Ambony Amin’ny Lafiny Rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra
NAMPIANATRA ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy hoe: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.’ ” (Matio 6:9, 10) Manazava ny antony nanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra io vavaka io, izay antsoin’ny maro koa hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo na Rainay Izay any An-danitra.
Amin’ny alalan’io Fanjakana io no hanamasinana ny anaran’Andriamanitra, izay afa-baraka tanteraka noho ny fikomian’i Satana sy ny olombelona. Hanaisotra ireo fahafaham-baraka rehetra anefa ilay Fanjakana. Tena zava-dehibe izany. Tsy maintsy manaiky ny zon’Andriamanitra hitondra, sy mihevitra ny anarany ho masina ny zavaboary manan-tsaina rehetra, raha te ho sambatra.—Apokalypsy 4:11.
Natsangana koa ilay Fanjakana, mba hahatonga ny ‘sitrapon’Andriamanitra hatao etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’ Inona io sitrapon’Andriamanitra io? Izany dia ny hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona, izay nafoin’i Adama. Hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, koa io Fanjakana io, ka hanao ny tany ho paradisa honenan’ny olona tsara fanahy mandrakizay. Eny, hokosehin’ny Fanjakan’Andriamanitra avokoa ny voka-dratsin’ilay fahotana tany am-boalohany, ary hotanterahiny ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. (1 Jaona 3:8) Io Fanjakana io sy izay rehetra hataony, raha ny marina, no foto-kevitry ny Baiboly.
Ambony amin’ny lafiny maro
Fitondram-panjakana tena mahery ny Fanjakan’Andriamanitra. Manampy antsika hahazo an-tsaina ny hery ananan’izy io ny faminanian’i Daniela. Hoy izy: ‘Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay hanorotoro sy handevona ny fanjakana rehetra’ tantanan’ny olombelona. “Tsy ho rava mandrakizay” koa izy io, fa tsy toy ny fanjakan’olombelona izay miforona ary avy eo rava. (Daniela 2:44) Tsy izay ihany anefa. Ambony lavitra noho ny fitondran’olombelona io Fanjakana io, amin’ny lafiny rehetra.
Ambony noho ny mpitondra olombelona ny Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Diniho hoe iza io Mpanjaka io. “Nanonofy Daniela sady nahita fahitana.” “Toy ny zanak’olona” no fahitany an’ilay Mpitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Nankeo anoloan’Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra, izy io ary nomena “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana.” (Daniela 7:1, 13, 14) Tsy iza akory ilay Zanak’olona, fa i Jesosy Kristy, na ny Mesia. (Matio 16:13-17) Notendren’i Jehovah Andriamanitra ho Mpanjakan’ny Fanjakany izy. Nilaza tamin’ireo Fariseo ratsy fanahy toy izao i Jesosy, fony teto an-tany: “Eo afovoanareo ny fanjakan’Andriamanitra.” Te hilaza izy hoe niaraka tamin’izy ireo teo, ilay ho Mpanjakan’io Fanjakana io.—Lioka 17:21.
Tsy misy olombelona mendrika ny hitondra toa an’i Jesosy. Efa noporofoiny fa ho Mpitarika manao ny marina sy azo ianteherana ary mangoraka izy. Asehon’ny Filazantsara fa lehilahy nazoto niasa sy be fitiavana ary niantra olona izy. (Matio 4:23; Marka 1:40, 41; 6:31-34; Lioka 7:11-17) Tsy mandaitra aminy intsony ny fahafatesana, rehefa natsangana tamin’ny maty izy. Ary tsy mandaitra aminy koa ireo zavatra hafa mametra ny olombelona.—Isaia 9:5, 6.
Mitondra avy any an-danitra i Jesosy sy ireo miara-manjaka aminy.
Hitan’i Daniela tamin’ny fahitana koa, fa ‘ny fanjakana sy ny fanapahana dia homena ny olo-masina.’ (Daniela 7:27) Tsy manjaka irery i Jesosy. Misy olon-kafa miaraka aminy, mba ho mpanjaka sy mpisorona. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:6) Hoy ny apostoly Jaona momba azy ireo: “Nahita aho, ary indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, ... izay novidina avy teto an-tany.”—Apokalypsy 14:1-3.
I Jesosy Kristy efa lasa Mpanjakan’ilay Fanjakana, io Zanak’ondry io. (Jaona 1:29; Apokalypsy 22:3) Ilay Tendrombohitra Ziona kosa dia ny lanitra. * (Hebreo 12:22) Mitondra avy any an-danitra i Jesosy sy ireo 144 000 miara-miasa aminy. Fantatr’izy ireo daholo ny zava-mitranga maneran-tany, noho izany toerana ambony misy azy izany! Antsoina hoe “fanjakan’ny lanitra” koa “ny fanjakan’Andriamanitra”, satria any an-danitra no misy azy. (Matio 13:11; Lioka 8:10) Tsy misy fitaovam-piadiana mahavoa na maharava an’io fitondram-panjakana any an-danitra io, eny fa na dia ireo fitaovam-piadiana niokleary aza. Tsy mety resy izy io, ary hahatontosa ny asa nampanaovin’i Jehovah azy.—Hebreo 12:28.
