Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 1 2018 | Mbola Mahasoa Antsika ve ny Baiboly?

MBOLA MAHASOA ANTSIKA VE NY BAIBOLY?

Be dia be izao ny fanazavana azontsika satria mandroso be ny teknolojia. Tsy ilaina intsony ve izany ny Baiboly, satria hoe efa tranainy be? Hoy izy io:

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.”—2 Timoty 3:16.

Resahin’ity gazety ity fa afaka mitari-dalana antsika eo amin’ny lafim-piainana rehetra ny Baiboly.

 

Mahasoa Antsika ve ny Tari-dalan’ny Baiboly?

Afaka mahazo fanazavana be dia be izao ny olona. Mbola ilaina àry ve ny Baiboly, nefa izy io aza efa ho 2 000 taona lasa no vita?

Tsy Mety Lany Andro ny Fampianaran’ny Baiboly

Tsy boky efa lany andro ny Baiboly, satria mifanaraka tsara amin’ny zavatra fantatra tatỳ aoriana ny fanazavana ao. Azo ampiharina sy mahasoa kosa ny fampianarany.

Lany Andro sa Lasa Aloha?

Tsy boky ara-tsiansa ny Baiboly. Mety ho gaga anefa ianao, raha mahita ny zavatra resahiny momba ny siansa.

1 Manampy Antsika Hisoroka Olana

Ho hitanao ato fa tena manampy olona tsy hanana fahazaran-dratsy ny torohevitr’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

2 Manampy Antsika Hamaha Olana

Manampy antsika hamaha olana saro-bahana sy mahakivy ny Baiboly. Anisan’izany ny fanahiana tafahoatra, fangatahana andro, ary fahatsiarovana ho manirery.

3 Manampy Antsika Hizaka Olana

Ahoana no atao amin’ireo olana tsy azo sorohina na vahana, toy ny aretina mitaiza sy ny fahoriana?

Manampy Antsika Hanana Hoavy Tsara ny Baiboly

Manampy antsika hiatrika ny olana fahita eto amin’ity tontolo tsy azo antoka ity ny Tenin’Andriamanitra. Tsy izay ihany anefa. Manampy antsika hamantatra ny hoavy koa izy io.

Ahoana ny Hevitrao?

Ho hitanao ato izay lazain’ny olona sy izay lazain’ny Baiboly momba an’izany.