Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanaovan-tsoa Rehefa Misy Loza Mitranga

Fanaovan-tsoa Rehefa Misy Loza Mitranga

Fanaovan-tsoa Rehefa Misy Loza Mitranga

“AOKA isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika”, hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly. (Galatianina 6:10) Tena miezaka mampihatra io toro lalana io, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Manao soa amin’ny olona rehetra izy ireo, indrindra fa amin’ny mpiray finoana aminy. Hita indrindra izany rehefa misy loza mitranga. Andeha isika handinika zava-nitranga vao haingana tany amin’ny firenena telo.

Nisy rivo-doza mahery namely an’i Guam, tamin’ny Desambra 2002. Nifofofofo maherin’ny 300 kilaometatra isan’ora ny rivotra. Betsaka ny trano rava, ary potika tanteraka mihitsy ny sasany. Avy hatrany dia nanangana ekipa mpanadio ny fiangonana teo an-toerana, mba hanampiana ireo fianakaviana Vavolombelona tena voa mafy. Nandefa fitaovana sy mpiasa mba hanamboatra ireo trano simba ny sampan’i Guam, ary nanampy azy ireo koa ny sampan’i Hawaii. Nisy mpandrafitra vitsivitsy avy any àry tonga mba hanampy, tsy ela taorian’ilay loza. Naka andro tsy hiasana ny rahalahy sasany teo an-toerana mba hanampiana azy ireo. Efa fitoriana teo amin’ny manodidina ilay toe-tsaina falifaly sy tia miara-miasa.

Nirehitra ny faritra iray tsy lavitra ny Efitrano Fanjakana, tany amin’ny faritanàna manamorona an’i Mandalay, any Myanmar. Nipetraka teo akaiky teo ny anabavy iray izay tsy nitory intsony, sy ny fianakaviany. Nitsoka nankany amin’ny nisy ny tranony ny rivotra, ka nitady vonjy tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Nohavaozina ilay efitrano tamin’izay, ka nisy rahalahy maromaro tao. Gaga izy ireo nahita ilay anabavy, satria tsy fantany hoe nipetraka teo amin’ny manodidina teo izy. Nampian’izy ireo haingana ilay fianakaviana mba hamindra ny entany tamin’ny toerana azo antoka kokoa. Nody haingana ny vadin’ilay anabavy raha vao nandre momba ilay afo. Tsy Vavolombelona izy io, ary gaga sy velom-pankasitrahana erỳ nahita ireo rahalahy nanampy ny fianakaviany. Maivamaivana koa izy, satria matetika no manararaotra ny toe-javatra toy ireny ny mpangalatra. Noho ny hatsaram-panahin’ireo rahalahy dia miaraka amin’ny fiangonana kristianina indray ilay anabavy sy ny zanany lahy. Manatrika ny fivoriana rehetra izy ireo izao.

Olona maro no tratran’ny mosary tany Mozambika, tamin’ny taon-dasa, noho ny hain-tany sy ny faharatsian’ny vokatra. Nanao zavatra avy hatrany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, ka nanome sakafo ho an’ireo sahirana. Nozaraina tany amin’ny Efitrano Fanjakana izany, indraindray taorian’ny fivorian’ny fiangonana. Nilaza toy izao ny anabavy iray, izay reny tokan-tena: “Ketraka aho tany am-pivoriana, satria tsy fantatro akory izay sakafo homeko ny zanako rehefa ho tonga any an-trano izahay.” Vetivety anefa dia nahazo fampaherezana izy, satria nanampy azy tamim-pitiavana ireo rahalahy. Hoy izy: “Toy ny hoe nitsangana tamin’ny maty aho!”

‘Manao soa’ eo amin’ny lafiny ara-panahy koa ireo Vavolombelona, rehefa miresaka ny hafatra mampionona sy manome fanantenana avy ao amin’ny Baiboly. Mitovy hevitra amin’ilay lehilahy hendry fahiny izy ireo. Hoy mantsy izy io: “Fa izay mihaino [ny fahendren’Andriamanitra] kosa hitoetra tsy manana ahiahy, eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.”​—Ohabolana 1:33.

[Sary, pejy 31]

1, 2. Fizarana sakafo ho an’ireo sahirana tany Mozambika

3, 4. Nandrava trano maro ilay rivo-doza tany Guam

[Sary nahazoan-dalana]

Ankizy, havia: Andrea Booher/FEMA News Photo; vehivavy, ambony: AP Photo/Pacific Daily News, Masako Watanabe