Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manao Zavatra Araka ny Fahalalana ny Mahira-tsaina

Manao Zavatra Araka ny Fahalalana ny Mahira-tsaina

Manao Zavatra Araka ny Fahalalana ny Mahira-tsaina

“IRINA noho ny volamena” ny tari-dalan’ny Baiboly, eny, “noho ny tena volamena betsaka aza.” (Salamo 19:7-10) Nahoana? Satria ny “fampianaran’ny hendry [i Jehovah] dia loharanon’aina ka mampivily tsy ho ao amin’ny fandriky ny fahafatesana.” (Ohabolana 13:14) Manatsara sady tsy mahatandindomin-doza ny fiainantsika, ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa ampiharina. Ilaintsika tokoa àry ny mianatra sy mampihatra ny Soratra Masina!

Hanana fiainana tsara kokoa sy lava kokoa isika, raha manao zavatra araka ny fahalalana. Hanampy antsika hanao toy izany ny torohevitra nomen’i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny, ao amin’ny Ohabolana 13:15-25. * Mampiasa ohabolana fohy nefa misy heviny izy, ao amin’ireo andininy ireo. Asehony fa ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hahazo sitraka amin’ny hafa, hahatoky hatrany eo amin’ny fanompoana, hanaiky fananarana, ary hahay hifidy namana. Resahiny koa fa hendry izay mamela lova ho an’ny taranany sy mananatra azy ireny amim-pitiavana.

Ahazoana sitraka ny fahendrena tsara

Hoy i Solomona: “Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; fa sarotra ny làlan’ny mpivadika.” (Ohabolana 13:15) Milaza ny boky iray fa “milazalaza ny fahaiza-manavaka, fahaiza-mitsara zavatra, ary fahaiza-misaina” ny teny tany am-boalohany adika hoe “fahendrena tsara” na fahazoana hevi-javatra tsara. Mora ho an’ny manana toetra toy izany ny mahazo sitraka amin’ny hafa.

Mampiseho izany indrindra ny fomba nitondran’ny apostoly Paoly an’i Filemona, kristianina namany, rehefa namerina an’i Onesimosy izy. Mpanompo nandositra ny tompony mantsy i Onesimosy, na dia lasa Kristianina aza, tatỳ aoriana. Niangavy an’i Filemona i Paoly, mba handray tsara an’i Onesimosy, toy ny fandraisana azy. Nekeny mihitsy aza ny handoa ny trosan’i Onesimosy, raha nisy izany. Afaka nampiasa ny fahefany i Paoly, ka handidy an’i Filemona mba handray tsara an’i Onesimosy. Tsy nanao izany anefa izy. Naleony nandamina ilay raharaha tamim-panajana sy fitiavana. Natoky izy rehefa nanao izany fa hiara-miasa tsara aminy i Filemona, ka hanao mihoatra noho izay nangatahina taminy. Toy izany koa no tokony hitondrantsika ny mpiray finoana amintsika.—Filemona 8-21.

“Sarotra” kosa ny lalan’ny mpivadika. Inona no tiana hambara amin’izany? Misy manam-pahaizana milaza fa ilay teny ampiasaina eto, dia midika hoe “mahery na miorina tsara”, ary “manondro ny fihetsika tsy miraharaha ananan’ireo ratsy fanahy ... Manimba tena ny olona miziriziry amin’ny lalan-dratsiny, sy tsy miraharaha, ary tsy miraika amin’ny fampianarana tsara omen’ny hafa.”

Hoy koa i Solomona: “Ny mahira-tsaina rehetra miasa amin’ny fahalalana; fa ny adala kosa mampiseho hadalana.” (Ohabolana 13:16) Tsy olona fetsifetsy no atao hoe mahira-tsaina eo. Ampifandraisina amin’ny fahalalana kosa izany, ka ny olona maneho azy io, dia izay mahira-tsaina ka mandinika tsara, alohan’ny hanaovan-javatra. Mitandrina ny molony ny mahira-tsaina, rehefa misy manakiana tsy ara-drariny na miteny ratsy azy. Mivavaka amin’Andriamanitra izy mba hanampy azy haneho ny vokatry ny fanahy masina, ka tsy ho sosotra loatra. (Galatianina 5:22, 23) Na ny olon-kafa na ny toe-javatra, dia tsy avelan’ny mahira-tsaina na ny hendry hifehy azy. Tony foana izy, ary tsy miditra amin’ny fifandirana izay mahavoa matetika ny olona mora tezitra.

Manao zavatra araka ny fahalalana koa ny mahira-tsaina rehefa mandray fanapahan-kevitra. Fantany fa mahalana vao manampy azy hanao safidy amim-pahendrena ny manombantombana, ny manao zavatra amim-pahataitairana, ary ny manara-drian-drano fotsiny. Maka fotoana àry izy mba hamotopotorana tsara ny amin’ilay toe-javatra, ka hahafantarany ny zava-misy rehetra ary hamantarany hoe inona avy no safidy eo anoloany. Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina izy avy eo, ary fantariny ireo lalàna na toro lalana mihatra amin’ilay toe-javatra. Mahitsy foana ny lalan’ny olona toy izany.—Ohabolana 3:5, 6.

