Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 31

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

Inona no Nataon’i Jehovah mba Hamonjena ny Olombelona Mpanota?

Inona no Nataon’i Jehovah mba Hamonjena ny Olombelona Mpanota?

“Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana.”​—JAONA 3:16.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hiady amin’ny ota? Ary inona no nataony mba hahafahantsika hiaina mandrakizay sy ho afaka amin’ny ota?

1-2. a) Inona no atao hoe ota, ary ahoana no handresentsika azy io? (Jereo koa ny “Fanazavana.”) b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity gazety ity? (Jereo koa ilay hoe “Ho An’ny Mpamaky.”)

 TIANAO ho fantatra ve hoe hatraiza ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra anao? Ianaro àry hoe inona no nataony mba hamonjena anao amin’ny ota sy ny fahafatesana. Fahavalo lozabe ny ota a ary tsy vitanao irery ny miady aminy. Manota isika isan’andro, ary maty isika satria mpanota. (Rom. 5:12) Misy antenaina ihany anefa. Ho afaka handresy ny ota isika raha ampian’i Jehovah, ary tena azo antoka hoe handresy isika!

2 Efa 6 000 taona teo ho eo izay i Jehovah Andriamanitra no nanampy ny olombelona hiady tamin’ny ota. Fa maninona? Satria tia antsika izy. Vao namorona ny olombelona izy dia efa tiany ry zareo. Izany no mahatonga azy hiezaka be hanampy azy ireo hiady amin’ny ota. Fantatr’Andriamanitra hoe maty izay olona manota. Tsy tiany ho faty anefa isika fa tiany hiaina mandrakizay. (Rom. 6:23) Izany no faniriany ho anao! Hovaliantsika ato ireto: 1) Inona no fanantenana nomen’i Jehovah ny olombelona mpanota? 2) Ahoana taloha no nataon’ny olona mpanota mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah? 3) Inona no nataon’i Jesosy mba hamonjena ny olombelona mpanota?

INONA NO FANANTENANA NOMEN’I JEHOVAH NY OLOMBELONA MPANOTA?

3. Ahoana no nahatonga ny ray aman-drenintsika voalohany ho lasa mpanota?

3 Tian’i Jehovah ho sambatra ilay lehilahy sy vehivavy voalohany noforoniny. Nomeny fonenana tsara tarehy ry zareo, tokantrano, ary asa mahafinaritra. Nasainy niteraka izy mivady dia hameno ny tany, ary hanova ny tany manontolo ho paradisa hoatran’ny zaridainan’i Edena. Zavatra iray ihany no nandrarany azy ireo. Nampitandremany ry zareo hoe raha tsy mankatò an’io didy io ka manao fanahy iniana manota sy mikomy aminy dia ho faty. Efa haintsika hoe inona no nitranga. Nisy anjely tsy tia an’Andriamanitra sy tsy tia azy mivady niditra an-tsehatra dia nitaona azy ireo hanota. Dia iny tokoa i Adama sy Eva fa nanaiky! Tsy natoky an’ilay Rainy be fitiavana ry zareo dia nanota. Tanteraka ny tenin’i Jehovah. Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny nataony i Adama sy Eva nanomboka teo ka nihantitra ary maty tamin’ny farany.​—Gen. 1:28, 29; 2:8, 9, 16-18; 3:1-6, 17-19, 24; 5:5.

