Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Natao Hampahafantarana ny Anaran’i Jehovah”

“Natao Hampahafantarana ny Anaran’i Jehovah”

“Natao Hampahafantarana ny Anaran’i Jehovah”

TIAN’NY olona maneran-tany Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay gazety namany hoe Mifohaza!, satria manome sakafo ara-panahy sy ahitana fianarana. Nisy mpamaky avy any Frantsa nanoratra ity taratasy ity, vao haingana, ka nahitana taratra an’izany:

“Tovovavy avy any Afrika aho, ary tsy nahita fianarana firy. Tsy ela izay, dia nanomboka namaky ny gazetinareo aho. Manintona ahy ireo foto-kevitra, ka lasa hitako fa tena tsara ny mamaky boky. Nihatsara ny teny ampiasaiko, ary tsy be diso intsony ny taratasy soratako, noho ireo gazety ireo.”

“Gaga aho fa resahinareo daholo izay mety ho foto-kevitra mahakasika ny olombelona sy ny tany ary ny Mpamorona. Tena mora azo ireo lahatsoratra, ka mandrisika ny olona hamaky teny. Tsy misy mahavita mampianatra ny karazan’olona rehetra, toy ny ataonareo.”

“Gaga koa aho mahita fa tsy natao ahazoam-bola ireny gazety ireny, fa natao hampahafantarana ny anaran’i Jehovah kosa. Fantatro fa mahazo sitraka aminy ianareo, ary misaotra anareo aho. Manovoza hery hatrany avy amin’ny Mpamorona, mba hoentinareo hampianatra.”

Manao fandaharam-pampianarana Baiboly any amin’ny tany 235 tokoa izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Avoaka amin’ny fiteny 148 Ny Tilikambo Fiambenana ary amin’ny fiteny 87 ny Mifohaza! Tsy olombelona no omem-boninahitra amin’ireo gazety mivoaka ara-potoana ireo. Ny torohevitra ara-baiboly sy araka ny toetrandro raketiny, dia natao ho voninahitr’ilay Mpamorona izay niteny hoe: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao no mampianatra anao hahita soa.” (Isaia 48:17) Enga anie ianao hahita soa rehefa mamaky tsy tapaka ny Soratra Masina sy ireo fitaovana fianarana Baiboly ireo.