Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarobidy ve ny Ainao?

Sarobidy ve ny Ainao?

Sarobidy ve ny Ainao?

AIN’OLONA maro be no naripaka tany Eoropa nandritra ny Ady Lehibe I. Nandritra izany fotoana izany ihany anefa, dia nisy ezaka miavaka natao hamonjena aina tany amin’ny Tendrontany Atsimo. Niharan-doza ilay Anglisy mpikaroka tany vaovao atao hoe Ernest Shackleton sy ny namany, rehefa nandona vongan-dranomandry ny sambo Endurance nentin’izy ireo, ka vaky sy nilentika. Nahavita nitondra ny namany teny amin’ny Nosy Elefanta, any amin’ny Ranomasina Atlantika Atsimo, ihany i Shackleton. Tsy afa-doza tanteraka anefa izy ireo.

Fantatr’i Shackleton fa tsy ho tafavoaka velona izy ireo, raha tsy mandefa olona hangataka fanampiana any amin’ilay toerana fanjonoana trozona, any amin’ny nosy Géorgie Atsimo. Arivo kilaometatra teo ho eo miala ny Nosy Elefanta anefa no misy azy io, ary lakan’aina kely mirefy fito metatra no sisa nananan’izy ireo. Kely ny fanantenana!

Nanahirana tokoa ilay dia naharitra 17 andro. Tonga tany Géorgie Atsimo ihany anefa i Shackleton sy ny tantsambo vitsivitsy tamin’ny 10 Mey 1916. Nahery be anefa ny ranomasina, ka tsy afaka niantsona teo amin’ilay toerana fanjonoana izy ireo. Voatery nandeha an-tongotra 30 kilaometatra tamin’ny lalana tsy fantatra, sy nananika tendrombohitra maromaro rakotra lanezy izy ireo vao tonga tany. Namirifiry ny hatsiaka ary tsy nanana fitaovana fianihana tendrombohitra izy ireo. Nahagaga anefa fa tonga tany amin’ny nalehany ihany i Shackleton sy ny namany, ary afaka namonjy ny tantsambo rehetra tafajanona teny amin’ny Nosy Elefanta. Nahoana i Shackleton no nikely aina toy izany? Satria “tiany ho tafavoaka velona daholo ny tantsambo rehetra”, hoy i Roland Huntford, nanoratra ny tantaram-piainan’i Shackleton.

“Miantso azy rehetra amin’ny anarany avy” izy

Nahoana ireo tantsambon’i Shackleton no tsy namoy fo, rehefa niandry teo amin’ilay nosy kely ‘rakotra vato sy ranomandry, sady sarotra aleha’? Satria natoky izy ireo fa hitana ny teny nataony ny lehibeny, ka hanavotra azy.

Tsy afa-manoatra toy ireo olona vaky sambo ireo ny olombelona ankehitriny. Faran’izay ratsy ny toe-piainan’ny olona maro, ary miady mafy izy mba hahavelomana. Afaka matoky anefa izy ireo fa ‘hamonjy ny ory’ amin’ny fijaliana sy ny fahoriana i Jehovah Andriamanitra. (Joba 36:15) Matokia fa sarobidy aminy ny ain’ny olona rehetra. Hoy izy: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho.”—Salamo 50:15.

Sarotra aminao ve ny hino hoe tena sarobidy amin’ny Mpamorona ianao, izay iray monja amin’ny olona an’arivony tapitrisa eto an-tany? Raha izany no izy, dia mariho izay nolazain’i Isaia momba ireo kintana an’arivony tapitrisa ao amin’ireo vahindanitra an’arivony tapitrisa. Hoy izy: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”—Isaia 40:26.

Azonao ve ny dikan’izany? Iray hetsy tapitrisa, fara fahakeliny, ny kintana ao amin’ny vahindanitra Voie Lactée, izay misy ny masoandro sy ny planeta manodidina azy. Misy vahindanitra firy anefa ankoatra an’io? Tsy misy tena mahalala izany, fa misy manombana hoe 125 000 tapitrisa no isany. Tena be dia be tokoa izany! Kanefa fantatry ny Mpamorona ny anaran’izy rehetra, hoy ny Baiboly.

“Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa”

Mety hisy hilaza hoe: ‘Raha mahafantatra ny anaran’ireo kintana an’arivony tapitrisa, na ny olona an’arivony tapitrisa ianao, dia tsy voatery hidika izany hoe miahy azy tsirairay ianao.’ Mahavita mitadidy anaran’olona an’arivony tapitrisa ny ordinatera, nefa tsy azo lazaina hoe miahy azy ireo velively. Lazain’ny Baiboly kosa anefa fa mahafantatra anaran’olona an’arivony tapitrisa i Jehovah Andriamanitra, sady miahy azy tsirairay. Hoy ny apostoly Petera: “Apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”—1 Petera 5:7.

Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Fa tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ireny na iray aza, ka tsy fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Matio 10:29-31) Tsy nilaza fotsiny i Jesosy hoe fantatr’Andriamanitra izay manjo ny fody sy ny olona. Hoy kosa izy: “Sarobidy noho ny fody maro ianareo.” Nahoana ianao no sarobidy kokoa? Satria natao ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra’ ianao, izany hoe afaka manana fitondran-tena sy fahaizana ary toetra mifanaraka amin’ny toetrany faran’izay tsara.—Genesisy 1:26, 27.