Manana solontena mendri-pitokisana eto an-tany, ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ahoana no ahafantarantsika izany? Hoy ny Salamo 45:16: ‘Hanendry mpanapaka [andriana, TV ] eny amin’ny tany rehetra ianao.’ Ilay Zanak’Andriamanitra no iresahana eo. (Salamo 45:6, 7; Hebreo 1:7, 8) I Jesosy Kristy mihitsy àry no hanendry andriana hisolo tena azy. Afaka matoky isika, fa hanaraka an-tsakany sy an-davany ny tari-dalany izy ireo. Na ankehitriny aza, dia efa ampianarina mba tsy ‘hanjakazaka’ amin’ny mpiara-manompo, ireo lehilahy mahafeno fepetra ho anti-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tokony hiaro sy hamelombelona ary hampahery kosa izy ireo.—Matio 20:25-28; Isaia 32:2.
Olo-marina ny vahoakan’ilay Fanjakana.
Tsy misy tsiny sy marina eo imason’Andriamanitra izy ireo. (Ohabolana 2:21, 22) Hoy ny Baiboly: “Ny mpandefitra ... no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11) Mpandefitra ny vahoakan’ilay Fanjakana, izany hoe mora atoro sy manetry tena ary malemy fanahy. Ny fifandraisany amin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra aminy. (Matio 5:3) Mankatò ny toromarik’Andriamanitra izy ireo, ary ny hanao izay mahitsy no tiany.
Ambony noho ny lalàn’olombelona ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra.
I Jehovah Andriamanitra mihitsy no manome ny lalàna sy ny toro lalana mifehy ilay Fanjakana. Mahasoa antsika izy ireny, fa tsy maneritery. (Salamo 19:7-11) Olona maro no efa mandray soa, satria manaraka ny fitsipika marin’i Jehovah. Manatsara ny fiainam-pianakaviantsika, ohatra, ny fanarahana ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady sy ny ankizy. (Efesianina 5:33–6:3) Mihatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa, rehefa arahintsika ilay baiko hoe: “Mitafia fitiavana.” (Kolosianina 3:13, 14) Ho zatra miasa tsara koa isika, sady hahay handanjalanja eo amin’ny resa-bola, rehefa ampiharintsika ny toro lalan’ny Soratra Masina. (Ohabolana 13:4; 1 Timoty 6:9, 10) Mitandro ny fahasalamana isika rehefa tsy mimamo, tsy maloto fitondran-tena, tsy mifoka sigara na mihinam-paraky na zava-mahadomelina hafa.—Ohabolana 7:21-23; 23:29, 30; 2 Korintianina 7:1.
Fitondram-panjakana naorin’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Marina ny lalàn’i Jehovah ary feno fitiavana ny toro lalany. Mila manaraka hatrany an’izany i Jesosy Kristy, ilay Mesia Mpanjakan’izy io, sy ny mpiara-miasa aminy rehetra, satria adidiny eo anatrehan’Andriamanitra izany. Faly mankatò ny lalàn’Andriamanitra ny vahoakan’ilay Fanjakana, anisan’izany ireo andriana solontenan’izy io eto an-tany. Ny
fivavahana amin’Andriamanitra àry no zava-dehibe indrindra amin’ny mpitondra sy ny vahoakan’ilay Fanjakana. Hitantsika avy amin’izany, fa Andriamanitra tokoa no mpitondra an’io Fanjakana io. Azo antoka fa hahatanteraka soa aman-tsara ny zavatra nampanaovina azy izy io. Rahoviana anefa ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny Fanjakan’ny Mesia, no tokony hanomboka hitondra?Rahoviana ilay Fanjakana no tokony hanomboka hitondra?
Manampy antsika hamantatra izany ny tenin’i Jesosy hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny hafa firenena mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) I Jerosalema no hany tanàna nametrahan’Andriamanitra ny anarany, teto an-tany. (1 Mpanjaka 11:36; Matio 5:35) Io no renivohitr’ilay fanjakana nankasitrahan’Andriamanitra. Hohitsahin’ny hafa firenena io tanàna io, izany hoe hiato mandritra ny fe-potoana iray ny fitondran’Andriamanitra ny vahoakany, fa ireo fitondram-panjakan’olombelona indray no hitondra. Rahoviana izany no hanomboka?
Izao no nolazaina tamin’ilay mpanjaka farany tao Jerosalema, izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah: ‘Hesorina ny hamama, ary halana ny satroboninahitra. Tsy haharitra koa izany mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.’ (Ezekiela 21:30-32) Hesorina amin’ny lohan’io mpanjaka io ny satroboninahitra, ary hiato mandritra ny fe-potoana iray ny fitondran’Andriamanitra ny vahoakany. Nitranga tamin’ny 607 T.K. izany, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina. Tsy nanana fitondram-panjakana teto an-tany Andriamanitra, nandritra “ny fe-potoana voatondro” nanaraka izany. Rehefa tapitra io fe-potoana io vao nomen’i Jehovah an’ilay “tena tompony”, na i Jesosy Kristy, ny fahefana hanjaka. Haharitra hafiriana ilay fe-potoana?
