Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba ny Tontolo Iainana

Maresaka Momba ny Tontolo Iainana

Mamokatra sakafo mahavelona sy rano madio ary rivotra madio ny tany. Tsy mitsahatra manimba an’izany anefa ny olombelona. Manao izay ho afany ny mpahay siansa mba hamerenana an’izany amin’ny laoniny.

Aostralia

Milaza i Vincent Post, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Flinders any Adélaïde, fa “tsy ambony be hoatran’ny amin’izao ny haabon’ny ranomasina taloha”, ka lavitra be ny moron-dranomasina. Nisy ranonorana “nitsika tany amin’ny faritra maro, tamin’izy ireo mbola tsy rakotra ranomasina.” Tombanana ho 500 000 kilaometatra toratelo eo ho eo izao ny rano tsy dia masira any ambanin’ny fanambanin’ny ranomasina. Manantena ny mpahay siansa fa olona 700 tapitrisa mahery no mety handray soa avy amin’izany.

Efitr’i Sahara

Ny antsasany amin’ny karazam-biby tena fahita tany Sahara no lany tamingana, na zara raha mahita toerana honenana. Tena tsy milamina mantsy iny faritra iny, moa ny mpihaza koa manao ny ataony. Milaza ny mpikaroka fa “tsy dia voara-maso loatra ireo biby sy zavamaniry any an-tany efitra, satria tsy ampy ny ho enti-manana.” Tsy arak’ireo olona mpiaro ny tontolo iainana intsony àry hoe inona avy ny biby sy zavamaniry mitady ho lany tamingana. Betsaka hoatran’ny any anaty ala ihany anefa ny biby any amin’ireny tany efitra ireny.

Maneran-tany

Voalaza fa olona 1 ao anatin’ny 8 no maty tamin’ny 2012, noho ny rivotra maloto. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “ny rivotra maloto izao no tena atahorana hahafaty ny olona.”