Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tany Ora sa tany Harana no nanaovan’i Jehovah fanekena tamin’i Abrahama?

Ny fitantarana voalohany momba ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama dia hita ao amin’ny Genesisy 12:1-3, manao hoe: “Hoy Jehovah tamin’i Abrama: ‘Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao ... Ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.’” * Tena azo inoana fa tany Ora no nanaovan’i Jehovah io fanekena io tamin’i Abrahama, ary nohamafisiny tany Harana izy io.

Noresahin’i Stefana tamin’ny taonjato voalohany ilay baikon’i Jehovah hoe tokony hifindra ho any Kanana i Abrahama. Hoy izy tamin’ny Synedriona: “Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, ka nanao taminy hoe: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao.’” (Asan’ny Apostoly 7:2, 3) I Ora no tanindrazan’i Abrahama, ary araka ny nambaran’i Stefana, dia tany no nahazoany voalohany ilay baiko hankany Kanana. (Genesisy 15:7; Nehemia 9:7) Tsy niresaka momba ilay fanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama i Stefana. Nifandray tamin’ilay baiko hankany Kanana anefa io fanekena io, ao amin’ny Genesisy 12:1-3. Ara-dalàna àry ny hinoana fa nanao ilay fanekena tamin’i Abrahama tany Ora i Jehovah.

Toa milaza anefa ny fitantarana ao amin’ny Genesisy, rehefa dinihina tsara, fa naverin’i Jehovah tany Harana ilay fanekena tamin’i Abrahama. Imbetsaka koa izy no namerina io fanekena io tany Kanana, sy nanome tsipiriany momba azy io. (Genesisy 15:5; 17:1-5; 18:18; 22:16-18) Araka ny Genesisy 11:31, 32, dia niala tany Ora mba hankany Kanana i Tera, rain’i Abrahama, niaraka tamin’i Abrahama sy i Saraha ary i Lota. Tonga tany Harana izy ireo, ary nijanona tao mandra-pahafatin’i Tera. Naharitra ela tao Harana i Abrahama, ka nahangona fananana be dia be. (Genesisy 12:5) Nifindra tany koa i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nony avy eo.

Rehefa avy nitantara ny nahafatesan’i Tera ny Baiboly, dia namerina ny Tenin’i Jehovah tamin’i Abrahama, ary nanohy hoe: “Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy.” (Genesisy 12:4) Noho izany, dia toa manamafy ny Genesisy 11:31–12:4 fa nilaza ireo teny ao amin’ny Genesisy 12:1-3 taorian’ny nahafatesan’i Tera i Jehovah. Raha izany no izy, dia niala tao Harana i Abrahama ary nankany amin’ny tany nolazain’i Jehovah, ho fankatoavana ilay baiko vao azony, sy ilay nomena azy tany Ora, taona maro lasa talohan’izay.

Araka ny Genesisy 12:1, dia nandidy an’i Abrahama toy izao i Jehovah: “Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao.” Tany Ora no ‘tanin’i Abrahama’ sy ‘tranon’ny rainy’ taloha. Nifindra nankany Harana anefa ny rain’i Abrahama sy ny ankohonany, ka io indray no nantsoin’i Abrahama hoe taniny. Naniraka ny mpanompony ho any amin’ny ‘taniny sy ny havany’ izy, rehefa afaka taona maro tany Kanana, mba hitady vady ho an’i Isaka. Nankany amin’ny “tanànan’i Nahora” (tany Harana na teny akaikiny) ilay mpanompo. (Genesisy 24:4, 10) Tamin’ireo havan’i Abrahama tany no nahitany an’i Rebeka, tao amin’ny fianakavian’i Nahora.​—Genesisy 22:20-24; 24:15, 24, 29; 27:42, 43.

Hoy i Stefana momba an’i Abrahama, rehefa niteny tamin’ny Synedriona: “Rehefa maty ny rainy, dia nafindran’Andriamanitra niala teo izy hankatỳ amin’ny tany izay onenanareo ankehitriny.” (Asan’ny Apostoly 7:4) Milaza izany fa niresaka tamin’i Abrahama i Jehovah tany Harana. Mety àry ny hinoana fa namerina indray ny fanekeny tamin’i Abrahama i Jehovah tamin’izay, araka ny Genesisy 12:1-3. Nanomboka nanan-kery mantsy ilay fanekena rehefa nifindra tany Kanana i Abrahama. Araka izany rehetra izany àry, dia tena azo inoana fa tany Ora no nanaovan’i Jehovah ny fanekeny tamin’i Abrahama, ary nohamafisiny tany Harana izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tany Kanana no nanovan’i Jehovah ho Abrahama ny anaran’i Abrama, fony izy 99 taona.​—Genesisy 17:1, 5.