Izao no voalazan’ny faminaniana iray ao amin’ny bokin’i Daniela: ‘Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina ambara-pahalanin’ny fetr’andro fito aminy.’ (Daniela 4:20) Ho hitantsika fa mitovy ny faharetan’io “fetr’andro fito” io sy “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”
Mety hanondro olona tsirairay, na mpitondra maromaro, na fanjakana, ny hoe hazo ao amin’ny Baiboly. (Salamo 1:3; Jeremia 17:7, 8; Ezekiela, toko 31) Tazana “hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra” ilay hazo resahin’ny faminanian’i Daniela. (Daniela 4:8) Ny fanjakan’olombelona manontolo araka izany no fitondrana mifanitsy amin’ilay hazo lehibe tonga “hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra.” Tokony hokapaina sy hofehezina izy io. (Daniela 4:14, 17, 19) Ilay hazo àry dia manondro ny zon’Andriamanitra hitondra izao rehetra izao, indrindra fa ny zony hitondra ny tany. Efa nitondra ny tany i Jehovah taloha, tamin’ny alalan’ny fanjakana naoriny teo amin’ny firenen’ny Israely. Nokapaina io hazo an’ohatra io, ary nofehezina tamin’ny vy sy varahina mba tsy hitombo. Midika izany fa hitsahatra tsy hiasa ny fitondran’ireo solontenan’Andriamanitra teto an-tany. Nitranga tokoa izany tamin’ny 607 T.K. Tsy haharitra mandrakizay anefa izany. Nofehezina mandra-pahatapitry ny “fetr’andro fito” ilay hazo. Homen’i Jehovah an’i Jesosy Kristy ny fanjakana, rehefa tapitra io fe-potoana io, satria izy no tena mpandova. Hitantsika avy amin’izany, fa manondro fe-potoana iray ihany ny “fetr’andro fito” sy “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”
Manampy antsika hamantatra ny faharetan’ny “fetr’andro fito” ny Baiboly. Ampitoviny amin’ny 1 260 andro ny “fe-potoana” telo sy tapany, izany hoe “fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana.” (Apokalypsy 12:6, 14) Raha ampitomboina roa io isa io, dia manome fe-potoana fito na 2 520 andro.
Tonga eo amin’ny taona 600 T.K. isika, raha manisa 2 520 andro ara-bakiteny, avy eo amin’ny taona 607 T.K. Maharitra kokoa noho izany anefa ireo fe-potoana fito ireo. Mbola tsy tapitra mantsy izy io, tamin’i Jesosy niresaka momba ireo “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” Manana heviny ara-paminaniana àry ny fetr’andro fito. Noho izany, dia mila ampiharintsika ilay toro lalana ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Ny andro iray hosoloana taona iray.” (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6) Raha izany no izy, dia maharitra 2 520 taona ireo fetr’andro fito tsy isalovanan’Andriamanitra, fa anjakan’ny mpitondra olombelona eto an-tany. Raha miainga eo amin’ny taona 607 T.K. isika no manisa 2 520 taona, dia tonga eo amin’ny taona 1914. Tamin’io taona io no nifarana “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, na fetr’andro fito. Tamin’ny 1914 àry i Jesosy Kristy no nanomboka nanjaka, ka lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Ho tonga anie ny Fanjakanao”
Efa tafaorina any an-danitra ny Fanjakan’ny Mesia. Mbola ilaina àry ve ny mangataka ny hahatongavan’izy io, araka ny nampianarin’i Jesosy ao amin’ilay vavaka modely? (Matio 6:9, 10) Eny. Mbola mety ny hanaovana io fangatahana io. Amin’ny hoavy mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra vao hitondra ny tany amin’ny fomba feno.
Handray fitahiana tokoa ireo olombelona mahatoky, rehefa ho tanteraka izany! Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:3, 4) “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Hiaina mandrakizay ireo mampifaly an’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Aoka àry isika ‘hikatsaka aloha hatrany ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany’, mandra-pahatanterak’izany sy ireo faminaniana lehibe hafa ao amin’ny Baiboly.—Matio 6:33.
^ feh. 10 Resin’i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, ny Jebosita, ka azony ny Tendrombohitra Ziona, ilay tanàna voaro mafy. Nataony renivohitry ny fanjakany izy io. (2 Samoela 5:6, 7, 9) Nafindrany tao koa ny Fiara masina. (2 Samoela 6:17) Porofon’ny fanatrehan’i Jehovah ilay Fiara, ka izany no niantsoana an’i Ziona hoe fonenan’Andriamanitra. Tena tsara hiantsoana ny lanitra àry ilay anarana hoe Ziona.—Eksodosy 25:22; Levitikosy 16:2; Salamo 9:11; Apokalypsy 11:19.