Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana no ‘Manafaka Antsika ny Marina’?

Nahoana no ‘Manafaka Antsika ny Marina’?

AN-TAPITRISANY no mihevitra ny tenany ho olona afaka, nefa tsy izany akory no izy. Maro, ohatra, no andevozin’ny finoanoam-poana. Ny hafa kosa matahotra ny maty ka mandany vola be mba hanaovan-javatra hampitonena ny maty. Misy koa tsy mahalala an’izay mitranga amin’ny maty ka matahotra loatra ny ho faty. Sady miasa saina, no mitaintaina, no lany vola be ny olona toy izany. Azo afahana amin’izany ve izy ireo? Eny. Ny marina no manafaka, araka ny tenin’i Jesosy Kristy etsy amin’ny lohateny. Ny marina momba ny inona anefa?

Mazava ny valiny nomen’i Jesosy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia ... ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Ao amin’ny Baiboly ny ‘tenin’i Jesosy’, izany hoe ny fampianarany.

Ny fanafahana amin’ny ota sy fahafatesana no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny an’izany izy. Raha mahalala ny marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa anefa ianao, dia ho afaka amin’ny finoanoam-poana, tahotra ny maty, tahotra mafy ny ho faty, ary ny zavatra hafa.

1. Afaka amin’ny finoanoam-poana. Maro no mino fa maharatsy vintana ny tarehimarika na zavatra sasany. Ny hafa indray tsy mandray fanapahan-kevitra lehibe raha tsy manontany mpanandro mahay, na mijery tononandro, na manatona mpamoha angatra.

Manafaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly: Lasa ninonino foana ny sasany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, ary nisy aza nanompo ny “andriamanitry ny Vintana” sy ny “andriamanitry ny Lahatra.” Ahoana no fahitan’i Jehovah Andriamanitra an’izany? Hoy izy: “Nanao izay ratsy teo imasoko foana ianareo.” (Isaia 65:11, 12) Izany koa no tsapany amin’ny olona manatona mpamoha angatra. ‘Maharikoriko an’i Jehovah ny olona mankany amin’ny mpamoha angatra.’—Deoteronomia 18:11, 12.

Manimba ny finoanoam-poana sy ny fanatonana mpamoha angatra satria “teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Nantsoin’i Jesosy hoe “rain’ny lainga” ny Devoly. (Jaona 8:44) Ianao ve dia haka tari-dalana any amin’ny mpandainga rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? Hendry ianao raha tsy manao zavatra misy ifandraisany amin’ilay “rain’ny lainga.”

Hahay hanapa-kevitra ianao raha mahalala tsara ny toro lalan’ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Hoy ny Ohabolana 2:6: “I Jehovah no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka.”

2. Afaka amin’ny tahotra ny maty. Maro no mino fa manan-kery eo amin’ny velona ny razana efa maty, ka tsy maintsy ampitonena amin’ny sorona isan-karazany mba tsy ho tezitra. Misy midi-trosa be àry mba hanaovana sorona sy fombafomba andaniam-bola be.

Manafaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly: Lazain’ny Baiboly hoe manao ahoana marina ny maty. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa ‘matory’ ny maty. (Jaona 11:11, 14) Inona no tiany holazaina? Hoy ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” Toy ny olona matory be tsy mahalala na inona na inona ny maty. Tsy misy intsony fotsiny izy ireo ka sady tsy afaka manisy ratsy no tsy afaka manao soa.

Misy anefa milaza hoe efa niresaka tamin’ny maty. Iza àry no tena niresaka taminy? Lazain’ny Baiboly fa nisy anjely maro nikomy tamin’Andriamanitra, taorian’ny namoronana ny olombelona. (2 Petera 2:4) Demonia no iantsoana azy ireny. Miezaka mamitaka ny olombelona izy ireo. (1 Timoty 4:1) Mody miseho ho olona efa maty, ohatra, izy ireo mba hampielezana an’ilay lainga hoe mbola velona any ho any ny maty na manana vatana hafa.

3. Afaka amin’ny tahotra mafy ny ho faty. Marina ny lazain’ny Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Ara-dalàna raha matahotra ny ho faty isika sady tsy te ho faty. Tsy tokony hatahotra loatra anefa isika.

Manafaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly: Tsy ny marina momba ny maty ihany no lazain’ny Baiboly, fa resahiny koa hoe mikasa hanangana ny maty Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feoko], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

Ho hoatran’ny ahoana ny vatan’izy ireo rehefa “hivoaka” avy ao am-pasana? Diniho izay nitranga, rehefa nanangana olona maromaro tamin’ny maty i Jesosy. Vatan’olombelona ihany ny vatan’izy ireo rehefa nitsangana izy ireo. (Marka 5:35-42; Lioka 7:11-17; Jaona 11:43, 44) Hoy koa Andriamanitra tamin’i Daniela, mpanompony efa be taona: “Hiala sasatra [na hatory ao amin’ny fahafatesana] ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” (Daniela 12:13) Tsy maintsy ho nampahery an’i Daniela ireo teny ireo, ka nilamina ny sainy ary tsy natahotra ny ho faty izy.

Anisan’ny nanirahana an’i Jesosy ny “hitory fanafahana amin’ny babo”, izany hoe ireo andevozin’ny fampianaran-diso. (Lioka 4:18) Manafaka olona hatramin’izao ny fampianarany satria mbola hita ao amin’ny Baiboly. Enga anie ka hanafaka anao koa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Nahoana ny Baiboly no manafaka antsika amin’ny

● finoanoam-poana?—Isaia 8:19, 20; 65:11, 12.

● tahotra ny maty?—Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11, 14.

● tahotra ny ho faty?—Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Manafaka ny olona amin’ny finoanoam-poana sy ny tahotra ny maty ary ny tahotra mafy ny ho faty ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly