Ady mba Hamoahana Baiboly Amin’ny
Ady mba Hamoahana Baiboly Amin’ny
Teny Grika Maoderina
Lazaina indraindray fa loharanon’ny fahalalahana haneho hevitra i Gresy. Mety ho gaga anefa ianao raha mandre fa nisy ady mafy nandritra ny taona maro vao voadika tamin’ny fiteny fampiasa andavanandro ny Baiboly grika. Fa iza no hanohitra ny famoahana Baiboly amin’ny teny grika mazava tsara amin’ny olona? Fa nahoana no hisy olona hanao izany?
METY hisy hieritreritra hoe manana tombony ny olona miteny grika, satria nosoratana tamin’ny tenin’izy ireo, tamin’ny voalohany, ny tapany lehibe amin’ny Soratra Masina. Zara raha mitovy anefa ny teny grika maoderina sy ny teny grika nampiasain’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo mba handikana ny Soratra Hebreo. Toy izany koa ny teny grika nanoratana ny Soratra Grika Kristianina sy ny teny grika maoderina. Tsapan’ny ankamaroan’ny olona miteny grika mihitsy aza, nandritra ny taonjato enina lasa, fa sarotra toy ny teny vahiny ny teny grika ao amin’ny Baiboly. Niova ho teny vaovao mantsy ny teny fampiasa taloha; niova koa ny voambolana sy ny fitsipi-pitenenana ary ny firafitry ny fehezanteny.
Hita tamin’ireo sora-tanana grika nosoratana tamin’ny taonjato faha-3 ka hatramin’ny taonjato faha-16, fa nisy olona niezaka nandika ny Baiboly fandikan-tenin’ny Fitopolo ho amin’ny teny grika maoderina kokoa. Nandika ny bokin’ny Mpitoriteny ho amin’ny teny grika tsotra kokoa i Grégoire, evekan’i Néo-Césarée, tamin’ny taonjato fahatelo (213-270). Tamin’ny taonjato faha-11, dia nandika ny tapany tamin’ireo Boky Dimy Voalohany tamin’ny teny grika fampiasa isan’andro, i Tobias ben Eliezer, Jiosy nipetraka tany Macédoine. Nampiasa tarehin-tsoratra hebreo mihitsy aza izy mba hanampiana ireo Jiosy tany Macédoine, izay niteny grika nefa nahay namaky teny hebreo. Nadika manontolo toy izany ny Boky Dimy Voalohany, ka navoaka tany Constantinople tamin’ny 1547.
Fahazavana kely tao anatin’ny haizina
Tsy nianatra firy ny ankamaroan’ny mponina niteny grika tany amin’ny Fanjakan’i Byzance, rehefa lasa nofehezin’ny Otomanina ny faritra nisy azy ireo tamin’ny taonjato faha-15. Nahazo tombontsoa be dia be ny Eglizy Ortodoksa nandritra ny fitondran’ny Otomanina, nefa navelany hahantra sy tsy hahita fianarana ny ondriny. Hoy i Thomas Spelios, mpanoratra grika: “Ny fiarovana ny mpiangona tamin’ny fampianarana nampidirin’ny Silamo sy ny Katolika tsikelikely, no tena nimasoan’ny Eglizy Ortodoksa sy ny mpampianatra tao aminy. Tsy dia nandroso àry ny fampianarana grika.” Nahita izany toe-piainana nahakivy izany ny olona sasany tia Baiboly, ka nahatsapa fa tokony homena fanamaivanana sy fampiononana avy amin’ny bokin’ny Salamo ny olona ketraka. Nanomboka tamin’ny 1543 ka hatramin’ny 1835, dia nisy fandikan-teny 18 tamin’ny Salamo navoaka, ary teny grika fampiasa isan’andro no nandikana azy ireo.
Tamin’ny 1630, dia nanomboka nikarakara ny fandikana voalohany ny Soratra Grika Kristianina manontolo i Maxime Callipolites, moanina grika tany Callipolis. Nanara-maso sy nanampy tamin’izany i Cyril Lucaris, evekan’ * Maty nokendaina izy satria noheverina fa mpamadika. Nisy 1 500 eo ho eo tamin’ny fandikan-tenin’i Maxime anefa natao pirinty tamin’ny 1638. Ho fanoherana io fandikan-teny io, dia nilaza ny synoda ortodoksa tany Jerosalema, 34 taona tatỳ aoriana, fa ‘tsy ny olon-drehetra no tokony hamaky ny Soratra Masina, fa izay olona mandalina zavatra ara-panahy ihany, ka efa avy nanao fikarohana tsara.’ Midika izany fa ny mpitondra fivavahana nahita fianarana ihany no tokony hamaky ny Soratra Masina.
i Constantinople, izay naniry hanavao ny Eglizy Ortodoksa. Nisy nanohitra an’i Lucaris anefa tao amin’ny eglizy. Tsy neken’izy ireo ny fiezahany hitondra fanavaozana sy ny fandikany ny Baiboly tamin’ny teny fampiasa isan’andro.Tamin’ny 1703, tany Londres, dia niezaka namoaka ny fandikan-tenin’i Maxime nohavaozina i Seraphim, moanina grika avy any amin’ny nosin’i Lesbos. Nampiasa ny volany manokana i Seraphim tamin’izany, rehefa tsy nanatanteraka ny fampanantenany hanome vola fanampiana ny fanjakana anglisy. Nasongadin’i Seraphim tao amin’ny sasin-teny mahery nosoratany fa mila mamaky ny Baiboly “ny tena Kristianina rehetra.” Nampangainy hoe ‘nitady hanafina ny toetra ratsiny ny mpitondra fivavahana ambony, ka tsy namela ny olona hianatra.’ Araka ny efa nampoizina, dia naniraka hisambotra azy tany Rosia ny Ortodoksa nanohitra azy, ary nandefa azy sesitany tany Siberia. Maty tany izy tamin’ny 1735.
Nanazava ny amin’ny mosary ara-panahy nahazo ny olona niteny grika tamin’izany ny mpitondra fivavahana grika iray, ka nilaza toy izao momba ny fandikan-tenin’i Maxime nohavaozina fanindroany: ‘Tena faly ny Grika sy ny olon-kafa rehefa nahazo ity Baiboly Masina ity satria efa sasa-niandry izy ireo. Novakiny ilay izy ka tsapany fa maivamaivana ny fahoriany ary nihamafy ny finoany an’Andriamanitra.’ Natahotra anefa ny mpitondra fivavahana sao hiharihary ny fampianarana sy ny fanaony tsy araka ny Soratra Masina, raha manomboka mahatakatra ny Baiboly ny olona. Namoaka didy àry ny evekan’i Constantinople, tamin’ny 1823 sy tamin’ny 1836, fa tokony hodorana daholo io fandikan-tenin’ny Baiboly io.
Mpandika teny be herim-po
Nandritra izany fanoherana mafy sy faniriana hianatra Baiboly izany, dia nisy olona iray niavaka, izay nandray anjara lehibe tamin’ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny teny grika maoderina. Neofitos Vamvas no anaran’io olona be herim-po io. Nalaza ho manam-pahaizana momba ny teny sy momba ny Baiboly izy sady noheverina ho anisan’ireo “Mpampianatra ny Firenena.”
Hitan’i Vamvas fa ny Eglizy Ortodoksa no tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahaizan’ny olona zavatra ara-panahy. Tena nino izy fa hifoha ara-panahy ny olona raha nadika tamin’ny teny grika fampiasa tamin’izany fotoana izany ny Baiboly. Nanomboka nandika ny Baiboly tamin’ny teny grika marina tsara izy sy ny manam-pahaizana hafa, tamin’ny 1831. Navoaka tamin’ny 1850 ny fandikan-teniny. Tsy nety nanampy azy ny Eglizy Ortodoksa Grika ka niara-niasa tamin’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Britanika sy Vahiny (BFBS) izy, tamin’ny famoahana sy fanaparitahana ny fandikan-teniny. Nolazain’ny eglizy fa “Mpanohitra” izy, ka tsy ela dia nihatakatahan’ny olona.
