Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Ahitanao ny Fampianarana Marina?

Aiza no Ahitanao ny Fampianarana Marina?

Aiza no Ahitanao ny Fampianarana Marina?

MISY lehilahy iray any Tibet, manodina karazana amponga kely mirakitra tonom-bavaka. Mihevitra izy fa mamerina ny vavaka ataony, isaky ny avy manodina an’ilay fitaovana. Misy trano lehibe indray any Inde, ahitana efitra kely atokana hivavahana. Ao ny olona no manolotra emboka manitra sy voninkazo ary zavatra hafa, ho an’ny sarin’ireo andriamanitra sy andriamani-bavy isan-karazany. Misy vehivavy mivavaka ao amin’ny eglizy mirenty iray any Italia, an’arivony kilaometatra miala eo. Mandohalika eo anoloan’ny sarin’i Maria renin’i Jesosy izy, sady mitana sapile.

Efa voamarikao angamba fa manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona ny fivavahana. ‘Efa hatramin’ny ela no nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona maneran-tany ny fivavahana’, hoy ny boky iray momba ny fivavahana manerana izao tontolo izao. Hoy koa i John Bowker ao amin’ilay bokiny hoe Tantara Fohy Momba An’Andriamanitra (anglisy): “Nisy heriny teo amin’ny fiainan’ny olona foana ny finoana an’Andriamanitra, ilay heverina ho mpifehy sy mpamorona izao rehetra izao. Marina izany na dia eo amin’ireo firenena milaza ho tsy mino an’Andriamanitra aza.”

Nanan-kery teo amin’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany tokoa ny fivavahana. Izany no manaporofo fa mila an’Andriamanitra ny olona, sady tena maniry hahafantatra azy. Nilaza ny Pr. Carl Jung, psikology malaza, tao amin’ilay bokiny hoe Zavatra Tsy Fantatra Momba ny Tena (anglisy), fa “hita taratra teo amin’ny tantaran’ny olombelona foana” ny faniriany hivavaka amin’ny hery lehibe iray.

Maro anefa no tsy mino an’Andriamanitra sady tsy liana amin’ny fivavahana. Nanjary nisalasala na nanda ny fisian’Andriamanitra ny olona sasany, rehefa tsy nanampy azy ireo hifandray taminy ny fivavahany. Ny fivavahana dia ny “fifikirana amina fitsipika, na fanarahana azy io an-tsakany sy an-davany.” Hita avy amin’io famaritana io fa saika ny olona rehetra no azo lazaina ho manaraka fivavahana ihany, eny fa na dia ireo tsy mino an’Andriamanitra aza.

Nanandrana karazana fivavahana maro ny olombelona nandritra ny an’arivony taona, mba hifandraisana amin’Andriamanitra. Samy hafa ny fampianarana hita eo anivon’ireny fivavahana ireny. Saika ny fivavahana rehetra, ohatra, no mino ny fisian’ny hery lehibe iray. Tsy mitovy anefa ny fiheveran’izy rehetra azy io. Antitranterin’ny fivavahana maro koa, fa tena ilaina ny famonjena na fanafahana. Samy hafa anefa ny fampianaran’izy ireo momba ny famonjena sy ny fomba hahazoana azy io. Ahoana àry no ahafantarantsika hoe iza amin’ireny fampianarana ireny no tena marina sy ankasitrahan’Andriamanitra?