Ry Tanora, Avelao ny Ray Aman-dreninao Hanampy Anao Hiaro ny Fonao!
Ry Tanora, Avelao ny Ray Aman-dreninao Hanampy Anao Hiaro ny Fonao!
INONA no zava-tsarotra indrindra atrehin’ny kapitenin-tsambo, araka ny hevitrao? Ny mamakivaky ranomasimbe ve? Tsy dia izany loatra. Efa manakaiky ny tany matetika vao misy vaky sambo, fa tsy eny afovoan-drano. Mety hampidi-doza kokoa noho ny mampidina fiaramanidina mihitsy aza, ny mampiantsona sambo ao an-tseranana. Nahoana?
Tsy maintsy miezaka misoroka ny loza rehetra mety hitranga eny akaikin’ny fiantsonana mantsy aloha ilay kapiteny. Mila mamantatra izay toerana misy rano mahery izy, mba tsy hidona amin’ny sambo hafa. Tsy maintsy miala amin’ny dongom-pasika sy ny vato na ny sisan-tsambo rendrika voasaron-drano koa izy. Vao mainka sarotra ny asany, raha sambany izy vao miditra ao amin’ilay seranana.
Matetika àry ny kapiteny hendry no mangataka mpanamory, hanampy azy hiatrika ireo olana ireo. Mahafantatra tsara ny lalana io mpanamory za-draharaha io, ary mazàna izy no mijoro eo akaikin’ilay kapiteny sy manome azy tari-dalana tsara. Miara-mijery ny loza mety hitranga izy ireo, sady manao izay hahatafita ny sambo amin’ny lalana tery, mandra-pahatongany eny amin’ny fiantsonana.
Afaka mahazo fanampiana sarobidy toy ny omen’io mpanamory io ny tanora kristianina, mba hiatrehany ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainany. Inona io fanampiana io? Ary nahoana no mila izany ny zatovo?
Tohizintsika ihany ilay ohatra teo. Azo oharina amin’ilay kapitenin-tsambo ianao, raha zatovo, satria tsy maintsy hitondra ny fiainanao ianao any aoriana. Toy ilay mpanamory kosa ny ray aman-dreninao, satria miezaka mitari-dalana anao, mba hahafahanao hiatrika ireo zava-tsarotra indrindra eo amin’ny fiainana. Mety ho sarotra aminao anefa ny hanaiky ny toroheviny, rehefa zatovo ianao. Nahoana?
Ny fo matetika no mampisy olana. Mety hahatonga anao haniry zavatra voarara mantsy izy io, na handa izay torohevitra heverinao fa maneritery ny fiainanao. Milaza ny Baiboly fa “ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Nampahafantarin’i Jehovah àry fa hiatrika zava-tsarotra lehibe ianao. Nampitandrina izy fa “mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra” ny fo, ka tena mety hampidi-doza. (Jeremia 17:9) Tsy vitan’ny hoe miteraka fanirian-dratsy fotsiny ny fo. Mety hamitaka ny tanora koa izy io, ka hahatonga azy hieritreritra hoe mahay noho ny ray aman-dreniny izy, na dia efa ela niainana kokoa aza izy ireo. Misy antony anefa matoa ianao ampirisihina hangataka fanampiana amin’i Dada sy Neny, mandritra ireo fotoan-tsarotra diavinao.
Nahoana ianao no tokony hankatò an’i Dada sy Neny?
Ny antony lehibe indrindra, dia satria i Jehovah, ilay Mpamorona ny fianakaviana, no milaza aminao fa tokony hihaino ny tari-dalan’izy ireo ianao. (Efesianina 3:15) Izy mivady no nasainy hikarakara anao, ka izany no anoroany hevitra anao hoe: “Hianareo zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.” (Efeziana 6:1-3, Fandikan-teny Katolika; Salamo 78:5) Na efa zatovo aza ianao, dia mbola andraikitry ny ray aman-dreninao ihany ny mitari-dalana anao, ary adidinao ny mankatò azy ireo. Rehefa nampirisika ny zanaka hanaiky ny ray aman-dreniny ny apostoly Paoly, dia nampiasa teny grika mahakasika ny zanaka rehetra, na firy taona izy na firy taona. Ao amin’ny Matio 23:37, ohatra, dia nantsoin’i Jesosy hoe ‘zanak’i’ Jerosalema ny mponina tao, na dia efa lehibe aza ny ankamaroany.
