Mamoa ao Amin’ireo Ampianarinao ve ny Fahamarinana?
Mamoa ao Amin’ireo Ampianarinao ve ny Fahamarinana?
NALAHELO tsy nisy hoatra izany ny ray aman-drenin’i Eric, rehefa nilaza izy fa tsy te ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Tsy nampoizin’izy ireo izany. Nanatrika fianaram-pianakaviana sy fivoriana kristianina ary niara-nitory tamin’ny fiangonana hatramin’ny mbola kely i Eric, ka toy ny hoe nandeha hatrany tao amin’ny fahamarinana. Rehefa niala tao an-trano anefa izy, vao fantatry ny ray aman-dreniny fa tsy tena ninoany ny fahamarinana. Taitra sy diso fanantenana àry izy ireo.
Izany koa no tsapan’ny sasany, rehefa mijanona tsy mianatra tampoka ny olona ampianariny Baiboly. Manontany tena izy ireo matetika hoe: Nahoana àry no tsy tsikaritro mialoha ilay izy? Azo fantarina alohan’ny hitrangan’ny olana ve raha mamoa ao amin’ireo ampianarintsika tokoa ny fahamarinana na tsia? Ahoana àry no ahazoantsika antoka fa miasa tsara ao anatintsika sy ao anatin’izy ireo ny fahamarinana? Mamaly izany ny fanoharan’i Jesosy momba ilay mpamafy.
Tokony hanohina ny fo ny fahamarinana
Hoy i Jesosy: “Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ary ireo [voafafy] teo amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitana azy, ary mamoa amin’ny fiaretana.” (Lioka 8:11, 15) Koa tsy maintsy mamaka ao am-pon’ireo olona ampianarintsika àry aloha ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, vao hamokatra ao aminy. Manome toky antsika i Jesosy fa toy ny voa tsara latsaka amin’ny tany tsara, ny fahamarinana rehefa manohina ny fo. Misy vokany avy hatrany izy io, ary mamoa. Inona àry no vokatra tokony hantenaintsika?
Tsy hianina amin’izay hitantsika isika fa tsy maintsy mamantatra ny toe-po. Tsy mampiseho foana izay tena ao am-pon’ny olona mantsy ny fahazarana ananany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Jeremia 17:9, 10; Matio 15:7-9) Mila mandinika lalina kokoa isika. Tokony ho efa niova tanteraka ilay olona, izany hoe ny faniriany, ny antony anaovany zavatra, ary izay heveriny ho zava-dehibe. Tokony ho efa niezaka hanana toetra vaovao mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa izy. (Efesianina 4:20-24) Nilaza, ohatra, i Paoly fa nanaiky avy hatrany ny vaovao tsara ho Tenin’Andriamanitra ny Tesalonianina. Ny fiaretana sy ny fahatokiana ary ny fitiavana nananan’izy ireo tatỳ aoriana anefa, no tena nampiaiky azy fa ‘niasa koa tao anatin’[izy ireo]’ ny fahamarinana.—1 Tesalonianina 2:13, 14; 3:6.
Na ho ela na ho haingana, dia ho hita amin’ny ataon’ilay mpianatra ihany izay tena ao am-pony, toy ny tamin’i Eric. (Marka 7:21, 22; Jakoba 1:14, 15) Mampalahelo anefa fa mety ho diso aoriana loatra, vao miharihary ny toetra ratsy sasany ananan’ny olona. Ny tena sarotra àry dia ny mamantatra hoe inona avy ireo fahalemena mety tsy hampandroso ny olona iray. Mila mahay mamantatra ny ao am-po àry isika. Ahoana no anaovantsika izany?