‘Famelombelomana ny iraka mahatoky’

Isika Vavolombelon’i Jehovah no nasaina hitory ny hafatra nomen’Andriamanitra. Manampy antsika hahatoky hatrany eo am-panatanterahana izany, ireo teny ao amin’ilay ohabolana manaraka hoe: “Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana.”Ohabolana 13:17.

Ny toetran’ilay iraka no hamafisina eo. Ahoana raha manolana na manova ilay hafatra entiny ilay mpitondra izany? Tsy hahazo fanamelohana ve izy? Eritrereto ny amin’i Gehazy, mpanampy an’i Elisa mpaminany. Natosiky ny fitsiriritana izy, ka nilaza hafatra tsy marina tamin’i Namàna, lehiben’ny tafika syrianina. Vokatr’izany, dia izy indray no voan’ilay habokana nahazo an’i Namàna. (2 Mpanjaka 5:20-27) Ahoana raha manjary tsy mahatoky ny iraka, ka mitsahatra tsy mitory ny hafatra intsony? Hoy ny Baiboly: “[Raha] tsy mety mananatra azy hiala amin’ny alehany [ianao], dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia [hadinin’i Jehovah] amin’ny tànanao.”—Ezekiela 33:8.

Famelombelomana ho an’ny tenany sy izay mihaino azy kosa ny iraka mahatoky. Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.” (1 Timoty 4:16) Eritrereto ny vokatra tsara ho azonao, rehefa manambara amim-pahatokiana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ianao. Mampihetsi-po an’ireo olona manana toe-po tsara izany, sady hahitany ny fahamarinana, izay manafaka azy ireo. (Jaona 8:32) ‘Hamonjy ny ainy’ ny mpitondra hafatra mahatoky, na dia tsy mihaino aza ny olona. (Ezekiela 33:9) Enga anie isika tsy hanao an-tsirambina mihitsy ny adidintsika hitory. (1 Korintianina 9:16) Enga koa anie isika hitandrina hatrany mba ‘hitory ny teny’, fa tsy hanatsatso na hanamboamboatra azy io mba hahatonga izany hanintona na tsy hanafintohina.—2 Timoty 4:2.

“Izay manaiky anatra no homem-boninahitra”

Tokony handa ny torohevitra tsara homena azy ve ny mahira-tsaina? Hoy ny Ohabolana 13:18: “Fahalahelovana sy henatra no ho an’izay mandà famaizana; fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.” Hendry isika raha mandray tsara ny anatra, na dia tsy nangataka ny hahazo izany aza. Mety ho tena hahasoa antsika ny torohevitra ka tokony hekentsika, na dia rehefa tsy takatsika aza fa mila azy ireny isika. Hisoroka ny alahelo isika sady hanalavitra ny loza, raha manaraka ireny torohevitra ireny. Ho afa-baraka kosa isika raha tsy miraharaha anatra.

Tena hampahery sy handrisika antsika ny teny fiderana, rehefa mendrika ny hahazo izany isika. Tokony hanampo ny hahazo fananarana koa anefa isika, ary hanaiky izany. Diniho ireo taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Nidera azy i Paoly noho izy nahatoky. Nisy torohevitra be dia be ho an’i Timoty koa anefa tao amin’izy ireo. Anisan’izany ny fomba hitanana ny finoana sy fieritreretana madio, fifandraisana tsara amin’ny mpiara-manompo, fananana fahaiza-mianina sy fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, fampianarana ny olon-kafa, fanoherana ny fivadiham-pinoana, ary ny fanatanterahana ny fanompoana. Tokony hangataka torohevitra any amin’ny Kristianina matotra ny tanora eo anivon’ny fiangonana, ary handray tsara izany.

‘Miaraha amin’ny hendry’

Hoy ilay mpanjaka hendry: “Mamin’ny fo ny faniriana tanteraka; fa fahavetavetana eo imason’ny adala ny hiala amin’ny ratsy.” (Ohabolana 13:19) Hoy ny boky iray, momba ny hevitr’io ohabolana io: “Afa-po ny olona, rehefa tanteraka ny faniriany na ny tanjony ... Zava-betaveta amin’ny adala ny miala amin’ny ratsy, satria tena mahafinaritra ny olona ny manatanteraka ny faniriany. Tsy ho tratran’ny ratsy fanahy anefa ny tanjony, raha tsy amin’ny fomba ratsy. Tsy ho azony intsony koa ilay fahafinaretana avy amin’ny fanatanterahana ny faniriany, raha miala amin’ny ratsy izy.” Tena zava-dehibe àry ny miezaka hanana faniriana tsara!

Tena manan-kery eo amin’ny eritreritsika ary ny zavatra tiantsika sy tsy tiantsika tokoa ny namana! Nilaza fahamarinana tsy tontan’ny ela i Solomona rehefa niteny hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Tena mamolavola ny toetrantsika amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy ny olona iarahantsika, eny fa na dia amin’ny alalan’ny fialam-boly, ny Internet, ary izay vakintsika aza. Ilaintsika mihitsy àry ny mifidy tsara ny namantsika!