Olona nahatoky maro fahiny no mbola nankatò ny ray aman-dreniny foana, na dia efa lehibe aza. Anisan’izany i Jakoba. Na dia efa lehilahy lehibe aza izy, dia niaiky fa tokony hankatò ny didin-drainy mba tsy hanambady vehivavy tsy mpanompon’i Jehovah. (Genesisy 28:1, 2) Azo inoana koa fa hitany hoe nalahelo mafy ny ray aman-dreniny, rehefa nanambady Kananita mpanompo sampy ny rahalahiny.—Genesisy 27:46.
Ankoatra ny adidy napetrak’Andriamanitra taminy hitari-dalana anao, dia ny ray aman-dreninao kristianina no tsara toerana indrindra mba hanoro hevitra anao. Mahafantatra anao tsara mantsy izy, ary azo antoka fa naneho fitiavana sy nahafoy tena ho anao nandritra ny taona maro. Toy ilay mpanamory, dia avy amin’ny zavatra efa niainany no itenenan’izy ireo anao. Efa nahatsapa ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” izy ireo, sady nahatsapa fa andraisan-tsoa ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly.—2 Timoty 2:22.
Za-draharaha tokoa izy ireo, ka afaka manampy anao hiatrika na dia ny zava-tsarotra indrindra aza. Anisan’izany ny fifandraisanao amin’ny ankizilahy raha ankizivavy ianao, na amin’ny ankizivavy raha ankizilahy ianao. Ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreninao kristianina hitari-dalana anao amin’io lafin-javatra sarotra io?
Ny faniriana “hampiaraka”
Manoro hevitra ny kapiteny ny mpanamory mba hanalavitra ny dongom-pasika. Malemy mantsy ny dongom-pasika, saingy mamitaka, satria miova toerana foana. Hampirisika anao koa ny ray aman-dreninao mba hanalavitra ny toe-javatra mety hamitaka ny fonao. Fantany, ohatra, fa tena mahery ny faniriana “hampiaraka”, ary tsy hita izay ilazana azy indraindray. Mety hanimba anao anefa ireny fihetseham-po ireny.
Asehon’ny tantaran’i Dina fa ratsy fiafara izay misangy loza. Liana te hahafanta-javatra sy te hifalifaly angamba i Dina, ka niaraka tamin’ny tovovavy kananita, izay tsy nanana fitsipi-pitondran-tena hentitra. Toa tsy nampaninona sy nahafinaritra izany tamin’ny voalohany, nefa loza no niafarany. Nametaveta an’i Dina ilay tovolahy mendri-kaja indrindra tao an-tanàna.—Genesisy 34:1, 2, 19.
Be dia be koa ny fampirisihana hanao firaisana ankehitriny, ka mampitombo ny faniriana efa ao anatintsika. (Hosea 5:4) Rehefa mijery ny ankamaroan’ny tanora ianao, dia toa mahafinaritra tsy misy hoatra izany ny “mampiaraka.” Midobodoboka erỳ angamba ny fonao, rehefa mieritreritra hoe hiaraka amin’ny olona iray manintona anao. Hiezaka hiaro anao anefa ny ray aman-dreny be fitiavana, mba tsy hiarahanao amin’ny tanora tsy manaja ny fitsipik’Andriamanitra.
Niaiky i Laura fa tsy mahita ny loza mety hitranga ny zatovo, rehefa liana te hahafanta-javatra. Hoy izy: “Mitantara amiko ny ankizivavy mpiara-mianatra amiko indraindray hoe niara-nandihy tamin’ny ankizilahy ‘bôgôsy’ be ry zareo tamin’ny alina, ka tsy hohadinoiny mihitsy ilay izy. Fantatro fa manita-dresaka fotsiny ry zareo matetika, nefa mahaliana ahy ny zavatra tantarainy. Indraindray aza aho mieritreritra hoe matiantoka be, satria tsy miara-mifaly aminy. Ekeko fa rariny raha mandrara ahy tsy ho any amin’ireny toerana ireny ny ray aman-dreniko, nefa mbola te ho any ihany aho.”
