Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Hoy ny Levitikosy 19:16: “Aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao.” Inona no dikan’io didy io ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

Mampirisika ny Israelita mba ho masina i Jehovah. Mba hanampiana azy ireo, dia nilaza izy hoe: “Aza mandehandeha manendrikendrika olona eo amin’ny firenenao. Aza mitsangana handatsaka ny ran’ny namanao. Izaho no Jehovah.”​—Lev. 19:2, 16.

Ilay teny hebreo nadika hoe “mitsangana handatsaka” dia azo adika koa hoe “mitsangana hanohitra.” Fa inona no tiana hotenenina amin’ilay hoe “mitsangana hanohitra”? Araka ny boky jiosy iray manazava ny Levitikosy, dia “midika ara-bakiteny hoe ‘mitsangana eo akaiky’ izy io. Tsy tena mazava anefa ny hevitr’io fomba fiteny hebreo io, ka lasa sarotra ny mandika an’ilay ampahany amin’ilay andinin-teny misy azy.”

Ampifandraisin’ny manam-pahaizana sasany amin’ny andinin-teny eo aloha ireo teny ireo. Izao no resahin’ny andininy faha-15: “Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena. Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao.” Inona àry no dikan’ilay hoe “mitsangana hanohitra” eo amin’ny andininy faha-16, raha ny hevitr’ireo manam-pahaizana ireo no jerena? Mety hidika izy io hoe tsy tokony hanao ny tsy rariny ny Israelita amin’ny raharaham-pitsarana, na raharaham-barotra, na fifandraisana amin’ny fianakaviana. Tsy tokony hamitapitaka koa izy mba hahazoana tombontsoa. Marina hoe tsy tokony hanao an’ireo isika. Misy fanazavana mitombina kokoa momba an’io andininy io anefa.

Eritrereto ny voalaza eo amin’ny fiandohan’ilay andininy. Nandidy ny mpanompony i Jehovah mba tsy handehandeha hanendrikendrika olona. Tadidio fa tsy mifosa fotsiny ny hoe manendrikendrika, na dia mety hiteraka olana koa aza izany. (Ohab. 10:19; Mpito. 10:12-14; 1 Tim. 5:13-15; Jak. 3:6) Matetika ny mpanendrikendrika no manao fanahy iniana milaza lainga momba ny olona iray satria te hanimba ny lazany. Mety hijoro ho vavolombelona hiampanga azy izy, na dia hampidi-doza ny ain’ilay olona aza izany. Izany no nanjo an’i Nabota. Nisy nanendrikendrika izy ka notoraham-bato dia maty. (1 Mpanj. 21:8-13) ‘Mitsangana hanohitra ny ran’ny namany’ àry ny olona iray rehefa manendrikendrika, satria mety hahafaty azy izany.​—Lev. 19:16b.

Mety ho fankahalana koa no mahatonga ny olona hanendrikendrika. Hoy anefa ny 1 Jaona 3:15: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.” Mahaliana fa momba ny fankahalana mihitsy no noresahin’Andriamanitra eo amin’ny andininy manaraka, ao amin’ilay Levitikosy. Hoy izy: “Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao.”​—Lev. 19:17.

Fampitandremana lehibe ho an’ny Kristianina àry ny Levitikosy 19:16. Tsy maintsy miezaka isika mba tsy hieritreri-dratsy momba ny hafa sy tsy hanendrikendrika an-dry zareo. Raha tsorina, dia “mitsangana hanohitra” ny olona iray isika raha manendrikendrika azy satria tsy tia azy na mialona azy. Mety hahatonga antsika hankahala azy izany, na mety ho hita amin’izany hoe efa mankahala azy isika. Tsy maintsy mitandrina mafy ny Kristianina mba tsy hanao an’izany.​—Mat. 12:36, 37.