Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dia Lavitra Novalian-tsoa

Dia Lavitra Novalian-tsoa

Dia Lavitra Novalian-tsoa

AVY any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ity tantara ity. Nisy mpirahavavy nanapa-kevitra ny hanao dia lavitra sy hamakivaky faritra rotidrotiky ny ady. Naniry ho any Lisala izy ireo, mba hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Omeo Voninahitra Andriamanitra.” Te handray soa tamin’ny fampianarana ara-baiboly sy ny fiarahana tamin’ny Kristianina hafa tany izy ireo. Nirin’izy ireo mafy koa ny hihaona tamin’ny solontena avy any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any Kinshasa. Efa an-taonany maro mantsy no tsy nahitan’izy ireo solontena avy any mihitsy, satria niady an-trano ilay firenena. 

Niainga tao Basankusu, tanàna nahabe azy izy ireo, ary nandeha lakana nankany Lisala. Lalana 300 kilaometatra eo ho eo izany, ary namakivaky ala sy renirano roa izy ireo. Roatokombolana no nanaovany ilay dia. Nanararaotra nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana koa izy mirahavavy teny an-dalana. Mpitory manontolo andro efa nandritra ny 3 taona mantsy ny iray, ary ilay iray kosa nandritra ny 19 taona. Nahavita nitory adiny 110 teo ho eo izy ireo nandritra ilay dia, ary nahapetraka taratasy mivalona 200 sy gazety 30.

Be hipopotama sy voay ny renirano tsy maintsy nandehanany. Tsy afaka nandeha lakana tamin’ny alina àry izy ireo, satria mampidi-doza izany! Maro koa ny toeram-pisavan’ny miaramila nandalovan’izy ireo.

Lavitra be sy nandreraka ilay dia, nefa nahafa-po azy ireo ny ezaka nataony. Tena faly sy feno fankasitrahana izy ireo nanatrika an’ilay fivoriambe tao Lisala. Nafana fo tamin’ny fahamarinana tokoa izy mirahavavy, ary nampahery azy ireo ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy 7 000 tany. Niatrika zava-tsarotra toy ny tamin’ny nandroso ihany izy ireo, rehefa niverina. Tonga soa aman-tsara anefa izy ireo, ary nifankahita indray tamin’ny fianakaviany.