Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Filalaovana Ody

Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Filalaovana Ody

Izay Tokony ho Fantatrao Momba ny Filalaovana Ody

SAROTRA faritana ny atao hoe filalaovana ody amin’ny andro maoderina. Ny anton’izany, dia satria karazan’olona maro be ny manao azy io. Tsy misy fahefana foibe na foto-pampianarana na boky masina fototra eken’izy ireo, hany ka tsy mitovy ny zavatra inoany. Samy hafa ihany koa ny fomba mahazatra azy ireo, ny fandaminan-javatra ataony, ny fombafombany, ary ny heviny ny amin’izay andriamanitra homem-boninahitra. Hoy ny mpanoratra iray: “Ny tontolon’ny asan’ny maizina dia ‘tsena iray misokatra malalaka’ ho an’ny tsirairay mba hifidianany izay hevitra tiany.” Hoy ny mpanoratra hafa iray: “Tsy miombon-kevitra saika amin’ny zava-drehetra ny ankamaroan’ireo mpanompo sampy amin’ny endriny vaovao.”

Ho an’ny maro, dia tsy olana ireo fifanoheran-kevitra. Hoy ny ambaran’ny boky iray ho an’ireo maniry ho tonga mpilalao ody: “Rehefa sahiran-tsaina amin’ny fanazavana toa mifanohitra ianao, dia diniho ilay fanazavana ka mandraisa fanapahan-kevitra ny amin’izay harahinao. Araho ny fahaizanao maminavina ny tokony ho izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia aza misalasala mifantina sy mifidy eo amin’ireo fombafomba efa navoaka boky sy eo amin’ireo boky fianarana fombafomba, mba hanapahan-kevitra ny amin’izay heverinao fa mety.”

Ho an’ireo manaiky ny atao hoe fahamarinana, dia olana ny fifanoheran-kevitra toy izany. Ny tena zava-misy no atao hoe fahamarinana. Tsy hoe marina ny zavatra iray satria fotsiny hoe mihevitra na manantena na mino ny olona iray fa marina ilay izy. Ohatra, nisy fotoana ninoan’ny dokotera fa afaka nanasitrana pnemonia izy ireo tamin’ny nizarany roa ny vatan’ny akoho velona iray ka nametrahany ireo silany roa teo amin’ny tratran’ilay marary. Tsy isalasalana fa marary maro no nino tamim-pahatsorana fa hanasitrana azy, io fitsaboana io. Ny finoan’izy ireo sy ny fanantenany anefa dia tsy nifanaraka tamin’ilay zava-misy hoe tsy mahasitrana pnemonia io fomba io. Tsy zavatra foronin’ny olona ny fahamarinana, fa zavatra tokony hiezahany hotakarina kosa.

Milaza ho mirakitra ny fahamarinana momba ny raharaha ara-panahy ny Baiboly. Fony tetỳ an-tany i Jesosy Kristy, dia nilaza toy izao tamin’ny Rainy, tao amin’ny vavaka: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra [dia] nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16). Tsy miombon-kevitra amin’izany ny ankamaroan’ireo mpilalao ody, fa mitady kosa aingam-panahy sy tari-dalana ao amin’ny angano, sy ao amin’ireo fivavahana nisy fahiny, ary ao amin’ny tantara nofinofy momba ny siansa (science fiction) mihitsy aza. Tsy ara-drariny anefa ve ny handinihana izay lazain’ny Baiboly, fara faharatsiny? Rehefa dinihina tokoa, dia ekena saika hatraiza hatraiza ho boky masina izy io. Iray amin’ireo soratra ara-pivavahana tranainy indrindra mbola tafita hatratỳ amin’ny androntsika koa izy io. Nosoratana nandritra ny fe-potoana naharitra 1 600 taona ny Baiboly, nefa mifanaraka tsara avokoa ny fampianarany rehetra. Andeha hampitahaintsika ny fampianaran’ny Baiboly sy ny zavatra sasany inoan’ireo mampiroborobo ny filalaovana ody, araka izay ilazan’izy ireo azy ankehitriny.

Iza avy no monina any amin’ny faritra ara-panahy?

Izao no fanontaniana fototra iray mipoitra rehefa mikatsaka fahatakaran-javatra ara-panahy: Iza no monina any amin’ny faritra ara-panahy? Ny ankamaroan’ireo mpilalao ody amin’ny andro maoderina dia mpanaraka finoana mifantoka amin’ny natiora sy anompoana andriamanitra maro, fa ny sasany kosa mivavaka amin’ny andriamanibavy reny lehibe iray, heverina ho sady ankizivavy no reny no antibavy, izay anjara asa telo sosona mampiseho ireo ambaratonga fototra eo amin’ny fiainana. Andriamanitra iray manan-tandroka no sakaiza ratsin’io andriamanibavy io. Sady mivavaka amin’andriamanitra no mivavaka amin’andriamanibavy ny mpilalao ody hafa. Hoy ny mpanoratra iray: “Ny Andriamanibavy sy ny Andriamanitra, dia heverina ho fisehoan’ireo hery vavy sy lahy eo amin’ny natiora. Samy [manana] ny toetra mampiavaka azy manokana ny hery tsirairay, ka rehefa mitambatra ireny, dia miteraka ny fiforonan’ny aina amin’ny fomba mirindra”. Nanoratra toy izao ny manam-pahaizana hafa iray: “Ny fifidiananao ireo andriamanitra (Andriamanitra/Andriamanibavy) hiarahanao miasa no iray amin’ireo safidy lehibe indrindra eo amin’ny Filalaovana Ody. (...) Manome anao fahalalahana hifantina ka hanome voninahitra an’izay Andriamanitrao manokana ny Filalaovana Ody.”