4. Nahoana i Jehovah no tsy tia maizina ny ota? (Romanina 8:20, 21)

4 Nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly io tantara mampalahelo io mba hahasoa antsika. Manampy antsika hahazo izy io hoe maninona no tsy tiany maizina ny ota. Mampisaraka antsika amin’ilay Raintsika ny ota ary mahatonga antsika ho faty. (Isaia 59:2) Izany no mahatonga an’i Satana, ilay fototry ny olana rehetra, ho tia ota sy hampirisika ny olona hanota. Nieritreritra angamba io anjely nikomy io hoe nandresy izy tamin’ilay zava-nitranga tao Edena. Tsy takany anefa ny haben’ny fitiavan’i Jehovah. Tsy novan’Andriamanitra mihitsy ny fikasany ho an’ny taranak’i Adama sy Eva. Tonga izy dia nanome fanantenana ny olombelona rehetra satria tiany ry zareo. (Vakio ny Romanina 8:20, 21.) Fantatr’i Jehovah hoe hisy amin’ny taranak’izy mivady hifidy ny ho tia azy sy hitady ny fanampiany mba hiadiana amin’ny ota. Izy no Rain-dry zareo sy Mpamorona azy, dia nitady hevitra izy mba ho afaka amin’ny ota sy hifandray aminy ry zareo. Ahoana no nataon’i Jehovah?

5. Oviana i Jehovah no nanome tsirim-panantenana ny olombelona mpanota? Hazavao. (Genesisy 3:15)

5 Vakio ny Genesisy 3:15. Lasa nisy tsirim-panantenana rehefa namoaka didim-pitsarana momba an’i Satana i Jehovah. Nilaza Andriamanitra fa hisy ‘taranaka’ iray hanavotra ny olombelona. Hanorotoro an’i Satana io taranaka io, ary hanafoana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny nataon’i Satana tao Edena. (1 Jaona 3:8) Hijaly koa anefa io taranaka io. Handratra azy i Satana ka ho faty izy. Tena hampalahelo be an’i Jehovah izao izany. Vonona hijaly anefa izy mianaka mba ho be dia be ny olona ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana.

AHOANA NO NAHAFAHAN’NY OLONA TALOHA NAHAZO SITRAKA TAMIN’I JEHOVAH?

6. Inona no nataon’ny lehilahy nanam-pinoana, hoatran’i Abela sy Noa, mba hifandraisana amin’i Jehovah?

6 Nataon’i Jehovah nazava tsikelikely, tatỳ aoriana, hoe ahoana no hahafahan’ny olombelona mpanota mifandray aminy. I Abela, ilay zanakalahy faharoa an’i Adama sy Eva, no olombelona voalohany nino an’i Jehovah taorian’ilay fikomiana tany Edena. Nanolotra sorona ho an’i Jehovah izy satria tia azy sy te hampifaly azy ary te hifandray aminy. Mpiandry ondry i Abela dia nitondra zanak’ondry vitsivitsy mba hatao sorona ho an’i Jehovah. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’ilay izy? “Nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanatiny.” (Gen. 4:4) Nasehon’i Jehovah koa hoe nankasitrahany ny sorona mitovitovy amin’izany, izay nataon’ireo olona tia sy natoky azy, ohatra hoe i Noa. (Gen. 8:20, 21) Rehefa nankasitraka an’ireny sorona ireny izy dia nasehony hoe afaka ny hahazo sitraka sy hifandray aminy ny olombelona mpanota. b

7. Vonona hanao sorona ny zanany i Abrahama. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Nampanaovin’i Jehovah zavatra sarotra be i Abrahama, lehilahy nanana finoana miavaka. Nasainy nanao sorona an’i Isaka zanany izy. Azo antoka hoe izany no zavatra mafy indrindra nasaina nataony. Vonona hanao an’izany anefa izy. Nosakanan’Andriamanitra izy tamin’ny segondra farany. Inona no zava-dehibe ianaran’ny olona rehetra manam-pinoana avy amin’izany? Hoe vonona hanao sorona an’ilay Zanany malala i Jehovah. Tonga hatramin’izany ny fitiavany ny olombelona.​—Gen. 22:1-18.