Mianara avy amin’i Jesosy
Nahafantatra avy hatrany izay tao am-pon’ny olona i Jesosy. (Matio 12:25) Tsy toy izany isika. Nasehony anefa, fa azontsika fantarina koa ny fanirian’ny olona sy ny antony anaovany zavatra, ary izay heveriny ho zava-dehibe. Mampiasa fomba samihafa, ohatra, ny dokotera mahay mba hamantarana izay marary amin’ny fo. Nampiasain’i Jesosy toy izany koa ny Tenin’Andriamanitra, mba ‘hanovozana’ sy hampiharihariana “ny eritreritry ny fo sy ny fikasany”, na dia tsy hita etỳ ivelany aza izany.—Ohabolana 20:5; Hebreo 4:12.
Nanampy an’i Petera, ohatra, i Jesosy indray mandeha, hahamarika fahalemena iray mety hanelingelina ny fanompoany. Fantany fa tia azy i Petera. Vao avy nankininy taminy mihitsy aza ‘ny lakilen’ny fanjakana.’ (Matio 16:13-19) Fantany koa anefa fa lasibatr’i Satana ny apostoliny. Hoterena mafy hanaiky lembenana izy ireo amin’ny hoavy. Niharihary tamin’i Jesosy koa fa tsy natanjaka tsara ny finoan’ny mpianany sasany, ka tsy nisorona izy nilaza mazava izay tokony hahitsy. Diniho ny fomba niresahany izany.
Milaza ny Matio 16:21 fa ‘nanomboka teo i Jesosy Kristy no nilaza tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hampijalina [izy], ka hovonoina ho faty.’ Tsy nilaza fotsiny izay hanjo azy i Jesosy. Azo inoana kosa fa nampiasa andinin-teny, toy ny Salamo 22:14-18 na ny Isaia 53:10-12, mihitsy izy mba hanaporofoana fa tsy maintsy hijaly sy ho faty ny Mesia. Na ahoana na ahoana anefa, dia afaka nampiseho ny tao am-pony i Petera sy ny namany, rehefa namaky na nilaza teny avy tao amin’ny Soratra Masina i Jesosy. Ahoana no hataon’izy ireo rehefa ho avy ny fanenjehana?
Olona sahisahy sy be zotom-po i Petera. Niharihary anefa fa nisy toe-tsainy nila nahitsy, rehefa namaly maimaika izy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô. Tsy ho izany mihitsy no hiafaranao.” Tena diso hevitra izy. Nilaza mazava tsara mantsy i Jesosy, fa ‘tsy ny hevitr’Andriamanitra no noeritreretiny, fa ny an’ny olombelona.’ Mety hitera-doza izany fahadisoana lehibe izany. Inona no nataon’i Jesosy avy eo? Rehefa avy niteny mafy an’i Petera izy, dia nilaza tamin’ny mpianatra hoe: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” Nampiasa ny Salamo 49:8 sy 62:12 izy, mba hampahatsiahivana azy ireo hoe Andriamanitra fa tsy olona no afaka hamonjy sy hanome azy ireo ny fiainana mandrakizay.—Matio 16:22-28.
Nisy fotoana naharesin-tahotra an’i Petera, ka nanda an’i Jesosy intelo izy. Nanampy sy nanomana azy ho tafarina haingana anefa iny resaka iny sy ny resaka hafa. (Jaona 21:15-19) Sahy nanambara teo imasom-bahoaka àry izy, rehefa afaka 50 andro monja, fa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. Imbetsaka izy no nosamborina sy nokapohina ary natao am-ponja, tao anatin’ireo herinandro sy volana ary taona maro nanaraka. Namela ohatra niavaka anefa izy satria tsy natahotra sy tsy nivadika fa sahy niatrika ireny.—Asan’ny Apostoly 2:14-36; 4:18-21; 5:29-32, 40-42; 12:3-5.
