Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?

Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Miady Saina?

Misy zavatra mitranga ao amin’ny vatanao rehefa miady saina ianao. Manome baiko ny atidohanao, dia lasa misy hormonina be dia be miparitaka eran’ny vatanao. Lasa midobodoboka be ny fonao noho ireny hormonina ireny. Miakatra koa ny tosidranao, misefosefo be ianao, ary mihenjana ny hozatrao. Efa vonona hanao zavatra ny vatanao, na dia mbola tsy hainao tsara aza izay mitranga. Miverina amin’ny laoniny indray ireo rehetra ireo, rehefa tsy miady saina be intsony ianao.

TSY VOATERY HO RATSY FOANA NY ADIN-TSAINA

Miady saina na mitebiteby ianao, rehefa miatrika olana na misy zavatra mety hampidi-doza. Tonga dia vonona hanao zavatra ny vatanao rehefa hoatr’izany, ary ny atidohanao no manao zavatra voalohany. Mety hahasoa anao izany, satria lasa afaka manao zavatra haingana ianao. Mety hanampy anao hanatratra ny tanjonao koa izany, na hanampy anao hahavita zavatra tsara kokoa rehefa manao fanadinana na zavatra hafa.

Misy vokany ratsy anefa ny adin-tsaina raha be loatra, maharitra be, na miverimberina. Mety harary mantsy ianao. Mety hisy vokany amin’ny fihetseham-ponao koa ilay izy, ohatra hoe lasa tezitezitra ianao na malahelohelo. Misy indray lasa manadinodino zavatra, taitaitra, na tsy misaina tsara intsony. Mety hiova koa ny fihetsiny, ohatra hoe ny fomba itondrany ny olon-kafa. Ny sasany indray mety hidoroka zava-mahadomelina na hanao zavatra hafa mankarary, mba hiatrehana an’ilay izy. Mety ho kivy be mihitsy aza izy, tsy te hanao na inona na inona intsony, na mieritreritra ny hamono tena.

Mety tsy hitovy ny vokatry ny adin-tsaina eo amin’ny olona tsirairay. Be dia be anefa ny aretina vokatr’izy io. Saika ny vatana manontolo mihitsy no voakasika rehefa miady saina ny olona iray.