8. Inona no asehon’ireo sorona be dia be notakin’ny Lalàna? (Levitikosy 4:27-29; 17:11)

8 Nomena Lalàna ny firenen’Israely, taonjato maro tatỳ aoriana. Notakin’izy io hoe mila manao sorona be dia be ny vahoakan’Andriamanitra mba handrakofana ny fahotany. (Vakio ny Levitikosy 4:27-29; 17:11.) Nasehon’ireny sorona ireny hoe hisy sorona lehibe kokoa hanafaka tanteraka ny olombelona amin’ny ota. Nasain’Andriamanitra nohazavain’ny mpaminaniny hoe tsy maintsy hijaly sy hovonoina ho faty ilay taranaka nampanantenaina. Hita hoe ny Zanak’Andriamanitra tena tiany izy io. Hovonoina hoatran’ny ondry atao sorona izy. (Isaia 53:1-12) Eritrereto ange e! Ataon’i Jehovah mihitsy izay hanaovana sorona ny Zanany malala mba hamonjena ny olombelona, anisan’izany ianao, mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana!

INONA NO NATAON’I JESOSY?

9. Inona no nolazain’i Jaona Mpanao Batisa momba an’i Jesosy? (Hebreo 9:22; 10:1-4, 12)

9 Nahita an’i Jesosy avy any Nazareta i Jaona Mpanao Batisa, tamin’ny taonjato voalohany, dia nilaza hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) I Jesosy àry ilay taranaka efa noresahina hatry ny ela. Izy no hanolotra an’ilay sorona nampanantenaina. Vao mainka azo antoka noho ny hatramin’izay ilay fanantenan’ny olombelona hoe ho resy tanteraka ny ota.​—Vakio ny Hebreo 9:22; 10:1-4, 12.

10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe “tonga hiantso” ny mpanota izy?

10 Ny olona novesaran’ny ota no tena nifantohan’i Jesosy ary nasainy hanara-dia azy izy ireny. Hainy hoe ny ota no tena fototry ny olana mahazo ny olombelona. Ireny olona malaza hoe mpanota ireny àry no tena tiany hampiana. Nampiasa fanoharana izy indray mandeha, dia niteny hoe: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.” Hoy koa izy: “Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.” (Mat. 9:12, 13) Izany mihitsy no nataon’i Jesosy. Tsara fanahy, ohatra, izy dia namela ny heloky ny vehivavy iray nanasa ny tongony tamin’ny ranomasony. (Lioka 7:37-50) Nampianatra fahamarinana lehibe tamin’ny vehivavy samaritanina iray teo am-pantsakana koa izy, na dia fantany aza hoe nijangajanga io vehivavy io. (Jaona 4:7, 17-19, 25, 26) Nanome hery an’i Jesosy mihitsy aza Andriamanitra mba hanafoana ny vokatry ny fahotana, izany hoe ny fahafatesana. Natsangan’i Jesosy tamin’ny maty na lehilahy na vehivavy na ankizy na olon-dehibe.​—Mat. 11:5.

11. Nahoana no tsy nihafahafa tamin’i Jesosy ny mpanota?

11 Tsy mahagaga raha tsy nihafahafa tamin’i Jesosy na dia ny mpanota be aza. Nangoraka sy niombom-pihetseham-po tamin’izy ireo i Jesosy. Nahazo aina àry ry zareo niaraka taminy. (Lioka 15:1, 2) Nidera sy namaly soa ny olona hoatr’ireny i Jesosy satria nino azy ry zareo. (Lioka 19:1-10) Naharihariny tamin’ny olona hoe mamindra fo be ny Rainy. (Jaona 14:9) Nasehon’i Jesosy tamin’izay nataony sy nolazainy fa tia olona ilay Rainy mangoraka sy mamindra fo, sady te hanampy ny olona tsirairay handresy ny ota. Nampian’i Jesosy ny mpanota, amin’izay ry zareo te hiova sy hanara-dia azy.​—Lioka 5:27, 28.

12. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fahafatesany?