Ny fahadisoana tamin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ihany no niverina tao amin’ny fandikan-tenin’i Vamvas, satria nanaraka akaiky azy io izy. Kely dia kely mantsy ny fahalalana momba ny Baiboly sy momba ny teny tamin’izany. Ny fandikan-tenin’i Vamvas anefa no Baiboly Genesisy 22:14; Eksodosy 6:3; 17:15; Mpitsara 6:24.
grika maoderina indrindra nananan’ny olona nandritra ny taona maro. Mahaliana fa miverina inefatra ao amin’izy io ny anarana manokan’Andriamanitra, amin’ny endriny hoe “Ieová.”—Nanao ahoana ny fandraisan’ny ankamaroan’ny olona an’ireny dikan-tenin’ny Baiboly mazava tsara ireny? Tena faly izy ireo! ‘Nisy sambo maro feno ankizy nanatona ny mpivarotra Baiboly iray avy amin’ny BFBS, mba hividy [Baiboly]. Voatery nilaza tamin’ny kapitenin-tsambony àry io mpivarotra io mba hiala teo amin’ilay seranana’ satria tsy tiany ho lany tao amin’io toerana io daholo ny Baiboly rehetra nentiny! Tsy nijanona tamin’izao anefa ny mpanohitra.
Nandrara ny olona tsy hividy an’ireny fandikan-teny ireny ny pretra ortodoksa. Noraofina daholo, ohatra, ny Baiboly tany amin’ny tanànan’i Atena. Nodoran’ny eveka ortodoksan’i Kreta ny “Testamenta Vaovao” hitany tao amin’ny monasitera iray, tamin’ny 1833. Nanafina Baiboly iray ny pretra, ary nanafina ny azy koa ny olona teo amin’ny tanàna manodidina, mandra-pialan’ilay eveka tao amin’ilay nosy.
Noraran’ny Synoda Masina tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika io fandikan-tenin’i Vamvas io tany amin’ny nosin’i Corfou, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Tsy azo natao ny nivarotra azy io, ary nopotehina izay mbola hita. Nisy Baiboly nodorana tany amin’ny nosin’i Chio sy Siros ary Mykonos, noho ny fankahalan’ny mpitondra fivavahana teo an-toerana. Mbola nosakanana foana anefa ny fandikana Baiboly tatỳ aoriana.
Liana tamin’ny Baiboly ny mpanjakavavy iray
Nandritra ireo taona 1870, dia hitan’i Olga, mpanjakavavy grika, fa tsy dia nahay Baiboly firy ny ankamaroan’ny Grika. Niezaka nanao izay handikana ny Baiboly ho amin’ny teny grika tsotra kokoa noho ny fandikan-tenin’i Vamvas izy, satria ninoany fa hampionona sy hamelombelona ny olona ny fahalalana ny Soratra Masina.
Mody nampirisika an’ilay mpanjakavavy hanao io asa io ny arsevekan’i Atena sy i Prokopios, filohan’ny Synoda Masina. Rehefa nangataka fanekena ara-dalàna tamin’ny Synoda Masina anefa ny Mpanjakavavy Olga, dia nolavina izany. Niezaka nanao fangatahana fanindroany izy, fa mbola nolavina ihany izany, tamin’ny 1899. Tsy niraharaha ilay fandavana izy, fa tapa-kevitra hamoaka vitsivitsy tamin’ilay fandikan-teniny, ka ny volany ihany no nampiasainy. Vita tamin’ny 1900 izany.
Tsy nanaiky ho resy ny mpanohitra
Tamin’ny 1901, dia navoakan’ny gazety atenianina nalaza iray ny Filazantsaran’i Matio tamin’ny teny grika fampiasa isan’andro, izay nadikan’i
Alexandre Pallis, niasa tany Liverpool, any Angletera. ‘Hampianatra ny Grika’ sy ‘hanarina ilay firenena’ no hita fa tanjon’i Pallis sy ny mpiara-miasa taminy.Nantsoin’ny mpianatra teolojia ortodoksa sy ny mpampianatra azy ireo hoe “fanaovana tsinontsinona ny relìka sarobidy indrindran’ny firenena” sy fanazimbazimbana ny Soratra Masina io fandikan-teny io. Namoaka didy nandrara azy io ny Eveka Joakim III avy any Constantinople. Nivadika ho resaka politika ilay raharaha, ary nampiasain’ny antoko politika roa mpifanandrina izany mba hiadiana.