Vokatry ny “saina mahiratra”

Aza manaiky ho voafitaky ny olona tsy mino ny fisian’ny Mpamorona. Mihevitra izy ireny fa kisendrasendra no nampisy anao. Milaza koa izy ireny fa tsy natao ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra’ ianao, fa mitovy amin’ny biby rehetra ihany, anisan’izany ny fody.

Azon’ny sainao ekena ve hoe kisendrasendra fotsiny no nampisy ny fiainana? Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Michael Behe, fa tsy mitombina mihitsy izany, “rehefa jerena ny fiasan’ny zavatra simika saro-takarina” izay mamelona ny zavamananaina. Nilaza koa io manam-pahaizana manohitra ny evolisiona io, fa ny fiasan’ireny zavatra simika ireny dia porofo tsy azo lavina fa ‘nisy saina mahiratra namolavola ny aina, eny fa na dia ny ain’ny zavaboary tsotra indrindra eto an-tany aza.’

Milaza tokoa ny Baiboly fa misy saina mahiratra namolavola ny zavamananaina rehetra eto an-tany. Voalaza ao koa fa an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao izany saina izany.—Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11.

Ny fahoriana sy ny fanaintainana iaretantsika, dia tsy tokony hahatonga anao handa hoe misy Mpamorona namolavola ny tany sy ny zavamananaina rehetra eo aminy. Tadidio ireto hevi-dehibe roa ireto: Voalohany, tsy Andriamanitra no nahatonga ny faharatsiana manodidina antsika. Faharoa, misy antony tsara matoa avelan’ilay Mpamorona hitohy vetivety izany. Nohazavaina matetika tato amin’ity gazety ity fa avelan’i Jehovah Andriamanitra hisy mandritra ny fotoana voafetra ny faharatsiana, mba handaminana ny adihevitra nipoitra tamin’ny fotoana nanombohan’ny olona nikomy tamin’ny fahefany. *Genesisy 3:1-7; Deoteronomia 32:4, 5; Mpitoriteny 7:29; 2 Petera 3:8, 9.

“Hamonjy ny mahantra mitaraina izy”

Mahonena tokoa ny toe-piainan’ny olona maro ankehitriny, nefa mbola fanomezana sarobidy foana ny aina. Ary manao izay rehetra azontsika atao isika mba hiarovana azy io. Mampanantena Andriamanitra fa amin’ny hoavy isika, dia tsy hiady mafy mba ho velona ao anatin’ny toe-piainana ratsy sy mampijaly, toy ny niainan’ireo naman’i Shackleton tany amin’ny Nosy Elefanta. Mikasa hanavotra antsika amin’izao fiainana mampahory sy tsy misy dikany izao Andriamanitra, mba hahafahantsika “hihazona mafy ny tena fiainana.” Izany no nokasainy hatao hatramin’ny namoronany ny olombelona.—1 Timoty 6:19.

Hanao izany Andriamanitra, satria sarobidy aminy isika tsirairay. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany izy, mba hanao sorona ny ainy ka hanavotra antsika amin’ny ota sy ny tsy fahalavorariana ary ny fahafatesana, izay nolovantsika avy tamin’i Adama sy Eva razambentsika. (Matio 20:28) Hoy i Jesosy Kristy: ‘Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’—Jaona 3:16.

Inona no hataon’Andriamanitra ho an’ny olona mijaly noho ny fanaintainana sy ny fampahoriana? Hoy ny Teniny momba ny Zanany: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy.” Nahoana izy no hanao izany? Satria “zava-dehibe eo imasony ny rany [na ny ainy].”—Salamo 72:12-14.

Nampijaly ny olona nandritra ny taonjato maro ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana, ka toy ny hoe “mitoloko” noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mafy izy ireo. Navelan’Andriamanitra hisy izany, nefa fantany fa afaka hitondra vahaolana amin’izany izy atỳ aoriana. (Romanina 8:18-22) Kely sisa dia ‘hamerina ny zava-drehetra amin’ny laoniny’ izy, amin’ny alalan’ny Fanjakany entin’i Jesosy Kristy Zanany.—Asan’ny Apostoly 3:21; Matio 6:9, 10.

Hanangana ny olona maty taloha izay nijaly koa izy. Tsy misy atahorana ny amin’izy ireny, satria ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra izy. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Tsy ho ela dia hanana fiainana “be dia be” izy ireo, izany hoe fiainana mandrakizay sy lavorary ao amin’ny tany lasa paradisa, izay tsy hahitana fahoriana sy fanaintainana intsony. (Jaona 10:10; Apokalypsy 21:3-5) Hankafy tanteraka ny fiainana ny rehetra, ary hanana toetra tsara sy fahaizana mahavariana, izay mampiavaka ny olona natao ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra.’

Ho eo ve ianao amin’izay, ka hankafy ilay fiainana nampanantenain’i Jehovah? Miankina aminao ihany izany. Mampirisika anao izahay handray ny fanampiana omen’Andriamanitra, mba hahazoanao ireo fitahiana rehetra ireo. Ho faly hanampy anao ireo mpampanonta an’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Raha mila tsipiriany momba izany ianao, dia jereo ilay toko faha-8 hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?”, ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 4, 5]

Natoky ny naman’i Shackleton fa hitana ny teniny izy ka hanavotra azy

[Sary nahazoan-dalana]

© CORBIS

[Sary, pejy 6]

“Sarobidy noho ny fody maro ianareo”