Inona no ianarantsika avy amin’izany? Voamarikao ve izay nataon’i Jesosy mba hanovozana sy hampiharihariana izay tao am-pon’i Petera? Nifidy andinin-teny mety izy aloha, mba hisarihana ny sain’i Petera ho amin-javatra iray nampanahy. Navelany hampiseho izay tao am-pony izy avy eo. Ary tamin’ny farany, dia nomeny torohevitra fanampiny avy tao
amin’ny Soratra Masina izy, mba hanitsiany ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony. Mieritreritra angamba ianao hoe tsy hainao ny hanao izany. Diniho anefa ireto zava-nitranga roa manaraka ireto. Asehon’izy ireo fa hanampy antsika hanahaka an’i Jesosy ny fiomanana sy ny fianteherana amin’i Jehovah.Tovozy ny ao am-po
Nampisaintsaina ny zanany roa lahy ny ray kristianina iray, rehefa fantany fa naka vatomamy teo ambonin’ny latabatry ny mpampianatra izy ireo. Nianatra tany amin’ny ambaratonga voalohany izy ireo tamin’izay. Tsy hoe tsy niraharaha izany ny rainy na nihevitra izany ho vazivazin’ankizy fotsiny. Hoy kosa izy: “Niezaka namantatra izay tao am-pony aho, hoe inona no nahatonga azy hanao izany ratsy izany.”
Nasain’ilay rainy notadidin’izy mirahalahy ny nanjo an’i Akana, voatantara ao amin’ny Josoa toko faha-7. Takatr’izy ireo avy hatrany ny tiana hambara ary nekeny ny hadisoany. Efa nanenjika azy ireo rahateo ny eritreriny. Nasain’ny rainy novakin’izy ireo àry ny Efesianina 4:28, manao hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy ... mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” Vao mainka nandaitra ilay torohevitra avy tao amin’ny Baiboly, rehefa nasain’ny rainy nanonitra ireo vatomamy ny zanany, ka nitondra izany tany amin’ilay mpampianatra.
Hoy ilay ray: ‘Raha vao tsikaritray fa misy zava-dratsy [ao am-pon’izy ireo] dia ataonay haingana izay hanalana izany. Mampisaintsaina azy ireo izahay mba hanoloana izany amin-javatra tsara sy madio.’ Nanahaka an’i Jesosy ireo ray aman-dreny ireo rehefa nampianatra ny zanany, ka tena nahita voka-tsoa. Nasaina niasa tany amin’ny foibe, tany amin’ny Betelan’i Brooklyn, izy mirahalahy tatỳ aoriana, ary mbola manompo any izao ny iray 25 taona atỳ aoriana.
Diniho ny fomba nampiharin’ny Kristianina iray, rehefa nanampy ny olona nampianariny Baiboly. Nivory sy nitory ary nilaza fa maniry hatao batisa ilay mpianatra. Toa niantehitra be loatra tamin’ny tenany anefa ilay mpianatra, fa tsy tamin’i Jehovah. Hoy ilay Vavolombelona: “Tokan-tena ilay ramatoa, ka tsy fantany akory fa lasa tsy tia niankin-doha tamin’ny hafa izy. Nampahatahotra ahy izany sao handreraka azy na hampihena ny finoany.”
Nampisaintsaininy an’ilay mpianatra àry ny voalazan’ny Matio 6:33. Nampirisihin’ilay Vavolombelona izy hanao ho loha laharana ilay Fanjakana, ary hatoky fa hanao izay tena mahasoa i Jehovah. Tsy nisalasala koa izy nanontany hoe: “Sarotra aminao ve indraindray ny miantehitra amin’ny hafa, na dia amin’i Jehovah aza, satria mipetraka irery ianao?” Niaiky ilay mpianatra fa tsy dia nivavaka intsony izy. Nampirisika azy àry ilay mpitory mba hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Salamo 55:22, ka hametraka ny entany amin’i Jehovah, satria manome toky ny 1 Petera 5:7 fa ‘mikarakara azy izy.’ Nanohina ny fony ireo teny ireo. Hoy ilay Vavolombelona: “Mahalana izy vao mba mitomany toy iny.”
