Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Sabatr’i Jehovah sy Gideona!”

“Ny Sabatr’i Jehovah sy Gideona!”

“Ny Sabatr’i Jehovah sy Gideona!”

TAHAKA ny valala ny hamaron’izy ireo, ka nahatonga ny saha lonaka ho ngazana. Tamin’ny andron’ny mpitsara teo amin’ny Israely no nitrangan’izany, ary namoy fo ny Israelita. Tonga nanafika sy nandroba ilay tany ny Midianita sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana maro be, nitaingina rameva. Fito taona no nanaovan’izy ireo izany, raha vao nanomboka nitsimoka ny voa nafafy. Niparitaka nitady tanimbilona ny andiam-bibin’ireo mpandroba ireo, ka nandany ny zavamaniry rehetra. Tsy nanana boriky na omby na ondry ny vahoakan’ny Israely. Lasa nahantra sy nihorohoro mafy izy ireo teo ambany fitondran’ny Midianita, ka voatery nanafina ny fananany tany an-tendrombohitra, sy tany anaty zohy ary tany an-toeran-kafa saro-dalana.

Inona no nahatonga izany fahoriana izany? Nanompo andriamani-diso ny Israely nivadi-pinoana, ka natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny mpampahory. Niantso vonjy tamin’i Jehovah anefa izy ireo rehefa tsy zakany intsony ilay fahoriana. Hihaino ve i Jehovah? Inona no ianarantsika avy amin’izay nanjo ny Israely?—Mpitsara 6:2-6.

Tantsaha malina sa “lehilahy mahery”?

Sarety sy omby no fampiasan’ny tantsaha israelita rehefa nively vary. Teny an-kalamanjana be rivotra no nanaovany ny fikororohana, mba hialan’ny akofa mora foana. Talaky maso loatra anefa izany ka tsy tsara, noho ireo mpandroba tapa-kevitra hanafoana tanteraka ilay tany. Tao anaty famiazam-boaloboka àry i Gideona no nively vary, mba tsy ho tazan’ny Midianita. Azo inoana fa lavaka lehibe nohadina tao anaty vatolampy ary notafoana, ilay famiazam-boaloboka. (Mpitsara 6:11) Tao no azony nivelezana tsikelikely ny vary tamin’ny hazo. Izay zavatra teo am-pelatanany ihany no nampiasain’i Gideona.

Gaga be izy rehefa nisehoan’ny anjelin’i Jehovah ary nilazany hoe: “Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.” (Mpitsara 6:12) Tao anaty famiazam-boaloboka izy no nively vary mba tsy hisy hahita, ka azo antoka fa tsy nieritreritra ny tenany ho lehilahy mahery mihitsy izy. Hita tamin’ireo teny ireo anefa fa ho mpitarika mahery teo amin’ny Israely izy, ary natoky izany i Jehovah. Nila natoky izany koa i Gideona.

Rehefa naniraka azy ‘hamonjy ny Israely teo an-tanan’i Midianina’ i Jehovah, dia niteny tamim-panetren-tena toy izao izy: ‘Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Israely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.’ Malina i Gideona ka nangataka famantarana, mba hinoany fa homba azy Andriamanitra rehefa hamely an’i Midianina izy. Ara-drariny ilay fanomezan-toky nangatahin’i Gideona, ka vonona hanatanteraka izany i Jehovah. Nisy afo nivoaka àry avy tamin’ny vatolampy, ka nandevona ilay fanatitra nentin’i Gideona teo amin’ilay anjely nitsidika azy. Nanorina alitara teo izy, rehefa avy nampitony ny tahotra nahazo azy i Jehovah.—Mpitsara 6:12-24.

“Aoka Bala no handahatra”

Tsy ny fampahorian’ny Midianita no olana lehibe indrindra teo amin’ny Israely, fa ny fanandevozan’ny fivavahana tamin’i Bala. “Andriamanitra saro-piaro” mantsy i Jehovah, ka tsy ankasitrahany izay olona manompo azy nefa mivavaka amin’andriamani-kafa koa. (Eksodosy 34:14) Koa nandidy an’i Gideona àry i Jehovah handrava ny alitaran’i Bala, izay an’ny rainy, sy hikapa ny tsato-kazo masina. Natahotra an-drainy sy ny mpiara-monina i Gideona, ka tsy tamin’ny antoandro no nanaovany izany fa tamin’ny alina. Nisy mpanompony folo lahy koa nanampy azy.

