Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zohy Mahavery any Odessa

Zohy Mahavery any Odessa

Zohy Mahavery any Odessa

VAO nohavaozina sy nolalorina ny trano iray, nefa nisy triatra be sahady. Nimenomenona ny tompony hoe: “Ny zohy ao ambany ao indray izao no mahatonga an’io!”

Feno zohy tokoa ao ambanin’i Odessa, tanàna tsara tarehy any Ukraine, any amoron’ny Ranomasina Mainty. Na misy rano vaky any, na misy lalana mihotsaka, na zavatra hafa simba, dia lazaina foana fa avy amin’ireo zohy ireo. Mifampidipiditra be izy ireo ary voalaza fa mirefy 2 500 kilaometatra. Izy ireo angamba no zohy lehibe indrindra eto an-tany.

Lasa saina izahay hoe: ‘Ahoana no nampisy ireo zohy ireo? Mbola ilaina ve izy ireo ankehitriny?’ Nandeha nijery azy ireo izahay mba hahalalana izany.

Nankany ambanin’ny tany

Niainga teo amin’ny garan’ny lamasinina tao Odessa ny bisy nitondra anay. Nisy mpianatra sy mpanao vakansy niaraka taminay. Teny an-dalana, dia nohazavain’ilay mpitarika anay ny tantaran’ireo zohy.

Tamin’ny taona 1830 tany ho any, hono, no nanomboka nolavahana ireo zohy ireo. Nihanandroso ilay tanàna tamin’izany. Nanorina trano ny olona ka nila fitaovana mora alaina sady tsy lafo. Nahita vahaolana tsotra izy ireo. Feno vatosokay mavo tao ambanin’ny tany, ka ireo no nalainy satria mafy sady maivana. Nandeha be àry ny fitrandrahana vatosokay. Nanjary toy ny tionelina izay toerana avy nakana azy ireny, ka lasa zohy tatỳ aoriana.

Tsy ela dia feno zohy tao ambanin’ilay tanàna. Misy any amin’ny 35 metatra ambanin’ny tany, ary misy atỳ ambony kokoa. Mifanapaka ny sasany amin’izy ireny. Nandavaka tany an-toeran-kafa indray ny olona rehefa tsy nisy vatosokay intsony tao amin’ny lavaka iray. Nitatra hatrany ambanivohitra izany, rehefa nandeha ny fotoana.

Tonga tao Nerubaiske, tanàna kely any avaratr’i Odessa, ny bisy nandehananay, avy eo. Nankao amin’ny zohy iray izahay. Nisy tamboho vatosokay sy vavahady vy lehibe teo ivelany. Hoy ilay mpitarika anay: “Zohy nipetrahan’ny mpanohana ny fitondrana sovietika tamin’ny Ady Lehibe II ity idirantsika ity. Ho hitanareo hoe nanao ahoana ny fiainan’izy ireo tamin’izany.” Nisy tamin’izy ireo nipetraka tao herintaona sy iray volana, araka ny tenin’i Andriy Krasnozhon, manam-pahaizana momba ny zohy.

Hoy ihany ilay mpitarika: “Nisy olon-kafa maro niafina koa tato indraindray, saingy samy hafa ny toerana nipetrahany. Teo, ohatra, ny mpangalatra sy jiolahin-tsambo ary mpanao politika. Nitovy daholo ny zavatra niainan’izy ireo tato.”

Nitsofoka tamin’ny lalantsara iray izahay. Nihamaizina ilay izy arakaraka ny nandrosoanay. Hoy ilay mpitarika: ‘Tsy toeram-piafenana fotsiny ity zohy niafenan’ny mpanohana ny Sovietika ity. Nataon’izy ireo izay hahatonga azy ity hahatamana. Nasiany efitra filalaovana, ohatra, tato. Tao ny lehilahy no nanao daomy na zavatra hafa. Labozia no natao jiro. Nisy rindrina nolavahana koa mba hanaovana efitra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Nolavahana avy eo ny rindrin’ilay efitra, mba hatao fandriana, ary mololo no natao kidoro. Nisy hopitaly koa tato. Nasiana fandriana sy toeram-pandidiana ilay izy. Afo kitay no nandrahoana sakafo, ary navoaka tao amin’ny zohy hafa tao ambony ny setroka.’

Hoatran’ny spaonjy ny valindrihan’ilay zohy, saingy mafy rehefa tsapaina. Feno dian-tsofa ny rindrina ary narokoroko be. Tsofa mantsy no nanapahana ireo vato. Hoy ilay mpitarika: “Nisolo akanjo ireo mpanohana ny Sovietika, rehefa nivoaka tany ivelany, mba tsy ho ren’ny Alemà ny fofony. Manaraka ny akanjo mantsy ny fofona bobongolo ato amin’ity zohy ity.”

Hoy ihany izy: “Maizina tanteraka koa ny atỳ ambanin’ny tany.” Nopihiny ny jiro taorian’izay, ka tsy nisy na inona na inona hita. Niteny izy avy eo hoe: “Nanana jiro solitany ry zareo, nefa tsy afaka nandrehitra izany indraindray.” Raha mbola nitsapatsapa nanaraka ny rindrina izahay, dia nilaza izy hoe: “Tsy manako ny feo ato, ka raha very ianao, dia tsy hisy hahare ny antsoantsonao.” Soa ihany fa nampirehetiny indray ny jiro!

Nanazava ilay mpitarika fa “nisolo isaky ny adiny roa ny mpiambina an’ilay zohy. Lasa toy ny mahare feo hafahafa mantsy ianao rehefa mijanona ela loatra ao amin’ny toerana mangina be sady maizina.” Hitanay fa nisy tionelina iray nanapaka teo amboninay. Lasa ny saiko hoe: ‘Avy aiza iny, ary mankaiza?’ Te hanaraka an’ilay tionelina aho. Hoy ilay mpitarika: “Vao 1 700 kilaometatra monja ny zohy fantatra tsara. Mbola betsaka àry ny asa mila atao.”

Nahita zohy hafa ny mpikaroka vao haingana. Nisy gazety efa zato taona tao, ary nahitana jiro solitany sy vola talohan’ny taona 1917. Tsy nisy nampiasa intsony ireo zavatra ireo, rehefa lasa ny olona nipetraka tao amin’ireo zohy lehibe sy lalina ary maizina any Odessa.—Lahatsoratra nisy nanome.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

TRANO MIAVAKA

Mbola misy trano tsara tarehy vita tamin’ireo vatosokay mavo nalaina tany ambanin’ny tany, any Odessa. Misy varavarana mankao amin’ireo zohy ny trano sasany. Mbola manorina trano amin’ny vatosokay ny olona any hatramin’izao.

[Sary, pejy 24, 25]

Fandriana nampiasain’ny Sovietika tao amin’ilay hopitaly ambanin’ny tany, tamin’ny Ady Lehibe II

[Sary, pejy 24, 25]

Voalaza fa mirefy 2 500 kilaometatra ireo zohy any Odessa