Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manomboka Androany Aho dia Mino fa Misy Andriamanitra”

“Manomboka Androany Aho dia Mino fa Misy Andriamanitra”

“Manomboka Androany Aho dia Mino fa Misy Andriamanitra”

AVY any Ukraine i Alexandra ary mipetraka any Prague, any amin’ny Repoblika Tseky. Nahita poketra voadakadakan’ny mpandalo teo amin’ny fiandrasana bisy izy, rehefa handeha hody avy niasa. Tsy nampino azy ny zavatra hitany tao rehefa noraisiny ilay izy. Vola iray pake nisy 5 000-koruna be dia be no tao (Ar 344 505 eo ho eo ny 5 000-koruna)! Toa tsy nisy olona nitady an’ilay poketra anefa teo akaikikaiky teo. Vahiny any amin’ny Repoblika Tseky i Alexandra, ka sahirana ara-pivelomana. Inona àry no hataony?

Nasehony an’i Victoria zanany vavy ilay poketra rehefa tonga tany an-trano izy. Nosavan’izy ireo ilay izy mba hahitana ny anarana sy ny adiresin’ny tompony, saingy tsy nisy tao. Sombin-taratasy nisy nomeraona kaonty kosa no hitan’izy ireo, ary nisy nomerao maromaro tao ambadik’izy io. Nisy toromarika manondro ny lalana mankany amin’ny banky iray teo an-toerana koa tao, ary taratasy nisy soratra hoe “330 000 koruny” (Ar 21 810 000 eo ho eo). Ary izany indrindra no vola tao anatin’ilay poketra.

Niezaka nitelefaonina an’ilay banky i Alexandra. Nantsoiny izay nomerao nitovitovy tamin’ny nomeraon-telefaonina tao amin’ilay poketra, fa tsy nisy namaly. Nankany amin’ilay banky àry izy sy ilay zanany mba hanazava izay nitranga, ary nanontany momba ilay nomeraona kaonty hitany tao amin’ilay poketra. Tsy tao amin’ilay banky anefa io nomerao io. Niverina indray i Alexandra ny ampitso, ary nitondra nomerao hafa hitany tao amin’ilay poketra. Tena nomeraona kaonty tao amin’ilay banky ilay izy, ary vehivavy no tompony. Niresaka taminy i Alexandra sy Victoria, ka nilaza izy fa azy tokoa ilay zavatra very. Tena nankasitraka azy mianaka ilay vehivavy rehefa nihaona ry zareo, ary nilaza hoe: “Tokony hanome valisoa anareo aho noho ny namerenanareo ny volako. Inona no tianareo?”

Namaly i Victoria hoe: “Aoka izao ihany. Raha te hahazo vola izahay, dia notazoninay fotsiny ireny vola ireny.” Tsy tena nahay teny tseky i Victoria nefa nanazava hoe: “Averinay kosa ny volanao satria Vavolombelon’i Jehovah izahay. Tsy mamela anay hitazona zavatr’olona mantsy ny feon’ny fieritreretanay voaofan’ny Baiboly.” (Hebreo 13:18) Faly ilay vehivavy ary nilaza hoe: “Manomboka androany aho dia mino fa misy Andriamanitra.”