Rariny raha malina i Gideona, satria nitaky ny hamonoana azy ny mpivavaka tamin’i Bala, rehefa nahita ilay ‘fanazimbazimbana zava-masina’ nataony. Nirindra tsara sy tsy azo nolavina anefa ny hevitra nentin’i Joasy, rain’i Gideona, mba hampisaintsainana ny olona. Raha Andriamanitra i Bala, hoy izy, dia tokony hahay handahatra izy mba hiarovan-tena. Nety àry ny niantsoan’i Joasy ny zanany hoe Jerobala, izay midika hoe “Aoka Bala no handahatra.”—Mpitsara 6:25-32, f.a.p.

Tahin’Andriamanitra foana ny mpanompony, rehefa sahy manohana ny fivavahana marina. “Notsindrian’ny Fanahin’i Jehovah i Gideona”, rehefa nanafika indray ny faritanin’ny Israelita ny Midianita sy ireo mpiray dina taminy. (Mpitsara 6:34) Vitan’i Gideona ny nanangona ny miaramila avy tamin’ny fokon’i Manase sy Asera sy Zebolona ary Naftaly, noho ny fanampian’ny fanahy masina, na hery ampiasain’Andriamanitra.—Mpitsara 6:35.

Niomana hanafika

Nangataka famantarana tamin’Andriamanitra i Gideona, na dia efa nanana miaramila 32 000 aza. Raha lenan’ny ando ny volonondry hapetrany eo amin’ny famoloana, fa ho maina kosa ny tany rehetra, dia ho fantany fa amin’ny alalany no hamonjen’Andriamanitra ny Israely. Nataon’i Jehovah io fahagagana io. Nekeny koa ilay fangatahan’i Gideona famantarana mifanohitra amin’izany, dia hoe ny tany indray no ho lenan’ny ando fa ny volonondry ho maina. Malina loatra ve i Gideona? Toa tsy izany no izy, satria neken’i Jehovah ilay fanomezan-toky nangatahiny. (Mpitsara 6:36-40) Tsy manantena fahagagana toy izany isika ankehitriny. Afaka mahazo tari-dalana sy fanomezan-toky avy amin’i Jehovah, ao amin’ny Teniny, anefa isika.

Nolazain’Andriamanitra fa maro loatra ny miaramilan’i Gideona. Mety ho nirehareha mantsy ny Israelita hoe izy ireo ihany no namonjy ny tenany, raha tamin’ny alalan’ny tafika lehibe toy izany no nandreseny ny fahavalony. I Jehovah anefa no tokony homem-boninahitra noho ilay fandresena ho azon’izy ireo. Inona àry no natao? Tokony hampody ireo natahotra i Gideona, araka ny Lalàn’i Mosesy. Miaramila 22 000 no lasa nody, ka 10 000 sisa tavela.—Deoteronomia 20:8; Mpitsara 7:2, 3.

Hitan’Andriamanitra anefa fa mbola be loatra ihany ireo. Nasaina nampidinin’i Gideona teny amoron-drano izy ireo. Nolazain’i Josèphe mpahay tantara, fa nasain’Andriamanitra nampandeha ny miaramilany teny amin’ny renirano iray, tamin’ny andro nigaingaina, i Gideona. Na izany na tsy izany, dia nandinika ny fomba fisotron’ireo miaramila rano, i Gideona. Telonjato monja no naka rano tamin’ny tanany ilany, ka nilelaka sady nijery izay nety ho fahavalo hanafika. Ireo 300 lahy mailo ireo ihany no hiaraka amin’i Gideona. (Mpitsara 7:4-8) Alao sary an-tsaina hoe anisan’izy ireo ianao. Niisa ho 135 000 ny fahavalonareo, ka azo antoka fa hino ianao hoe tsy noho ny herinareo no mety handresenareo, fa noho ny herin’i Jehovah!

Nasain’Andriamanitra nisafo ny tobin’ny Midianita i Gideona, niaraka tamin’ny mpanampy iray. Rehefa tonga tao izy dia nandre lehilahy nitantara ny nofiny tamin’ny namany. Tsy nisalasala io namany io nilaza fa ny dikan’ilay nofy dia hoe tena hatolotr’Andriamanitra eo an-tanan’i Gideona i Midianina. Izany no tena nilain’i Gideona ho re. Natoky àry izy fa homen’i Jehovah azy sy ireo miaramilany 300 ny fandresena ny Midianita.—Mpitsara 7:9-15.

Ny tetikady

Nozaraina ho antokony telo nisy olona 100 avy ny 300 lahy. Nomena anjomara sy siny lehibe tsy nisy rano ny rehetra. Nisy fanilo nafenina tao anatin’ilay siny. Izao no baiko voalohany nomen’i Gideona: ‘Jereo aho, ka araho tsara izay ataoko. Raha mitsoka ny anjomara aho, dia mba tsofy koa ny anjomaranareo, ary miantsoa hoe: Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!’—Mpitsara 7:16-18, 20.

