Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao

Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao

Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao

MAMPAHATAHOTRA ny mitaingina fiaramanidina, raha diso ny toromarika azon’ny mpanamory. Vao mainka aza ho ratsy kokoa, raha sanatria ka nisy nanova ireo fitaovana mitari-dalana an’ilay fiaramanidina, na nisy nandiso mihitsy ireo toromarika momba ny lalana tokony harahin’izy io! Misy mitady hanao toy izany koa amin’ny feon’ny fieritreretanao, izay manoro anao ny tsara sy ny ratsy. Tapa-kevitra ny hanimba azy io izy. Tiany hifandona, na hiady amin’Andriamanitra ianao!​—Joba 2:2-5; Jaona 8:44.

Iza io mpisompatra io? Antsoin’ny Baiboly izy io hoe “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” (Apokalypsy 12:9) Efa fantatra tsara ny nataony tao amin’ny saha Edena: Nanaovany resaka tsara lahatra sy namitaka i Eva. Noho izany, dia tsy nanao izay fantany fa mety i Eva, ary nikomy tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-6, 16-19) Nanomboka tamin’izay, dia nataon’i Satana izay hisian’ny rafitra mba hamitahana olona maro, ka hahatonga azy ireo ho fahavalon’Andriamanitra. Meloka indrindra amin’ireny rafitra ireny ny fivavahan-diso.​—2 Korintiana 11:14, 15.

Manimba ny feon’ny fieritreretana ny fivavahan-diso

Lazain’ny Apokalypsy fa vehivavy janga antsoina hoe Babylona Lehibe, ny fivavahan-diso. Ny fampianarany dia nahatonga ny olona tsy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy intsony, ary hankahala izay tsy mitovy finoana aminy, sy hanao herisetra amin’izy ireo mihitsy aza. Lazain’ny Apokalypsy mihitsy aza fa ny fivavahan-diso no meloka indrindra eo imason’Andriamanitra, noho izy nandatsaka ny ‘ran’izay rehetra novonoina tetỳ ambonin’ny tany’, anisan’izany ny mpanompon’Andriamanitra.​—Apokalypsy 17:1-6; 18:3, 24.

Nilaza i Jesosy fa tena hampivaona ny feon’ny fieritreretan’ny sasany ny fivavahan-diso. Hoy izy: “Ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy.” Toy ny jamba tokoa ireo mpamono olona ireo, ka tsy nahay nanavaka ny tsara sy ny ratsy! Hoy i Jesosy: “Tsy fantany ny Ray na Izaho.” (Jaona 16:2, 3) Novonoina i Jesosy, taoriana kelin’izay, ary mpitondra fivavahana no nitarika izany. Tsy nenjehin’ny eritreriny akory izy ireo nanao izany heloka izany. (Jaona 11:47-50) Nilaza anefa i Jesosy fa ny fifankatiavana no hamantarana ny tena mpanara-dia azy. Tsy izy samy izy ihany anefa no mifankatia, fa tiany koa na dia ny fahavalony aza.​—Matio 5:44-48; Jaona 13:35.

Manimba ny feon’ny fieritreretan’ny maro koa ny fivavahan-diso, rehefa manaiky izay fitsipi-pitondran-tena tian’ny olona, na rehefa mamela ny olona hitondra tena araka izay tiany. Efa nilaza izany toy izao ny apostoly Paoly: “Ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany.”​—2 Timoty 4:3.

Manaraka ny filan’ny olona ny mpitondra fivavahana ankehitriny, satria milaza fa mety tsy hampaninona an’Andriamanitra raha manao firaisana ny olona tsy mpivady. Ny hafa manaiky ny firaisan’ny samy vehivavy na ny samy lehilahy. Lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy mihitsy aza ny mpitondra fivavahana sasany. Araka ny lahatsoratra tao amin’ilay gazety hoe Ny Fotoana (anglisy), dia voafidy ho anisan’ny mpitantana ny Eglizy Anglikanina ny “mpitondra fivavahana telo ambin’ny folo, nefa efa fantatry ny besinimaro fa lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy izy ireo.” Inona moa no fitsipika arahin’ny mpiangona, raha ny mpitondra fiangonana aza tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, nefa tsy raharahain’ny fiangonany akory? Tsy mahagaga raha very hevitra tanteraka ny maro.