Nampangain’ny sampana fampahalalam-baovao lehibe tany Atena ny fandikan-tenin’i Pallis, ka nolazainy fa “tsy mino an’Andriamanitra” sy “mpamadika” ary “iraky ny firenen-kafa”, izay vonona hanozongozona ny fiaraha-monina grika. Nampirisihin’ny mpivavaka nafana fo tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny mpianatra, ka nirotaka tany Atena, ny 5 ka hatramin’ny 8 Novambra 1901. Nanafika ny toeram-piasan’ilay gazety atenianina sy ny lapam-panjakana izy ireo. Nalainy koa ny Oniversiten’i Atena, ary nasainy nametra-pialana ny governemanta. Olona valo no maty tamin’ny farany, noho ny fifandonana tamin’ny miaramila. Nitaky ny hialan’ny Arseveka Prokopios ny mpanjaka ny ampitson’iny, ary nametra-pialana koa ny Governemanta manontolo, roa andro taorian’izay.
Nanao fihetsiketsehana indray ny mpianatra, iray volana tatỳ aoriana, ary nandoro ampahibemaso Baiboly iray, fandikan-tenin’i Pallis. Namoaka didy izy ireo hoe tsy azo naparitaka intsony io fandikan-teny io ary nangatahin’izy ireo hosazina mafy izay mbola mitady hanao izany atỳ aoriana. Tetika natao mba handrarana ny fampiasana Baiboly grika maoderina izany. Vanim-potoana maizina tokoa tamin’izay!
“Ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay”
Nofoanana ny fandrarana tsy handika ny Baiboly ho amin’ny teny grika maoderina tamin’ny 1924. Nanomboka tamin’izay, dia tsy afaka nanakana ny Baiboly tsy ho azon’ny olona intsony ny Eglizy Ortodoksa Grika. Loha laharana amin’ny fampianarana Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah any Gresy, toy ny ataon’izy ireo any amin’ny tany maro. Mampiasa ny fandikan-tenin’i Vamvas izy ireo nanomboka tamin’ny 1905, mba hanampiana olona miteny grika an’arivo, hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Nisy manam-pahaizana sy mpampianatra be dia be niezaka nandika Baiboly ho amin’ny teny grika maoderina, efa hatramin’ny taona maro, ary mendri-piderana izy ireny. Misy fandikan-tenin’ny Baiboly 30 amin’ny teny grika izao, ka na izy manontolo izany na tapany. Mora amin’ny Grika ny mamaky azy ireny sady mazava aminy. Anisan’ny tsara indrindra amin’ireny Baiboly ireny Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny teny grika. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1997 izy io mba hanampiana ireo olona 16 tapitrisa eran-tany miteny grika. Mora vakina sy mora azo ary mifanaraka tsara tamin’ny soratra tany am-boalohany ny Tenin’Andriamanitra ao anatiny.
Misy zavatra tena lehibe voaporofo tamin’izany ady mba hamoahana Baiboly tamin’ny teny grika maoderina izany. Hita mazava tsara fa “ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay”, na dia eo aza ny ezaky ny olona mba hanafoanana azy io.—1 Petera 1:25.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 8 Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa momba an’i Cyril Lucaris, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2000, pejy 26-29.
[Sary, pejy 27]
Nanara-maso ny fandikana voalohany ny Soratra Grika Kristianina manontolo tamin’ny teny grika maoderina i Cyril Lucaris tamin’ny 1630
[Sary nahazoan-dalana]
Bib. Publ. Univ. de Genève
[Sary, pejy 28]
Fandikan-teny sasany tamin’ny fiteny fampiasa andavanandro: Ny Salamo 1) natontan’i Ilarion tamin’ny 1828, 2) natontan’i Vamvas tamin’ny 1832, 3) natontan’i Julianus tamin’ny 1643. Ny “Testamenta Taloha” 4) natontan’i Vamvas tamin’ny 1840
Mpanjakavavy Olga
[Sary nahazoan-dalana]
Baiboly: National Library of Greece; Mpanjakavavy Olga: Culver Pictures
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Papyrus: Reproduced by kind permission of The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Papyrus: Reproduced by kind permission of The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin