Bokin’ireo Maritiora Nosoratan’i Jean Crespin
Bokin’ireo Maritiora Nosoratan’i Jean Crespin
NISY lehilahy 14 nolazaina fa nivadi-pinoana ka nomelohina hodorana velona tao Meaux, any Frantsa, tamin’ny 1546. Fa inona ny ratsy vitany? Niara-nivory izy ireo, nivavaka, nihira salamo, nankalaza ny Fanasan’ny Tompo, ary nilaza fa tsy hanaiky ny “fanompoan-tsampin’ny papa” mihitsy.
Nila ady tamin’izy ireo i François Picard, mpampianatra ao amin’ny Katolika, tamin’ilay andro hamonoana azy ireo, ka nanontany izay inoan’izy ireo momba ny Fanasan’ny Tompo. Namaly izy ireo ka notoheriny ilay fampianaran’ny Katolika momba ny fiovan’ny mofo sy divay ho vatana sy ran’i Kristy. Hoy izy ireo: ‘Hoatran’ny hena tokoa ve ny tsiron’ilay mofo? Ary hoatran’ny ra ve ilay divay?’
Tsy nisy nahavaly azy ireo, nefa mbola nahantona tamin’ny hazo sy nodorana velona ihany izy ireo. Nihira salamo ireo tsy notapahin-dela. Niezaka nihira mafy be ny pretra nanodidina an’ilay nandoroana azy ireo, mba tsy handrenesana ny hiran’izy ireo. Nambaran’i Picard teo amin’io toerana io, ny ampitson’iny, fa voaheloka mandrakizay ho any amin’ny afobe izy 14 lahy.
Tany Eoropa dia nampidi-doza ny nanohitra an’ireo fivavahana, tamin’ny taonjato faha-16. Maro tamin’ireo nanohitra ny fampianaran’ny fivavahana no nampijalijalina. Anisan’ny niresaka momba izany ny bokin’i Jean Crespin, navoaka tany Genève, Soisa, tamin’ny 1554, hoe Le Livre des martyrs (Bokin’ireo Maritiora). Fantatra amin’ny hoe Histoire des martyrs koa izy io. *
Mpahay lalàna nanampy tamin’ny Fanavaozana Protestanta
Teraka tany Arras, any amin’ny faritra avaratr’i Frantsa ankehitriny, i Crespin, tamin’ny 1520. Nianatra lalàna tany Louvain, Belzika izy. Mety ho tany no nahafantarany ny momba ny Fanavaozana. Lasa mpitan-tsoratry ny mpahay lalàna nalaza iray izy, ka nifindra tany Paris tamin’ny 1541. Tokotokony ho tamin’izay koa no nahitany ny nandoroana an’i Claude Le Painctre teo amin’ny Place Maubert, Paris. Meloka ho nivadi-pinoana izy io. Tena nampiaiky an’i Crespin ny finoan’io tanora mpanefy volamena io, izay nomelohina satria “nanambara ny marina tamin’ny ray aman-dreniny sy ny namany”, araka ny ilazan’i Crespin azy.
Lasa mpahay lalàna tao Arras i Crespin. Nomelohina ho nivadi-pinoana anefa izy, tsy ela taorian’izay, noho ny zavatra ninoany. Tsy te hiakatra fitsarana izy ka nandositra tany Strasbourg, Frantsa, ary nipetraka tany Genève, Soisa, tatỳ aoriana. Afaka niaraka tamin’ireo nanohana ny Fanavaozana izy tany. Nialany ny asany ary lasa mpanao pirinty izy.
Nataon’i Crespin pirinty ny maro amin’ireo boky ara-pivavahana nosoratan’ireo Mpitondra
Fanavaozana, toa an’i Jean Calvin, Martin Luther, John Knox, ary Théodore de Bèze. Nataony pirinty koa ny ampahany amin’ny Baiboly nosoratana tamin’ny teny grika, antsoina matetika hoe Testamenta Vaovao, sy ny Baiboly manontolo na ny ampahany, amin’ny teny anglisy, espaniola, frantsay, italianina, ary latinina. Ilay Bokin’ireo Maritiora nosoratany anefa no tena nampahalaza azy. Tanisainy ao ireo novonoina teo anelanelan’ny 1415 sy 1554, noho izy ireo meloka ho nivadi-pinoana.Nahoana no noraketina an-tsoratra?
Mampiharihary ny habibian’ireo mpitondra fivavahana katolika ny ankamaroan’ny asa soratr’ireo mpitondra fanavaozana. Nampahery ny olona ireny boky ireny satria naseho tao fa nijaly toy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny sy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireo maritiora protestanta “mahery fo.” Nanoratra boky ahitana ny lisitr’ireo maty noho ny finoany i Crespin, mba hanomezana modely hotahafin’ireo Protestanta. *
Inona no hita ao amin’ilay bokin’i Crespin? Fitantarana momba ny fitsarana, fakana am-bavany amin-kabibiana, tantaran’ireo nanatri-maso, ary fijoroana ho vavolombelona nosoratan’ireo voaheloka tamin’izy ireo nigadra. Hita tao koa ny taratasy nampaherezana an’ireo gadra, ary feno teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly ny sasany taminy. Nilaza i Crespin fa “mendrika ny hotsarovana mandrakizay” ny finoan’izy ireny.
Ny loha hevitra nampiady ny Katolika sy Protestanta no tena noresahin’i Crespin tao amin’ilay boky, rehefa niresaka momba ny foto-pinoan’ny fivavahana izy. Anisan’izany, ohatra, ny momba ny fampiasana sary amin’ny fivavahana, ny afofandiovana, ary ny vavaka ho an’ny maty. Teo koa ny hoe naverimberina nandritra ny Lamesa ve ny soron’i Jesosy, ary solontenan’Andriamanitra ve ny papa.
Porofoin’ny Bokin’ireo Maritiora fa tena niady sy tsy nifandefitra mihitsy ireo mpivavaka tamin’izany. Marina fa ny nanenjehan’ny Katolika an’ireo Protestanta no tena noresahin’i Crespin. Tokony hotadidina koa anefa fa nanenjika tamin-kabibiana an’ireo Katolika ny Protestanta indraindray.
Efa hatramin’izay ny fivavahan-diso no feno “ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany.” Azo antoka fa miantsoantso mba hamaliana ny rany ireo eken’Andriamanitra ho maritiorany tsy nivadika. (Apokalypsy 6:9, 10; 18:24) Azo inoana fa tena nitady ny fahamarinana ny sasany tamin’ireo nijaly sy maty noho ny finoany, tamin’ny andron’i Jean Crespin.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Nadika tamin’ny fiteny hafa koa io boky io. Nohavaozina na nohalehibeazina izy io sady nomena lohateny hafa na novana ny tao anatiny, ary natonta fony fahavelon’i Crespin. Ny hafa kosa natonta taorian’ny nahafatesany.
^ feh. 11 Nisy boky roa toa an’io koa navoaka tamin’ny 1554, ny iray amin’ny teny alemà, nataon’i Ludwig Rabus, ary ny iray amin’ny teny latinina, nataon’i John Foxe. Tamin’io taona io no namoahan’i Crespin ny Bokin’ireo Maritiora.
[Sary, pejy 12]
Fonon’ny Bokin’ireo Maritiora, nosoratan’i Crespin (Fanontana tamin’ny 1564)
[Sary, pejy 13]
Protestanta novonoina teo anatrehan’i Henri II, mpanjaka frantsay, sy ny mpitsara
[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]
Sary eo amin’ireo pejy roa: © Société de l’Histoire du Protestantisme Français, Paris