12 Efa fantatr’i Jesosy izay niandry azy. Imbetsaka izy no niteny tamin’ny mpanara-dia azy hoe hisy hamadika sy hovonoina eo amin’ny tsato-kazo. (Mat. 17:22; 20:18, 19) Hainy hoe hanala tanteraka ny fahotan’izao tontolo izao ny sorona hataony, araka ny tenin’i Jaona sy ny mpaminany hafa. Nampianarin’i Jesosy koa fa “hitaona ny karazan’olona rehetra hanatona” azy izy, rehefa avy manao sorona ny ainy. (Jaona 12:32) Afaka ny hampifaly an’i Jehovah àry ny olombelona mpanota rehefa manaiky an’i Jesosy ho Tompony sy manara-dia azy. ‘Hafahana amin’ny ota’ ry zareo raha manao an’izany. (Rom. 6:14, 18, 22; Jaona 8:32) Be herim-po àry i Jesosy sady vonona hijaly sy ho faty.​—Jaona 10:17, 18.

13. Ahoana no nahafatesan’i Jesosy, ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany? (Jereo koa ny sary.)

13 Nisy namadika i Jesosy, nosamborina, notevatevaina, nendrikendrehina, nomelohina, ary nampijalijalina mihitsy aza. Nentin’ny miaramila teo amin’ilay toerana famonoana olona izy dia nofantsihan’izy ireo teo amin’ny tsato-kazo. Tsy nivadika i Jesosy niaritra an’izany fanaintainana rehetra izany. Mbola niaritra ny mafy kokoa noho izy anefa i Jehovah Andriamanitra. Nifehy tena tsy hampiasa ny heriny tsy manam-petra izy. Ray be fitiavana i Jehovah dia ahoana no ahavitany an’izany? Raha tsorina dia noho ny fitiavana. Nilaza i Jesosy hoe: “Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.”​—Jaona 3:16.

Tsy ho takatry ny saintsika mihitsy ny fijalian’i Jehovah tamin’izy namela an’ilay Zanany hovonoina ho faty mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana (Fehintsoratra 13)


14. Inona no ianaranao avy amin’ny sorona nataon’i Jesosy?

14 Ny sorona nataon’i Jesosy no porofo lehibe indrindra fa tena tian’i Jehovah ny taranak’i Adama sy Eva. Hita amin’izy io ny haben’ny fitiavan’i Jehovah anao. Namoy zavatra be izy sady vonona hiaritra fijaliana faran’izay mafy mba hanafahana anao amin’ny ota sy ny fahafatesana. (1 Jaona 4:9, 10) Tena te hanampy antsika tsirairay izy mba hahavitantsika hiady amin’ny ota sy handresy!

15. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny handray soa avy amin’ilay sorom-panavotan’i Jesosy?

15 Lasa afaka manantena isika hoe ho voavela ny helotsika noho ilay fanomezan’Andriamanitra, izany hoe ny sorom-panavotan’ilay Zanany lahitokana. Inona anefa no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika havelan’Andriamanitra ny helotsika? Hoy i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy Kristy: “Mibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 3:1, 2; 4:17) Mila mibebaka àry isika raha tena te hahavita hiady amin’ny ota sy hifandray amin’ilay Raintsika be fitiavana. Inona anefa no tafiditra amin’ny hoe mibebaka, ary nahoana izany no manampy antsika hiady amin’ny ota? Mamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

a FANAZAVANA: Ilay teny hoe “ota” ao amin’ny Baiboly dia mety hilazana ny fahadisoantsika, na ny tsy fanarahantsika ny fitsipik’i Jehovah. Mety ho ilay tsy fahalavorariana nolovantsika avy tamin’i Adama koa anefa no atao hoe “ota.” Io ota nolovantsika io no mahatonga antsika rehetra ho faty.

b Ilay sorona hataon’i Jesosy Kristy no nahafahan’i Jehovah nankasitraka ny sorona nataon’ireo olona nanam-pinoana talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Hanafaka tanteraka ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana io sorona io.​—Rom. 3:25.