Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Nanaiky Lembenana Izy Ireo”

“Tsy Nanaiky Lembenana Izy Ireo”

“Tsy Nanaiky Lembenana Izy Ireo”

HOY i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko.” (Matio 5:11) Sambatra ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, satria manaraka ny fampianaran’i Kristy sy ny ohatra navelany, ka “tsy anisan’izao tontolo izao”, tsy manao politika, ary tsy mivadika amin’Andriamanitra mihitsy amin’ny toe-javatra rehetra.—Jaona 17:14; Matio 4:8-10.

Tsy nanaiky lembenana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, anisan’izany ny tany Estonia. Niresaka momba izany i Toomas Paul, teolojianina loteranina sady mpandika Baiboly, tao amin’ilay bokiny hoe Kirik keset küla (Eglizy eo Afovoan-tanàna). Hoy izy: “Vitsy no nahalala izay nitranga tamin’ny 1 Aprily 1951 vao maraina be. Nisy tetika natao hamongorana ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay rehetra nanohana azy ireo, ka 279 no nosamborina sy nalefa tany Siberia ... Afaka nanao sonia taratasy iray nilaza ny fialany tamin’ny finoany izy ireo, raha tsy te hogadraina na halefa sesitany. ... Niaraka tamin’ireo efa nosamborina teo aloha, dia 353 no nogadraina. Tsy latsaka ny 171 tamin’izy ireo, no olona vao nifanerasera tamin’ny fiangonan[’ny Vavolombelon’i Jehovah]. Tsy nanaiky lembenana izy ireo na dia efa tany Siberia aza. ... Vitsy tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Eglizy [Loteranina Estonianina], no nanana finoana nitovy tamin’ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Matoky ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, fa hanampy azy ireo tsy hivadika sy hankatò azy Andriamanitra, na dia eo aza ny fanenjehana. Faly izy ireo mahafantatra fa lehibe ny valisoa miandry azy noho ny tsy fivadihany.—Matio 5:12.