Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HIATREHANAO NY OLANA MAHAZO ANAO?

Olana: Tsy Azo Ovana ny Zava-misy

Olana: Tsy Azo Ovana ny Zava-misy

MANANA aretina mitaiza ve ianao, sa nisaraka ianareo mivady, sa maty ny olona akaikin’ny fonao? Rehefa sendra an’izany ianao, dia hoatran’ny tianao hiova tampoka ny fiainanao, satria toa tsy misy azonao atao. Ahoana no hiatrehana an’izany?

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: PAOLY

Mpitory be zotom-po ny apostoly Paoly, ka nitety tanàna maro. Niova tampoka anefa ny fiainany. Nosamborina tsy ara-drariny mantsy izy, ary nambenan’ny miaramila tao amin’ny trano iray nandritra ny roa taona. Tsy nilavo lefona anefa izy, fa nifantoka tamin’izay azony natao. Nampahery an’ireo olona namangy azy izy, sady nanampy azy ireo hanam-pinoana. Nanoratra taratasy maro koa izy, ary ao amin’ny Baiboly izy ireny izao.—Asan’ny Apostoly 28:30, 31.

INONA NO NATAON’I ANJA?

Hitantsika teo aloha fa tsy afaka mivoaka ny trano intsony i Anja. Hoy izy: “Niova be ny fiainako rehefa voan’ny kansera aho. Mitandrina be aho mba tsy harary, ka lasa tsy afaka miasa na mifanerasera be amin’ny olona intsony.” Ahoana no niatrehany an’izany? Hoy izy: “Tsy maintsy nanao fanovana aho. Izay tena zava-dehibe no ataoko voalohany. Ataoko ao an-tsaina hoe voafetra ny zavatra vitako, ary ampifanarahiko amin’izany ny fandaharam-potoanako. Afa-po aho rehefa manao an’izany.”

“Efa nianatra ny hianina aho na inona na inona toe-javatra misy ahy.”​—Tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:11

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha misy zavatra tsy azonao ovana eo amin’ny fiainanao, dia izao atao:

  • Mifantoha amin’izay azonao atao. Raha manana aretina mitaiza, ohatra, ianao, dia mety hahasoa anao ny manao fanatanjahan-tena, na mihinana sakafo mahasalama, na miala sasatra tsara.

  • Ataovy mazava tsara ny tanjonao. Zarazarao ho dingana maromaro ilay izy, ary manokàna fotoana kely isan’andro mba hanatratraranao azy.

  • Manaova raharaha, na dia ny tsotra indrindra aza. Ho afa-po ianao amin’izay. Azo atao, ohatra, ny manadio latabatra na manasa vilia. Ataovy madio sy milamina ny akanjonao. Izay tena zava-dehibe atao voalohany isaky ny maraina.

  • Jereo fa mety hisy hahatsara azy ihany ilay zavatra mahazo anao. Manampy anao hahita fomba tsara kokoa hiatrehana olana ve ilay izy? Mety ho azonao anampiana ny hafa izany.

Fehiny: Mety tsy ho afaka hanova ny olana mahazo anao ianao. Azonao atao anefa ny miatrika tsara azy ireny.