Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy hatsangana amin’ny maty ve i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny, satria nivadika tamin’Andriamanitra izy rehefa antitra?—1 Mpanjaka 11:3-9.

Marina fa tanisaina ao amin’ny Baiboly ny anaran’ny lehilahy sy vehivavy sasany nanam-pinoana, izay azo antoka fa hatsangana amin’ny maty. Tsy voalaza ao anefa raha hatsangana na tsia ny olona tsirairay voatonona anarana ao. (Hebreo 11:1-40) Mety ho azontsika an-tsaina kely ihany anefa izay ho didim-pitsaran’Andriamanitra amin’i Solomona, rehefa ampitahaintsika izay voalaza momba ny fahafatesany sy ny an’ireo olo-nahatoky sasany.

Zavatra roa ihany no lazain’ny Soratra Masina fa mety hitranga amin’ny maty: Ny fahafatesana tsy maharitra, sy ny fahafatesana mandrakizay. Atsipy any amin’ny “Gehena” na “farihy afo”, ireo tsy mendrika ny hatsangana amin’ny maty. (Matio 5:22; Marka 9:47, 48; Apokalypsy 20:14) Anisan’izany i Adama sy Eva, mpivady olombelona voalohany, i Jodasy Iskariota ilay mpamadika, ary ireo maty noho ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny olona tamin’ny andron’i Noa sy ireo mponin’i Sodoma sy Gomora. * Any amin’ny Sheola na Hadesy, izany hoe ny fasana misy ny maty rehetra kosa, ireo mbola hatsangana amin’ny maty. Hoy ny Baiboly rehefa miresaka izay hitranga amin’izy ireny: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.”—Apokalypsy 20:13.

Ao amin’ny Sheola na Hadesy àry ireo olo-mahatoky resahina ao amin’ny Hebreo toko faha-11, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty. Anisan’izy ireo ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, toa an-dry Abrahama sy Mosesy ary Davida. Hevero izao izay lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesan’izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Nefa hianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry.” (Genesisy 15:15) Hoy koa izy tamin’i Mosesy: “Indro fa hodi-mandry any amin’ny razanao hianao.” (Deoteronomia 31:16) Momba an’i Davida rain’i Solomona indray dia milaza ny Baiboly, fa “lasa nodi-mandry any amin’ny razany ka nalevina tao an-Tanànan’i Davida” izy. (1 Mpanjaka 2:10) Ilay fitenenana hoe ‘nodimandry any amin’ny razany’ àry, dia fomba hafa ilazana fa any amin’ny Sheola ilay maty.

Inona no voalaza momba ny fahafatesan’i Solomona? Hoy ny Baiboly: “Ny andro nanjakan’i Solomona tamin’ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona. Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida rainy izy.” (1 Mpanjaka 11:42, 43) Toa mety àry ny hanatsoahana hevitra fa ao amin’ny Sheola na Hadesy i Solomona, ary miandry ny fitsanganana amin’ny maty.

Midika izany fa mety hatsangana amin’ny maty ny olona lazain’ny Soratra Masina hoe ‘nodimandry any amin’ny razany.’ Lazainy aza fa ‘nodimandry any amin’ny razany’ ny maro tamin’ireo mpanjaka nandimby an’i Solomona, nefa tsy nahatoky akory. Azo inoana izany satria “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Mazava ho azy fa tsy ho fantatsika marina hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty, raha tsy aorian’ny fananganana “izay rehetra any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Tsy hanome valiny hentitra àry isika, hoe iza amin’ireo olona fahiny no hatsangana amin’ny maty. Miandry kosa isika, ary matoky fa tsy hisy tsininy ny fanapahan-kevitra horaisin’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, pejy 178-179, fehintsoratra 8-10.