Tsy misy tohanan’ny Baiboly ireo hevitra ireo. Natokan’i Jesosy Kristy hampianarana ny hafa momba an’i Jehovah, ilay “hàny Andriamanitra marina”, ny fanompoany manontolo. (Joany 17:3, Fandikan-teny Katolika). Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona”.​—1 Tantara 16:25, 26.

Ahoana ny amin’ny Devoly? Faritan’ny diksionera iray ho “fifandraisana amin’ny devoly” ny hoe filalaovana ody. Ho sarotra ny hahita mpilalao ody hanaiky io famaritana io ankehitriny, satria tsy manaiky akory ny fisian’i Satana Devoly ny ankamaroan’izy ireo. Izao no fanazavan’ny vehivavy iray, izay lazain’ny The Irish Times ho “mpilalao ody ambony laharana sy mpitarika ny iray amin’ireo fikambanan’ny mpilalao ody lehibe indrindra any Irlandy”: “Milaza an-kolaka fanekena ny Kristianisma ny finoana ny Devoly (...) Tsy afaka monina ao amin’ny tontolo iray tsy misy Andriamanitra [ny Devoly].”

Manamafy ny fisian’ny Devoly ny Baiboly, ary milaza azy io ho tompon’andraikitra amin’ny ankamaroan’ny fijaliana sy ny fisafotofotoana eto an-tany. (Apokalypsy 12:12). Araka ny nampianarin’i Jesosy, dia tena misy ny Devoly. Nasehony koa anefa fa mety hisy olona tsy mahafantatra akory hoe manao ny sitrapon’ny Devoly ny tenany. Nanizingizina, ohatra, ireo mpitarika ara-pivavahana nihevi-tena ho marina tamin’ny taonjato voalohany, fa, tamin’ny lafiny iray, dia zanak’Andriamanitra izy ireo. Nino izy ireo fa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ny tenany. Hafa noho izany kosa anefa ny fiheveran’i Jesosy, izay afaka namantatra ny tao am-pon’izy ireo. Nilaza tsy nisy olakolaka tamin’izy ireo toy izao izy: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao.” (Jaona 8:44). Ankoatra izany, dia ambaran’ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly fa “mamitaka izao tontolo izao” ny Devoly.​—Apokalypsy 12:9.

Misy tsara ve ny majika?

Mazava ho azy fa nampifandraisina foana tamin’ny asan’ny maizina ny majika. * Olona maro tamin’ny andro fahiny sy amin’izao andro maoderina izao no mino fa atao mba hanisian-dratsy ny hafa ny majikan’ireo mpilalao ody. Ny mpilalao ody dia heverina ho manan-kery hahatonga fijalijaliana sy fahafatesana mihitsy aza, amin’ny alalan’ny majika. Efa hatramin’izay ireo mpilalao ody no noraisina ho tompon’antoka tamin’izao karazana fahavoazana saika tsy manam-petra rehetra izao, anisan’izany ny aretina sy ny fahafatesana ary ny tsy fisian’ny vokatra teo amin’ny fambolena.

Mandà mafy ny fiampangana toy izany ireo mpilalao ody ankehitriny. Eken’izy ireo aloha fa, indraindray, dia misy mpilalao ody ratsy fanahy, izay mikendry ny hanao ratsy. Manizingizina kosa anefa ny ankamaroan’izy ireo fa ampiasaina mba hanasoavana, fa tsy hanisian-dratsy olona, ny majikan’izy ireo. Araka ny fampianaran’ireo Wiccans, dia hisy vokany avo telo heny eo amin’ilay olona manao azy ny majika ataony, ka izany, hoy izy ireo, no antony lehibe iray tsy mampahazoto azy hilaza ozona. Anisan’izany majika lazaina ho manasoa izany, ohatra, ny teny majika atao mba hiarovan-tena, mba hanadiovana ny tranonao tsy hisy hery ratsy navelan’ny mpanofa teo aloha, mba hahatonga olona iray ho raiki-pitia aminao, mba hampisy fahasitranana sy fahasalamana, mba hisorohana ny famoizana ny asanao, ary mba hahazoana vola. Koa satria lazaina ho manana izany hery rehetra izany ny filalaovana ody, dia tsy mahagaga raha nanjary tiam-bahoaka.