‘Lova ho an’ny zafiny’

Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny mpanota dia enjehin’ny loza; fa hovalian-tsoa ny marina.” (Ohabolana 13:21) Hovalian-tsoa ny marina amin’izay ezaka hataony, satria miahy azy ireo i Jehovah. (Salamo 37:25) Tsy maintsy ekentsika anefa fa samy manjo antsika rehetra ny “fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Misy zavatra azontsika atao ve mba hiomanana amin’ny zava-mitranga tsy ampoizina?

Hoy i Solomona: “Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny.” (Ohabolana 13:22a) Lova sarobidy tokoa no avelan’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany, raha ampiany mba hahafantatra an’i Jehovah sy hifandray tsara aminy izy ireny! Tsy ho fahendrena anefa ve ny hanaovan’ny ray aman-dreny zavatra rehefa mety izany, mba hahazoan’ny fianakaviany izay ilainy raha sanatria maty tampoka izy? Any amin’ny tany maro, dia afaka manangana tahirim-bola, na manao didim-pananana sy fifanekem-piantohana aina ny raim-pianakaviana.

Inona kosa no azo lazaina momba ny lovan’ny ratsy fanahy? Hoy ihany i Solomona: “Ny haren’ny mpanota kosa voatahiry ho an’ny marina.” (Ohabolana 13:22b) Efa mandray soa dieny izao ny marina. Ho hita koa ny fahamarinan’ireo teny ireo, rehefa hotanterahin’i Jehovah ny fampanantenany hamorona “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13) Tsy hisy intsony amin’izay ny ratsy fanahy, fa “ny mpandefitra kosa no handova ny tany.”—Salamo 37:11.

Manao zavatra araka ny fahalalana ny mahira-tsaina, na dia mahantra aza. Hoy ny Ohabolana 13:23: “Ny tanin’ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; fa maro no ringana noho ny fanaovany izay tsy rariny.” Hitombo ny kely ananan’ny mahantra raha miezaka mafy izy, sady tahin’i Jehovah. Hamongotra ny harena kosa ny tsy fahaiza-mitsara zavatra, rehefa tsy misy ny rariny.

“Manafay azy”

Mila fananarana ny olona, manomboka eo amin’ny fahazazany, satria tsy lavorary. Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay [mananatra] azy, raha mbola kely.”Ohabolana 13:24.

Mampiseho fahefana ny tsora-kazo, ary manondro ny fahefan’ny ray aman-dreny io teny io, ao amin’ny Ohabolana 13:24. Tsy voatery hidika hoe mikapoka ankizy ny hoe mampiasa ny tsora-kazon’ny fananarana. Mampiseho ny fomba rehetra hanitsiana zanaka kosa izy io. Teny atao amin-katsaram-panahy indraindray, dia efa ampy hanitsiana ny ditran’ny ankizy iray. Mety hila fananarana mafimafy kokoa anefa ny ankizy hafa. Hoy ny Ohabolana 17:10: “Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.”

Tokony hotarihin’ny fitiavana sy fahendrena foana ny fananaran’ny ray aman-dreny, mba handraisan’ny zanany soa avy amin’izany. Tsy mitazam-potsiny ny fahadisoan’ny zanany izy fa manao zavatra, dieny mbola tsy latsa-paka loatra ao amin’ilay ankizy ireny fahadisoana ireny. Tena arahin’izy ireo ilay fampirisihan’i Paoly hoe: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:4.

Ahoana raha milefitra loatra ny ray aman-dreny, ka tsy mananatra ny zanany? Hahazo sitraka ve izy, any aoriana any, raha manao izany? Tsy hahazo mihitsy izy! (Ohabolana 29:21) Hoy ny Baiboly: “Ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15) Tsy rototra na tsy tena tia ny zanany ny ray aman-dreny, raha miahotra ny hampihatra ny fahefany. Asehony kosa fa tia azy ireo izy, raha hentitra sady tsara fanahy rehefa manao izany.

Hovalian-tsoa ny olon-kendry sy marina, izay manao zavatra araka ny fahalalana marina. Manome toky antsika i Solomona hoe: “Ny marina mihinana ka voky tsara; fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 13:25) Fantatr’i Jehovah izay hahasoa antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, na eo amin’ny raharaham-pianakaviana izany, na eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, na eo amin’ny fanompoana, na rehefa mahazo fananarana isika. Azo antoka koa fa hanana ny fomba fiaina tsara indrindra isika, raha hendry ka mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Teniny.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 28]

Mitandrina ny lelany ny mahira-tsaina, rehefa misy manakiana azy tsy ara-drariny

[Sary, pejy 29]

Mahavita soa maro ny mpitory ilay Fanjakana mahatoky

[Sary, pejy 30]

Tsy maintsy manaiky fanitsiana isika, na dia aleontsika aza teny fiderana

[Sary, pejy 31]

Tsy mitazam-potsiny ny fahadisoan’ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana