Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 Nisy Namorona Ve?

Ny Atidohan’ilay Biby Mpikiky any Amin’ny Tendrontany Avaratra

Ny Atidohan’ilay Biby Mpikiky any Amin’ny Tendrontany Avaratra

REHEFA manomboka matory ireo biby mpatory amin’ny ririnina, dia mihamangatsiaka ny vatany. Mety hahatratra firy degre izany? Nisy biby mpikiky (écureuil) nanaovana fanandramana, ka hita fa tafidina 2,9 degre ambanin’ny zero ny mari-panan’ny vatany. Tokony hivaingana ny atidohany amin’izany mari-pana izany. Nahoana anefa izy ireo no tsy maty?

Diniho izao: Mikofokofoka kely isaky ny roa na telo herinandro io biby io, mandritra ilay fotoana atoriany. Miverina ho ara-dalàna ny hafanany amin’izay, izany hoe 36,4 degre. Afaka 12 ka hatramin’ny 15 ora indray izy vao mihamangatsiaka. Milaza ny mpikaroka fa iny fotoana fohy ikofokofohany iny no tsy mampivaingana ny atidohany. Tsy izay ihany fa toa mafana kokoa noho ny vatany ny lohany, mandritra an’ilay fotoana atoriany. Tsy nidina ho ambanin’ny 0,7 degre mihitsy ny hafanan’ny hatok’ireo biby nanaovana fanandramana.

Miasa ara-dalàna indray ny atidohan’ilay biby, adiny roa eo ho eo, aorian’ny hifohazany. Mihatsara aza ny fiasan’ny atidohany aorian’ilay fotoana ela atoriany, araka ny fandinihana iray natao. Nahagaga ny manam-pahaizana izany, ka nolazainy fa toy ny zavamaniry mitsimoka mandritra ny doro tanety.

Mino ny mpikaroka fa hanampy azy ireo hahalala bebe kokoa momba ny atidohan’olombelona ny fandinihany ny atidohan’io biby io. Inona no tanjon’izy ireo? Ny hahalala bebe kokoa ny fomba hisakanana ny selan’ny atidoha tsy ho simba na ny hahatonga azy ireo hihavao indray, rehefa misy aretina mahazo ny atidoha, ohatra hoe aretin’i Alzheimer.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny atidohan’ilay biby mpikiky, sa nisy namorona?