Tsara lavitra noho izany ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena sy ny zavatra ara-panahy! Toy ny jiro manazava izy ireny. (Salamo 43:3; Jaona 17:17) Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” na ny mpijangajanga na ny mpaka vadin’olona. (1 Korintiana 6:9, 10) Milaza koa izy io fa ‘manao izay mahamenatra’, na maharikoriko eo imason’Andriamanitra ny vehivavy sy ny lehilahy manova “ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony.” (Romana 1:26, 27, 32) Tsy avy amin’ny olombelona tsy lavorary ireny fitsipika momba ny fitondran-tena ireny, fa avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ary tsy novany mihitsy. (Galatiana 1:8; 2 Timoty 3:16) Misy fomba hafa animban’i Satana ny feon’ny fieritreretantsika koa anefa.

Fidio tsara ny fialam-boly

Efa ratsy ny manery olona hanao ratsy, nefa mbola ratsy kokoa ny mampirisika azy haniry hanao izany. Izany anefa no tanjon’i Satana, ilay “andrianan’izao tontolo izao.” Te handentika ny eritreri-dratsiny ao an-tsaina sy ao am-pon’izay adala na tsy mitandrina izy, indrindra fa ny tanora. Ampiasainy hanaovana izany ny boky sy sarimihetsika, mozika sy lalao vidéo mampiahiahy, ary ny sary vetaveta ao amin’ny Internet.​—Jaona 14:30; Efesiana 2:2.

“Misy 10 000 isan-taona eo ho eo ny sarina herisetra hitan’ny tanora [any Etazonia] ao amin’ny televiziona”, hoy ny gazety iray momba ny ankizy, “ka ny fandaharana ho an’ny ankizy no feno herisetra indrindra.” Lazain’ilay gazety koa fa “efa ho 15 000 isan-taona ny resaka, na vazivazy momba ny fanaovana firaisana hitan’ny zatovo.” Na amin’ny ora mahabe mpijery indrindra aza, hoy ilay gazety, dia misy “sary 8 isan’ora mampiseho fanaovana firaisana, ka avo efatra heny noho ny tamin’ny 1976 izany.” Tsy mahagaga koa raha milaza ilay gazety fa “tena mihabetsaka ny teny vetaveta” ao amin’ny televiziona. Mampitandrina anefa ny Baiboly sy ny boky ara-tsiansa maro fa miharatsy ny olona rehefa zatra mijery zavatra toy izany. Raha tena te hampifaly an’Andriamanitra sady te hahita soa àry ianao, dia araho izao lazain’ny Ohabolana 4:23 izao: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”​—Isaia 48:17.

Manimba ny feon’ny fieritreretana koa ny ankamaroan’ny mozika tian’ny olona. “Mitady izay hanafintohinana ny olona” ny mpihira iray tena malaza any amin’ny tany tandrefana, hoy ilay gazety aostralianina hoe The Sunday Mail. Nilaza ilay lahatsoratra fa “manindrahindra ny fampiasana rongony sy ny fanaovana firaisana amin’ny havana akaiky ary ny fametavetana, ny hirany” ary lazainy ao amin’ny hirany koa fa “hovonoiny ny vadiny ka hariany ao anaty farihy ny fatiny.” Mamoafady loatra ny tonon-kirany hafa, ka tsy azo tononina eto. Nahazoany mari-pankasitrahana lehibe anefa ny mozikany. Hamafy eritreri-dratsy toy izany ao an-tsainao sy ao am-ponao ve ianao, na dia hoe ampiarahina amin’ny feon-kira aza ilay izy, mba hanintona? Enga anie ka tsy hanao izany ianao, satria mandoto ny feon’ny fieritreretany izay manao izany, ka hanjary hanana “fo ratsy”, ary ho lasa fahavalon’Andriamanitra.​—Hebreo 3:12; Matio 12:33-35.

Fidio tsara àry ny fialam-bolinao. Mampirisika antsika toy izao ny Baiboly: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.”​—Filipiana 4:8.

Misy akony eo amin’ny feon’ny fieritreretanao ny namanao

Nahafinaritra an’i Neil sy i Franz ny niaraka tamin’ny Kristianina tso-po hafa, tamin’izy ireo mbola kely. * “Nanomboka niaraka tamin’ny naman-dratsy” anefa aho tatỳ aoriana, hoy i Neil. Nanenina izy, satria nanao heloka bevava tamin’ny farany, ka niditra am-ponja. Toy izany koa ny nanjo an’i Franz. “Noheveriko fa tsy hampaninona ahy ny niaraka tamin’ny tanora eo amin’izao tontolo izao”, hoy izy. “Milaza anefa ny Galatiana 6:7 fa ‘Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.’ Efa voa aho vao hitako fa izaho no diso, fa i Jehovah kosa no marina. Migadra mandra-pahafatiko aho izao, noho ny ratsy nataoko.”