Tsy misy freins ny sambo, ka ela vao tafajanona. Fantatry ny ray aman-dreny fa toy izany koa ny fitiavana miredareda. Oharina amin’ny omby entina hovonoina ny lehilahy tsy mahafehy ny fihetseham-pony, ao amin’ny Ohabolana. (Ohabolana 7:21-23) Azo inoana fa tsy tianao hitranga aminao izany, satria mety hahavaky ny fonao sy hampiala anao amin’i Jehovah. Mety ho tsikaritry ny ray aman-dreninao fa manomboka mamitaka anao ny fonao, ary mety hanome torohevitra anao momba izany izy. Ho hendry àry ve ianao ka hihaino azy ireo, mba hisorohana ny loza?—Ohabolana 1:8; 27:12.
Mila ny fanampian’i Dada sy Neny koa ianao, mba tsy ho voataonan’ny naman-dratsy. Ahoana no ahafahany manampy anao?
Tena mahery ny fitaoman’ny namana
Mety hampivily lalana ny sambo ny rano mahery. Mba hisorohana izany, dia tokony hotarihina amin’ny lalana hafa ilay sambo. Tena mahery toy izany koa ny fitaoman’ny namana, ka mila manohitra izany ianao, raha tsy te hiala amin’i Jehovah.
Nasehon’ny tantaran’i Dina fa “izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20) Tadidio fa izay tsy mahalala an’i Jehovah, na mifidy ny tsy hanaraka ny tari-dalany, no atao hoe “adala” ao amin’ny Baiboly.
Mety ho sarotra anefa ny mandà tsy hanaraka ny fomba fihevitry ny mpiara-mianatra aminao, na ny fanaony. Hoy i María José: “Tiako heken’ny ankizy hafa aho. Tsy tiako hieritreritra Ohabolana 1:10-16.
izy hoe tsy mitovy aminy aho, ka izany no nahatonga ahy haka tahaka azy ireo araka izay azoko natao.” Mety tsy ho voamarikao fa efa mitovy amin’ny an’ny namanao ny mozika sy akanjo fidinao, na ny fomba fiteninao. Mahafinaritra anao angamba ny miaraka amin’ny tanora mitovy taona aminao, ary ara-dalàna izany. Tena mety ho voatarik’izy ireny anefa ianao, ka hahita fahavoazana.—Tsaroan’i Caroline ny olana natrehiny, taona vitsivitsy lasa izay. Hoy izy: “Nanao sipa daholo ny ankamaroan’ny ankizivavy namako, na dia vao 13 taona monja aza. Nandritra ny taona maromaro, dia nampirisihin’izy ireo foana koa aho mba hampiaraka. Nitari-dalana ahy anefa i Neny, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany. Nihaino ahy nandritra ny ora maro izy sady nampieritreritra ahy, ary nampiseho tamiko fa aleo miandry mandra-pahamatotra kokoa, vao miaraka amin’ny ankizilahy.”
Mety hihevitra toy ny renin’i Caroline ny ray aman-dreninao, fa adidiny ny mampitandrina anao mba tsy ho voatariky ny namanao. Mety hisy zavatra handrarany anao, na tsy havelany hinamana amin’ny ankizy sasany ianao. Nahatonga an’i Nathan hifanditra imbetsaka tamin’ny ray aman-dreniny izany. Hoy izy: “Matetika ny namako no nanasa ahy hiaraka tamin-dry zareo. Tsy namela ahy handehandeha fotsiny niaraka tamin’ny ankizy maro be, na hamonjy fety tsy misy mpanara-maso anefa i Dada sy Neny. Tsy azoko, tamin’izany fotoana izany, hoe nahoana ny ray aman-dreny sasany no nilefitra kokoa tamin’ny zanany.”
Nazava tamin’i Nathan ihany anefa izany tatỳ aoriana. Niaiky izy hoe: “Nihatra tamiko mihitsy ilay teny hoe ‘miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.’ Miseho mora foana io hadalana io, rehefa tafaraka ny ankizilahy maromaro. Raha vao misy anankiray manao ditra fotsiny, dia misy manao ratsy kokoa noho izany, ary vao mainka ratsy noho izany aza no ataon’ny fahatelo. Manaraka daholo ny hafa avy eo. Na ny tanora milaza ho manompo an’i Jehovah aza dia voafandrika koa.”—Ohabolana 22:15.
