Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikorontana Izao Tontolo Izao: Inona no Hanampy Anao ho Tafavoaka?

Mikorontana Izao Tontolo Izao: Inona no Hanampy Anao ho Tafavoaka?

Vao mainka tsapanao ve hoe misy vokany aminao mihoatra noho ny hatramin’izay ny olana mitranga amin’izao? Iza amin’ireto no fahita any aminareo?

  • ady

  • valanaretina

  • hetraketraky ny natiora

  • fahantrana

  • fanavakavahana

  • heloka bevava

Rehefa misy loza, dia betsaka no kivy sy mamoy fo. Ny hafa indray hoatran’ny hoe donto be ny fihetseham-pony. Raha mitohy anefa izany sady kivy foana izy, dia vao mainka ho ratsy ny vokany.

Rehefa ao anatin’ny sarotra, dia tsy maintsy manao zavatra hentitra ianao mba hiarovana ny fianakavianao sy ny namanao, ny fahasalamanao, ny fanananao, ary ny fahasambaranao.

Marina fa mikorontana izao tontolo izao. Inona anefa no azonao atao mba ho kely araka izay azo atao ny vokatr’izany aminao?