MIFOHAZA! Janoary 2014 | Ilay Tranonkala ho An’ny Olon-drehetra!
Tianao hifankatia kokoa ve ny fianakavianao? Te hahay Baiboly ve ianao? Tanora ve ianao ka mila torohevitra? Natao ho an’ny rehetra ny tranonkalanay.
MATOAN-DAHATSORATRA
Ilay Tranonkala ho An’ny Olon-drehetra!
Mikaroha ao amin’ny tranonkalanay, dia hahita torohevitra ara-baiboly tena tsara ianao, ho anao sy ny fianakavianao.
Topy Maso Eran-tany
Loha hevitra: Zon’ny ankizy any atsimon’i Sahara, tanora matahotra fampijaliana amin’ny Internet any Italia, Japoney tsy manaiky fisondrotana amin’ny asa.
FANADINADINANA
Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Zavamananaina
Lasa tsy nino ny evolisiona intsony i Feng-Ling Yang, mpahay siansa. Anisan’ny nampiaiky azy ny tsipiriany vao hitan’ny mpikaroka, tao amin’ny sela. Nahoana?
HO AN’NY FIANAKAVIANA
Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?
Na ny ankizy hendry aza mety ho lasa haditra, rehefa voataonan’ny namany. Ahoana no fomba hialanao amin’izany?
FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Famoronana
Milaza ny Baiboly fa enina “andro” ny famoronana. Naharitra 24 ora avy ve ireo andro ireo?
TANY SY MPONINA
Fitsidihana An’i Italia
Misy toerana tsara tarehy sy manan-tantara any Italia. Sariaka be ny mponina any. Fantaro ny momba an’io tany io sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any.
NISY NAMORONA VE?
Ny Ditin’ny Hala
Miraikitra be indraindray ny fandrika ataon’ny hala. Mora miendaka koa anefa izy io amin’ny fotoana hafa. Ahoana no hahavitany izany? Ary nahoana?