Niady mafy mba tsy ho voatariky ny fony i Nathan sy María José, rehefa tsy navelan’ny ray aman-dreniny hanaraka ny zavatra nampirisihan’ny namany hatao. Nankatò anefa izy ireo, ka faly tatỳ aoriana. Hoy ny ohabolana: “Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry, ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.”—Ohabolana 22:17.
Mendrika homem-boninahitra
Sarotra voizina ny sambo rehefa mitongilana. Mora mivadika mihitsy aza izy, rehefa mitongilana loatra. Mirona ho tia tena sy haniry hanao zavatra efa voarara koa isika rehetra, satria tsy lavorary. Na izany aza anefa, dia hahomby ny tanora, raha manaraka tsara ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny.
Afaka manampy anao, ohatra, izy ireo mba tsy hihevitra fa misy lalan-kafa eo anelanelan’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana sy Matio 7:13, 14) Diso ny fiheverana hoe afaka manao zavatra tsy mety kely fotsiny ianao, fa tsy voatery manota tanteraka, toy ny hoe azo “andramana” ny fahotana, fa tsy voatery hatelina. ‘Miroa saina’ ny olona mihevitra toy izany, ka manompo an’i Jehovah ihany, nefa tia an’ity tontolo ity sy ny zavatra atolony koa. Mora mivadika izy ireo. (1 Mpanjaka 18:21; 1 Jaona 2:15) Inona no mahatonga izany? Satria mirona hanota isika.
ilay malalaka mankany amin’ny fandringanana. (Raha manaiky ho resin’ny fanirian-dratsy isika, dia hitombo ilay faniriana. Tsy ho afa-po amin’ny fanandramana kely fotsiny mantsy ny ‘fontsika mamitaka’, fa hitady bebe kokoa. (Jeremia 17:9) Hanan-kery bebe kokoa amintsika ity tontolo ity, rehefa manomboka voatarika hiala amin’i Jehovah isika. (Hebreo 2:1) Mety tsy ho tsapanao fa efa somary mihataka aminy ianao, toy ny sambo mitongilana. Kanefa azo inoana fa mahatsikaritra izany ny ray aman-dreninao kristianina. Mety ho tsy nahita fianarana be toa anao izy ireo, nefa mahalala zavatra betsaka kokoa momba ny fo mamitaka. Te hanampy anao koa izy mba ‘hampizotra ny fonao amin’ny lalana’ mankany amin’ny fiainana.—Ohabolana 23:19.
Aza manantena anefa hoe tsy misy lesoka mihitsy ny fomba fiheviny, rehefa mitari-dalana anao izy eo amin’ny fisafidianana mozika sy fialam-boly ary akanjo, na ny lafin-javatra manahirana toy izany. Mety tsy hanam-pahendrena be toa an’i Solomona, na hanam-paharetana be toa an’i Joba izy ireo. Mety hiaro be loatra anao koa izy ireo, toy ilay mpanamory izay mety ho diso mitandrina loatra. Hahazo tari-dalana sarobidy anefa ianao, raha manaraka ‘ny ana-drainao, ary tsy mahafoy ny lalàn-dreninao.’—Ohabolana 1:8, 9.
Misy tanora manakiana ny ray aman-dreniny. Raha miezaka manaraka ny Baiboly anefa ny ray aman-dreninao, dia hanampy anao foana na inona na inona olana mahazo anao, toy ilay mpanamory mijanona eo akaikin’ilay kapitenin-tsambo foana, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrandro. Mila azy ireo hitarika anao amin’ny lalan’ny fahendrena ianao, toy ilay kapitenin-tsambo mahazo torohevitra avy amin’ny mpanamory za-draharaha. Handray valisoa be dia be avy amin’izany ianao.
“Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka, izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana ... Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.”—Ohabolana 2:10-13, 21.
[Sary, pejy 22]
Mety hitarika anao hiala amin’i Jehovah ny tanora sasany
[Sary, pejy 23]
Tsarovy ny nanjo an’i Dina
[Sary, pejy 24]
Tokony hangataka tari-dalana amin’ny ray aman-dreniny ny tanora, toy ilay kapitenin-tsambo maka torohevitra amin’ny mpanamory za-draharaha
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Sary: www.comstock.com