy na ny aroa ny Kristianina rehefa misy ady. Hitako àry fa nila niova aho. Tapa-kevitra aho fa tsy hivavaka any amin’ny Katolika intsony, ary hiala tsy ho miaramila. Nanomboka niara-nivory tsy tapaka tamin’ny Vavolombelona aho.

Nanao fandrosoana

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia reko fa hisy fivoriambe, ka hanadio ny efitrano lehibe hanaovana azy io ny fiangonana. Efa tsy andriko ilay fivoriambe, ka nanampy tamin’ny fanadiovana an’ilay trano aho. Niara-nanadio tamin’ny olon-drehetra aho, ary tena nahafinaritra ahy izany. Raha mbola iny namafa trano iny aho, dia nanatona ahy ny tovolahy iray, ary nanontany hoe: ‘Tsy ny Amiraly Orosco ve ianao?’

“Ie”, hoy aho.

“Tena marina ve?”, hoy izy. “Izay aho vao nahita amiraly namafa trano!” Gaga izy satria tsy hisy manamboninahitra ambony hamafa trano mihitsy. Na taratasy latsaka aza mantsy tsy raisiny. Saoferako taloha io tovolahy io, ary efa Vavolombelon’i Jehovah izao!

Mpirahalahy avokoa

Tsy maintsy manaja ny ambony grady noho izy ny miaramila. Izany no mahatonga azy ireo hilamina tsara. Mbola niraikitra be tao an-tsaiko izany, ka mazàna aho no nanontany raha ambony noho ny mpiray finoana aminy ny Vavolombelon’i Jehovah manana andraikitra na asa hafa eo anivon’ny fiangonana. Tsy ela anefa dia niova tanteraka ny toe-tsaiko.

Reko fa hisy olona anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hitsidika an’i Bolivia, ary hanao lahateny ao amin’ilay efitrano lehibe. Efa tsy andriko izay hahitana hoe ahoana no handraisan’izy ireo azy. Nihevitra aho mantsy fa olona ambony izy, ka hanetriketrika be ny fandraisana azy.

Tsy nisy zavatra niavaka nitranga anefa, rehefa nanomboka ny fivoriana. Gagagaga àry aho. Nisy mpivady zokiolona nipetraka teo akaikinay, ary tsikaritr’i Manuela fa amin’ny teny anglisy ny fihiranan’ilay vehivavy. Niresaka taminy àry izy, rehefa niato kely ilay fivoriana. Tsy hitanay intsony izy mivady avy eo.

Taitra be izahay taorian’izay satria nankeny amin’ny lampihazo mba handaha-teny ilay lehilahy! Hoy aho: “Hay ilay rahalahy niara-nipetraka tamintsika tamin’ireto seza ratsy kely ireto ilay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana!” Tena niova tanteraka ny fiheverako ny resaka grady, fahefana, fanajana, ary toerana ambony.

Efa imbetsaka i Ian no nanampy ahy hahazo ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 23:8 hoe: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” Mihomehy aho izao rehefa mieritreritra an’izany.

Nitory voalohany

Nasain’i Ian hiara-mitory isan-trano taminy aho, rehefa tsy tao amin’ny tafika intsony. (Asan’ny Apostoly 20:20) Tany amin’ny toerana tsy tiako haleha anefa izahay no nandeha. Feno tranona miaramila mantsy tany. Jeneraly iray izay no tena tsy tiako ho hita. Izy mihitsy anefa no nipoitra, rehefa nandondòna teo amin’ny trano iray izahay. Nitebiteby be aho, rehefa hitany ny kitapoko sy ny Baiboliko. Hoy izy: “Fa naninona koa ity ianao no lasa mpitory teny?”

Nivavaka haingana aho, ka lasa tony. Nihaino ahy ilay jeneraly, ary nandray boky ara-baiboly mihitsy aza. Nandrisika ahy hanokan-tena ho an’i Jehovah iny zava-nitranga iny, ary natao batisa aho tamin’ny 3 Janoary 1990.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ny vady aman-janako tatỳ aoriana. Faly aho izao satria mpitory manontolo andro sady anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Nanjary nahalala an’i Jehovah aho ary ekeny ho namany. Izany no voninahitra lehibe indrindra amiko. Tsara lavitra noho ny grady na toerana ambony izany. Tsy voatery hasiaka sy ho mafy fo ianao, vao ho afaka hampisy filaminana, fa tokony ho tsara fanahy sy ho be fitiavana. Marina fa Andriamanitry ny filaminana i Jehovah, nefa ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra.—1 Korintianina 14:33, 40; 1 Jaona 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 13]

Izaho sy Renato rahalahiko, 1950

[Sary, pejy 13]

Namonjy fety niaraka tamin’ny miaramila avy any Chine sy avy any an-tany hafa