Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO NAMPISY NY FIAINANA?

Diniho ny Valiny Omen’ny Baiboly

Diniho ny Valiny Omen’ny Baiboly

OLONA maro no manatsoaka hevitra hoe nisy namorona ny fiainana ary tena manan-tsaina ilay nanao azy, rehefa avy nandinika porofo izy ireo. Iray amin’izany i Antony Flew, mpampianatra filozofia. Tena tsy nino an’Andriamanitra izy taloha, kanefa niova hevitra rehefa nandalina momba ny lalàna fizika eo amin’izao rehetra izao sy ireo zava-mahagaga eto an-tany. Nampiasa fomba fitenin’ny filozofa izy, ka nanoratra hoe: “Tsy maintsy manaiky isika rehefa izay no asehon’ny porofo.” Araka ny hevitry ny Profesora Flew, dia ahariharin’ny porofo hoe misy ny Mpamorona.

Nanatsoaka hevitra hoatr’izany koa i Gerard Hertel, ilay voaresaka tany aloha. Manam-pahaizana be izy nefa niteny hoe: “Tsy nahita porofo mihitsy aho hoe nipoitra ho azy avy amin’ny zavatra tsy misy aina ny zavamananaina. Be tsipiriany be ny zavamananaina nefa milamina tsara daholo, ka resy lahatra aho fa tsy maintsy nisy Mpamorona sy Mpandrindra izy ireny.”

Hita amin’ny hoso-doko nataony ny mampiavaka ny mpanakanto iray. Nandinika ny natiora koa i Gerard, dia hitany ny toetra mampiavaka ny Mpamorona. Nanokana fotoana ihany koa izy mba hianarana Baiboly, izay boky avy amin’ny Mpamorona. (2 Timoty 3:16) Nahita fanazavana mandresy lahatra izy tao momba ny tantaran’ny olombelona. Hitany tao koa ny vahaolana ho an’ireo zava-manahirana ny olona ankehitriny. Resy lahatra àry izy fa hendry lavitra noho ny olona ilay nampanoratra ny Baiboly.

Hitan’i Gerard fa tena tokony hodinihina ny valiny omen’ny Baiboly, amin’ireo fanontaniana roa momba ny niandohan’ny fiainana. Mampirisika anao izahay mba handinika an’izany koa.