Aoka hiasa ao anatinao foana ny fahamarinana
Faly erỳ isika rehefa mandray tsara ny fahamarinana ny olona ampianarintsika Baiboly. Tsy maintsy fakan-tahaka anefa aloha isika, raha tiantsika hahomby ny ezaka hataontsika hanampiana ny hafa. (Joda 22, 23) Ilaintsika rehetra àry ny ‘miezaka mafy foana amin-tahotra sy hovitra mba hahazoana ny famonjena.’ (Filipianina 2:12) Midika izany fa havelantsika hanazava ny fontsika foana ny Soratra Masina, mba hahitana izay fihetsika sy faniriana, ary fihetseham-po ilaina hahitsy.—2 Petera 1:19.
Tsy dia narisika tamin’ny asa kristianina ve ianao, ohatra, tato ho ato? Inona no mety ho antony? Miantehitra loatra amin’ny tenanao angamba ianao. Ahoana no ahalalanao raha izany no izy? Vakio ny Hagay 1:2-11, ary diniho amim-pahatsorana ny fomba nampisaintsainan’i Jehovah ireo Jiosy tafaverina tany amin’ny taniny. Manontania tena avy eo hoe: ‘Moa ve aho maniry loatra te hanan-karena sy hanana fiainana mampiadana? Tena matoky ve aho fa hikarakara izay ilain’ny fianakaviako i Jehovah, raha ataoko loha laharana ny fanompoana azy? Sa mieritreritra aho fa tsy maintsy ny tenako aloha no karakaraiko?’ Aza misalasala manitsy ny toe-tsainao sy ny fihetseham-ponao, rehefa hitanao fa misy ilaina hahitsy. Mampianatra antsika hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny harena sy izay ilaintsika, ny torohevitra ao amin’ny Matio 6:25-33 sy ny Lioka 12:13-21, ary ny 1 Timoty 6:6-12. Hotahin’i Jehovah hatrany isika raha manana izany fomba fijery izany.—Malakia 3:10.
Mahatonga saina ny fandinihan-tena amim-pahatsorana. Mety ho sarotra amintsika ny hanaiky ny fahalementsika, rehefa misy mampiseho azy ireny amintsika. Marina fa mety hanafintohina ny olona ny firesahana aminy ny kilemany, na izay mahakasika azy manokana. Raha manao zavatra hanampiana ny zanakao, na ny olona ampianarinao Baiboly, na ny tenanao mihitsy aza anefa ianao, dia mety hamonjy azy na ny tenanao izany.—Galatianina 6:1.
Ahoana anefa raha toa tsy mahomby ny ezaka ataonao? Aza malaky kivy. Mety hila fitandremana be sy fotoana ela, ary handreraka mihitsy aza indraindray ny manitsy ny fo tsy lavorary. Handraisan-tsoa anefa izany.
Tonga saina ihany i Eric, ilay tovolahy voaresaka teo aloha, ary nanomboka ‘nandeha tao amin’ny fahamarinana’ indray. (2 Jaona 4) Hoy izy: “Tsy niverina tamin’i Jehovah aho raha tsy efa nahatakatra fa namoy zavatra betsaka.” Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana izy izao noho ny fanampian’ny ray aman-dreniny. Niezaka foana izy ireo nanampy azy hamakafaka izay tao am-pony. Nahasorena azy izany taloha nefa ankasitrahany izany ankehitriny. Hoy izy: “Olona mahafinaritra ny ray aman-dreniko ary tia ahy foana.”
Tia sy tsara fanahy amin’ireo olona ampianarintsika isika, raha mamela ny Tenin’Andriamanitra hamirapiratra ao am-pony. (Salamo 141:5) Jereo foana raha lasa manana toetra kristianina ny zanakao sy ny olona ampianarinao Baiboly, rehefa mamantatra izay ao am-pony ianao. ‘Hazavao amin’ny fomba marina tsara ny tenin’ny fahamarinana’, mba hiasa foana ao anatinao sy ao amin’ny hafa.—2 Timoty 2:15.
[Sary, pejy 29]
Nahariharin’i Jesosy ny fahalemen’i Petera
[Sary, pejy 31]
Ampiasao ny Baiboly mba hanovozana ny ao am-po