Tsy avy hatrany dia manao heloka bevava tampoka akory ny olona toa an’i Neil sy i Franz. Tsy ho tonga ao an-tsainy akory izany, amin’ny voalohany. Misy dingana maromaro kosa vao mivily lalana izy ireo, ka matetika ny naman-dratsy no voalohany amin’izany. (1 Korintiana 15:33) Ny rongony sy ny toaka kosa no mety hanaraka. Marina mihitsy ilay hoe “mety ho fatin’ny toaka” ny feon’ny fieritreretana. Ary dingana kely iray sisa dia mety hanao heloka bevava na haloto fitondran-tena izy ireo.

Koa nahoana àry no hanao ilay dingana voalohany? Olona tena tia an’Andriamanitra kosa iarahana. Hanampy anao izy ireo, mba hanatanjaka ny feon’ny fieritreretanao, ka hahatonga azy io hanoro anao ny lalana tsara, ka hahafa-doza anao. (Ohabolana 13:20) Mbola any am-ponja i Neil sy i Franz, nefa raisiny ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretany ankehitriny, ary tokony hampiofanina sy hankamamina. Miezaka mafy koa izy ireo mba ho tsara fihavanana amin’i Jehovah Andriamanitra. Hendre àry, ka makà fianarana avy amin’izay nanjo azy ireo.​—Ohabolana 22:3.

Arovy ny feon’ny fieritreretanao

Asehontsika fa te hiaro ny feon’ny fieritreretantsika isika, rehefa miezaka ny ho tia an’Andriamanitra sy hino azy ary hatahotra azy. (Ohabolana 8:13; 1 Jaona 5:3) Milaza ny Baiboly fa tsy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy isika, rehefa tsy manao izany. Ny Salamo 14:1, ohatra, dia miresaka momba ireo izay milaza hoe: “Tsy misy Andriamanitra.” Inona no akon’izany tsy fananany finoany izany eo amin’ny fitondran-tenany? Milaza ilay andinin-teny fa “manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.”

Tsy mba manantena hoavy tsara kokoa ny olona tsy tena mino an’Andriamanitra. Manararaotra an’ity fiainana ity àry izy ireo, ka manao izay rehetra iriny. Izao no heviny: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintiana 15:32) Tsy voahelingelin’ny fahafinaretana mihelina atolotr’izao tontolo izao kosa anefa ireo mibanjina ny loka, dia ny fiainana mandrakizay. Toy ny ordinatera manome toromarika hentitra tsara ny feon’ny fieritreretany voaofana, ka manampy azy hankatò an’Andriamanitra hatrany.​—Filipiana 3:8.

Mila tari-dalana tsy tapaka avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretanao, raha tianao hanan-kery sy hanome toromarika hentitra foana. Asehon’ny Baiboly amin’ny ohatra fa afaka mahazo io tari-dalana io isika. Izao no lazainy: “Fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Manokàna àry fotoana hamakiana Baiboly isan’andro. Hanatanjaka sy hampahery anao izany, rehefa miezaka mafy ianao mba hanao ny tsara, na rehefa misy zavatra mitady hampanahy na hampitaintaina anao. Matokia fa hanome anao tari-dalana ara-panahy sy ara-pitondran-tena i Jehovah, raha matoky azy tanteraka ianao. Manahafa an’ilay mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.”​—Salamo 16:8; 55:22.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 5]

Nahatonga ny feon’ny fieritreretan’ny maro ho donto ny fivavahan-diso, antsoin’ny Baiboly hoe “Babylona Lehibe”

[Sary nahazoan-dalana]

Pretra mivavaka ho an’ny miaramila: U.S. Army photo

[Sary, pejy 6]

Hanimba ny feon’ny fieritreretanao ny fijerena herisetra sy fitondran-tena maloto

[Sary, pejy 7]

Hiaro ny feon’ny fieritreretanao ny fandraisana tari-dalana tsy tapaka avy amin’ny Baiboly