Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Lalina Be Nefa Tsotra’

‘Lalina Be Nefa Tsotra’

‘Lalina Be Nefa Tsotra’

● Izany no nolazain’ny lehilahy iray any Nebraska, any Etazonia, momba ny boky iray vao avy novakiny. Hoy izy: “Tsy manambady aho ary 56 taona. Vao avy namaky an’ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho. Mahagaga ahy hoe lalina be ny hevitra ao anatiny nefa tsotra ny teny ampiasaina ao sady nosoratana tamim-pitiavana.” Hoy ihany izy: “Faran’izay tsara ireo sary. Raha nanan-janaka aho na nanan-jafikely, dia ho niaraka tamin’izy ireo namaky an’ilay boky sady nijery an’ireo sary.”

Hoy koa ny vehivavy iray any Géorgie, any Etazonia, momba an’io boky io: “Enin-taona i Avery, zana-drahavaviko, ary T1. Nentiny tany am-pianarana ilay boky. Gaga be ny mpampianatra nahita an’i Avery nitantara tantara iray tamin’ireo iray kilasy taminy, ka nasainy namaky tantara iray isan’andro izy.” Hoy ihany ilay vehivavy: “Afaka nitory tamin’ny mpampianatra sy mpiara-mianatra taminy izy.”

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io ary feno sary tsara tarehy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary, pejy 32]

Nahoana no tena namana ilay Samaritanina?