Afaka Miaina Firy Taona ny Olona?
Afaka Miaina Firy Taona ny Olona?
NANAO dia nahaliana i Juan Ponce de León, Espaniola mpikaroka tany vaovao, tamin’ny 3 Martsa 1513. Nandray sambo tao Porto Rico izy, ary nikasa ho any amin’ny nosy Bimini. Voalazan’ny angano fa nandeha nitady loharano mahagaga izy, dia ilay Loharano Mahatanora. Tany amin’ilay toerana antsoina ankehitriny hoe Floride, any Etazonia, anefa izy no niantsona. Mazava ho azy fa tsy nahita ilay loharano izy, satria tsy misy izy io.
Amin’ny ankapobeny, dia tsy mihoatra ny 70 na 80 taona ny androm-piainan’ny olona ankehitriny. Milaza ny Boky Guinness 2002 Momba ny Zavatra Niavaka Indrindra Eran-tany (anglisy), fa niaina 122 taona sy 164 andro ny olona ela velona indrindra teto an-tany, na dia ela lavitra noho izany aza ny androm-piainan’ny olona sasany voaresaka ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 5:3-32) Izao anefa no nolazain’ilay manam-pahaizana atao hoe John Harris: “Araka ny fikarohana natao vao haingana, dia mety tsy hihantitra na ho faty intsony mihitsy ny olombelona.” Misy mpikaroka amin’izao taonjato faha-21 izao milaza fa “azo atao ny tsy ho faty intsony”, “tsy ho voafetra intsony ny fahaveloman’ny olona amin’ny 2099”, “ho afaka hizarazara mandrakizay ny sela”, sy teny hafa mitovitovy amin’izany.
Hoy i Mark Benecke ao amin’ilay bokiny hoe Mangetaheta Fiainana Mandrakizay (anglisy): “Mihavao imbetsaka ny ankamaroan’ny sela ao amin’ny vatana mandritra ny androm-piainana. ... Vaovao tanteraka ny vatantsika afaka fito taona eo ho eo.” Tsy mitohy mandrakizay anefa izany, satria misy fotoana tsy mizarazara intsony ny sela. Raha tsy voafetra toy izany anefa ilay fizarazarana, dia “afaka ny hihavao mandritra ny fotoana lava be na mandrakizay mihitsy ny vatan’ny olona”, hoy i Benecke.
Diniho koa ny zava-bitan’ny atidohan’ny olombelona. Mahatalanjona izy io, satria mahavita mihoatra noho izay ampiasantsika azy mandritra ny androm-piainantsika, izay azo lazaina hoe fohy ihany. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ny atidoha dia
“mahavita zavatra be lavitra noho ny vitany mandritra ny androm-piainan’ny olona iray.” (Fanontana 1976, Boky Faha-12, pejy 998) Izao no nolazain’i David Sousa: “Azo lazaina hoe tsy voafetra ny fanazavana azon’ny atidoha tahirizina.”—Ny Fomba Ianaran’ny Atidoha (anglisy), pejy 78, Fanontana Faharoa, copyright 2001.Nahoana no tsy azon’ny mpikaroka ny antony mahatonga antsika ho faty, rehefa mandinika ny firafitry ny vatantsika izy? Nahoana no mahavita zavatra be dia be toy izany ny atidohan’ny olona? Sao dia mba natao hiana-javatra foana àry isika? Nahoana tokoa moa isika no afaka mieritreritra an’izany fiainana mandrakizay izany?
Hoy ny Baiboly: “Ny mandrakizay dia efa nataon[’Andriamanitra] tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” (Mpitoriteny 3:11) Midika izany fa napetrak’Andriamanitra tao anatintsika ny faniriana hiaina mandrakizay. Hisy zavatra azo ianarana foana koa momba an’Andriamanitra sy ny asany. Afaka hianatra bebe kokoa hatrany momba ny zavatra mahatalanjona noforoniny isika, raha velona mandritra ny taona maro tsy voaisa, eny, mandrakizay mihitsy.
Hita amin’ny tenin’i Jesosy Kristy koa fa azo atao ny hiaina mandrakizay. Hoy izy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Ary ianao? Irinao ve ny hiaina mandrakizay?
[Sary, pejy 3]
Nitady loharano mahatanora i Juan Ponce de León
[Sary nahazoan-dalana]
Ponce de León: Harper’s Encyclopædia of United States History