Nitsaitsaika nankeny amin’ny sisin’ny tobin’ny fahavalo ireo miaramila israelita 300. Tokotokony ho tamin’ny folo alina tamin’izay, ary vao avy nosoloana ny mpiambina. Izay no fotoana tsara hanafihana, satria elaela vao ho zatra ny haizina ny mason’ireo mpiambina vaovao.

Nihorohoro ny Midianita! Tampoka teo, dia re tao anatin’ny haizina ny fipasaky ny siny 300, ny feon’ny anjomara 300 ary ny horakorak’ireo 300 lahy. Vao mainka nihamafy ilay tabataba nampian’ny kiakiakan’ireo Midianita taitra be rehefa nandre ilay antsoantso hoe: ‘Ny sabatr’i Jehovah sy Gideona!’ Sarotra tamin’izy ireo ny nanavaka hoe iza no fahavalo, noho ilay fisafotofotoana be. Tsy nihetsika teo amin’ny toerana nanendrena azy izy 300 lahy, rehefa nampifamelezin’i Jehovah tamin’ny sabatra ireo fahavalo. Vaky nandositra ny miaramila eran’ny toby, nefa voasakana ny lalana. Nosamborina na novonoina ny sisa tavela, ka vita hatreo ny fandrahonan’ny Midianita. Nifarana ihany ny fibodoan’izy ireo ny tanin’ny Israely, izay naharitra ela sy nahitana vonoan’olona.—Mpitsara 7:19-25; 8:10-12, 28.

Nandresy i Gideona nefa tsy mba nirehareha. Nalemy fanahy izy, rehefa namaly ny tenin’ny Efraimita. Nila ady taminy mantsy ireo, satria toa nahatsiaro ho afa-baraka fa tsy mba nantsoiny handray anjara tamin’ilay ady. Nampitony ny fahatezerana mafin’ireo Efraimita ireo ny famaliany mora.—Mpitsara 8:1-3; Ohabolana 15:1.

Nilamina ny tany taorian’izay, ka niangavy an’i Gideona ny Israelita, mba hanaiky hatao mpanjaka. Fakam-panahy lehibe izany, nefa notoheriny. Tsy nodiany tsy hita ny hoe iza no nandresy an’i Midianina. Hoy izy: “Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.”—Mpitsara 8:23.

Tsy lavorary anefa izy ka nisy fotoana tsy nahaizany nitsara zavatra. Noho ny antony tsy voalaza, dia nanamboatra efoda avy tamin’ireo zavatra azo babo izy, ary narantiny tao an-tanànany. Voalaza fa nanomboka “nijangajanga” nanaraka izany efoda izany ny Israely rehetra. Nivavahan’izy ireo ilay izy, ary tonga fandrika, na dia tamin’i Gideona sy ny ankohonany aza. Tsy tena lasa mpanompo sampy anefa izy, satria lazain’ny Soratra Masina fa anisan’ny lehilahy nanam-pinoana an’i Jehovah.—Mpitsara 8:27; Hebreo 11:32-34.

Fianarana ho antsika

Andraisana fampitandremana sy fampaherezana ny tantaran’i Gideona. Mampitandrina antsika izy io fa ho simba tanteraka ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha esoriny amintsika ny fanahiny sy ny fitahiany, noho isika ratsy fitondran-tena. Ho tahaka ireo mponina nahantra tao amin’ilay tany potiky ny valala isika amin’izay. Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, ka tsy tokony hanadino mihitsy fa ny fitahian’i Jehovah no “mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22) Mitahy antsika Andriamanitra, satria ‘manompo azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto’ isika, fa raha tsy izany kosa, dia holaviny.—1 Tantara 28:9.

Mampahery antsika koa ny tantaran’i Gideona. Asehon’izy io fa hain’i Jehovah ny manafaka ny vahoakany amin’ny fandrahonana rehetra, ary azony ampiasaina amin’izany na dia ny olona toa osa sy tsy afa-manoatra aza. Mampiharihary ny hery tsy manam-petran’Andriamanitra, ny nandresen’i Gideona sy ny 300 lahy an’ireo Midianita 135 000. Mety ho tojo toe-javatra mampamoy fo isika, ary mety ho toa maro be ny fahavalontsika. Mampirisika antsika hitoky amin’i Jehovah anefa ny tantaran’i Gideona ao amin’ny Baiboly. Hitahy sy hanafaka an’izay rehetra maneho finoana azy izy.