Tsy manisy fanavahana ny majika tsara sy ny majika ratsy anefa ny Baiboly. Tao amin’ny Lalàna nomena an’i Mosesy, dia nataon’Andriamanitra mazava tsara ny fomba fiheviny. Hoy izy: “Aza manao majika.” (Levitikosy 19:26, NW ). Izao koa no vakintsika: “Aoka tsy hisy eo aminao izay (...) [mpanao majika, NW ], na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra”.​—Deoteronomia 18:10, 11.

Nahoana Andriamanitra no niteny izany? Tsy hoe satria mikendry ny tsy hanome antsika izay mahasoa antsika izy. Nanome ireny lalàna ireny ho an’ny vahoakany i Jehovah, satria tiany izy ireo ary tsy iriny hanjary ho andevon’ny tahotra sy ny finoanoam-poana. Nanasa ny vahoakany hanatona azy kosa izy raha misy ilain’izy ireo. Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” izy. (Jakoba 1:17). Nanome toky an’ireo mpiray finoana taminy toy izao ny apostoly Jaona: “Na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy [Andriamanitra], satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.”​—1 Jaona 3:22.

Ahoana ny amin’ny fanahy ratsy?

Maro amin’ny mpilalao ody no miombon-kevitra amin’ny Baiboly amin’izao lafiny izao: Tena misy ny fanahy ratsy. Tao amin’ny lahatsoratra iray, dia nampitandrina toy izao ny olona iray mampiroborobo ny filalaovana ody: “Eo ireo Angatra: Misy izy ireny, ao amin’ny tontolo tsy hita maso mifanindran-dalana amin’ny antsika, zavaboary velona. (...) Marina tanteraka ireo teny hoe ‘Demony’, ‘Fanahy Ratsy’, ary ‘Demonia’. Tena mahery izy ireny. (...) Ny karazany mahira-tsaina indrindra (...) dia afaka miditra eto amin’ny tontolontsika (raha toa ny olona iray ka manampy mba hanokatra varavarana azy ireo). Afaka miditra ao amin’ny vatanao izy ireo (...), ary mifehy anao mihitsy aza. Eny, mitovy tsy misy valaka amin’ireo tantara fahiny momba ny olona azon’ny Demonia izany.”

Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny olona azon’ny demonia dia nampahoriny tamin’ny lafiny maro samihafa. Ny sasany tamin’ireo azony dia tsy afaka niteny, ny sasany jamba, ny sasany nanao zavatra tamin-kadalana, ary ny sasany nanana hery mihoatra noho izay ananan’ny olombelona. (Matio 9:32; 12:22; 17:15, 18; Marka 5:2-5; Lioka 8:29; 9:42; 11:14; Asan’ny Apostoly 19:16). Indraindray, dia vao mainka nitombo ny fijalian’ny olona iray rehefa demonia maro no indray tao aminy. (Lioka 8:2, 30). Azo antoka àry fa misy antony tsara matoa i Jehovah mampitandrina ny olona mba hanalavitra ny filalaovana ody sy ny fanao hafa mifandray amin’ny asan’ny maizina.

Fivavahana miorina amin’ny fahamarinana

Maro no voasarika ho amin’ny filalaovana ody amin’izao andro izao, satria toa fivavahana tsy mampaninona sy mahasoa ary fivavahana amin’ny natiora, izy io. Any amin’ny fiaraha-monina sasany, dia nanjary nekena sy tsy natahorana izy io. Matetika kosa aza izy io no nanjary noheverina ho mahazatra. Ao anatin’ny rivo-piainana anjakan’ny fileferana ara-pivavahana, izay mitarika olona maro hanaiky hatramin’ny zavatra sampontsampona, dia nahazo fanajana lehibe ny filalaovana ody.

Eny tokoa, ny tontolon’ny fivavahana dia nanjary tsena iray izay ananan’ny olona fahalalahana hifidy izay mety aminy, tsy misy hafa amin’ny fifidianan’ny olona ny kiraro hovidiny. Mifanohitra amin’izany, fa tsy niresaka afa-tsy safidy roa i Jesosy. Hoy izy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Mazava ho azy fa afaka mifidy malalaka izay lalana harahintsika isika. Izay hahasoa antsika mandrakizay anefa no tafiditra amin’izany, ka tena zava-dehibe ny safidy ataontsika amin’io lafiny io. Mba hahazoana fahazavana ara-panahy, dia tsy maintsy manaraka ny lalan’ny fahamarinana isika, dia ilay lalana izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Septambra 1993, pejy faha-26, hoe “La magie est-elle dangereuse?”

[Sary, pejy 5]

Maro ankehitriny no mihevitra ny filalaovana ody ho fivavahana tsy mampaninona sy fivavahana amin’ ny natiora

[Sary, pejy 6]

Nampifandraisina foana tamin’ny asan’ny maizina ny majika

[Sary, pejy 6]

Tsy fantatry ny mpilalao ody akory ve fa manao ny sitrapon’ny Devoly izy ireo?

[Sary, pejy 7]

Mampiharihary ny lalan’ny fahamarinana ny Baiboly