Faly ny Fon’i Jehovah Rehefa Tsy Mivadika Ianao
Faly ny Fon’i Jehovah Rehefa Tsy Mivadika Ianao
“Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”—OHAB. 27:11.
1, 2. a) Inona no fiampangan’i Satana resahin’ny bokin’i Joba? b) Inona no porofo fa mbola nanaratsy an’i Jehovah i Satana, taorian’ny nahafatesan’i Joba?
NAVELAN’I Jehovah hampahory an’i Joba i Satana, mba hanaporofoana fa diso ny fiampangany. Tsy nisy niangana àry ny zanak’i Joba sy ny biby fiompiny, ary narary mafy izy. Tsy izy irery anefa no nampangain’i Satana, fa ny olon-kafa manompo an’i Jehovah koa. Hoy i Satana: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” Mbola nanizingizina an’io teniny io i Satana, ela be taorian’ny nahafatesan’i Joba.—Joba 2:4.
Ohab. 27:11) Mbola naverin’i Satana àry ny fiampangany, saingy tsy ny olona ihany no noharatsiny fa i Jehovah koa. Tsy nijanona hatreo anefa izy. Hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana, fa niampanga ny vahoakan’i Jehovah izy rehefa voaroaka tany an-danitra, taorian’ny niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ny 1914. Mbola tsy milavo lefona àry i Satana, na dia efa tena akaiky aza ny faran’ity tontolo ratsy ity!—Apok. 12:10.
2 Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao i Solomona, 600 taona tatỳ aoriana: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (3. Inona no zava-dehibe ianarantsika avy amin’ny bokin’i Joba?
3 Misy zava-dehibe telo izao ianarantsika avy amin’ny bokin’i Joba. Voalohany, i Satana Devoly no tena fahavalon’ny olombelona, ary avy aminy ny fanoherana ny vahoakan’Andriamanitra. Faharoa, tsy hivadika mihitsy isika raha mifandray tsara amin’i Jehovah, na inona na inona fitsapana manjo antsika. Fahatelo, manampy antsika hiaritra izy, toy ny nataony tamin’i Joba, ka omeny antsika ny Teniny sy ny fandaminany ary ny fanahiny masina.
Tadidio foana hoe iza no tena fahavalontsika
4. Iza no tena mahatonga ny faharatsiana eran-tany?
4 Maro ny olona tsy mino hoe misy i Satana. Mety hampitebiteby azy ireo ny faharatsiana manjaka eran-tany, nefa tsy fantany fa ny Devoly no tena mahatonga izany. Marina fa avy amin’ny olona ihany mazàna ny fijaliana manjo azy. Lasa nanao hadalana mantsy ny taranak’i Adama sy Eva taorian’ny nikomian’izy mivady tamin’ny Mpamorona. Na izany aza, dia i Satana no nitarika an’i Eva hikomy. Nataony koa izay hisian’ny tontolo iray azony fehezina, sady feno olona tsy lavorary. I Satana no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ka manahaka azy ny olona. Mirehareha izy ireo, tia mifanditra, mikomy, mitsiriritra, be fialonana, ary mpamitaka. (2 Kor. 4:4; 1 Tim. 2:14; 3:6; vakio ny Jakoba 3:14, 15.) Manjaka àry ny adilahy politika, ady ara-pivavahana, fankahalana, kolikoly, ary korontana, ka mijaly ny olona.
5. Misy zavatra tena lehibe fantatsika. Inona àry no tiantsika hatao?
5 Misy zavatra tena lehibe àry fantatsika! Haintsika hoe iza no mahatonga an’izao faharatsiana mihamitombo izao. Azo inoana fa te hampahafantatra izany amin’ny olona isika. Faly koa isika miandany amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ka ambarantsika fa handringana an’i Satana izy, ary hanafoana ny faharatsiana.
6, 7. a) Avy amin’iza ny fanenjehana antsika? b) Ahoana no hanahafantsika an’i Eliho?
Lioka 22:31) Tsy maintsy hiharam-pitsapana isan-karazany àry ny tena Kristianina. Nampitovin’i Petera tamin’ny “liona mierona, mitady olona harapaka” ny Devoly. Hoy koa i Paoly: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.”—1 Pet. 5:8; 2 Tim. 3:12.
6 Tsy vitan’ny hoe mampijaly ny olona eran-tany i Satana. Avy aminy koa ny fanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra. Ampahoriny foana isika mba hivadika. Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny apostoly Petera: “Ry Simona, ry Simona, mitaky ny hahazoany anareo i Satana mba hosivaniny toy ny vary.” (7 Rehefa misy mpiray finoana iharam-pitsapana àry, dia aza mieritreritra hoe nosazin’i Jehovah izy. Asehoy kosa fa fantatrao hoe iza no tena nahatonga ilay fitsapana. Aza mihatakataka aminy, fa manahafa an’i Eliho. Nasehony tamin’i Joba fa tena namana izy. Ampio hanohitra an’ilay fahavalontsika àry ilay mpiray finoana aminao. (Ohab. 3:27; 1 Tes. 5:25) Hanao izay rehetra vitantsika isika mba hanampiana azy tsy hivadika, ka hampifaly ny fon’i Jehovah.
8. Nahoana i Satana no tsy nahavita nanakana an’i Joba tsy hanome voninahitra an’i Jehovah?
8 Ny biby fiompin’i Joba no naripak’i Satana voalohany. Tena nilain’i Joba anefa ireo satria mety ho antom-pivelomany. Nataony fanatitra koa ny bibiny. “Nifoha maraina” izy rehefa avy nanamasina ny zanany, ka “nanolotra fanatitra dorana, araka ny isan’izy rehetra. Fa hoy izy: ‘Sao nanota sy nanozona an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.’ Izany foana no fanaon’i Joba.” (Joba 1:4, 5) Nanao fanatitra tsy tapaka ho an’i Jehovah àry izy. Tsy afaka nanao izany intsony anefa izy, rehefa fongana ny bibiny. Tsy nanana “zava-tsarobidy” hanomezam-boninahitra an’i Jehovah intsony izy. (Ohab. 3:9) Mbola afaka nanome voninahitra azy tamin’ny teniny anefa izy, ary tena nataony izany!
Mifandraisa tsara amin’i Jehovah
9. Inona no sarobidy indrindra amintsika?
9 Afaka mifandray tsara amin’i Jehovah isika, na mahantra na manankarena, na tanora na antitra, ary na salama na marary. Raha mifandray tsara aminy isika, dia tsy hivadika mihitsy rehefa iharam-pitsapana, ka hampifaly ny fony. Nisy olona tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy, na dia kely ihany aza ny zavatra fantany momba azy.
10, 11. a) Inona no nataon’ny anabavy iray, rehefa niharam-pitsapana? b) Inona no noporofoiny tamin’izany?
10 Iray amin’ireny ny Anabavy Valentina
Garnovskaya. Niharam-pitsapana mafy izy sy ny Vavolombelona maro tany Rosia, nefa tsy nivadika mihitsy toa an’i Joba. Nisy rahalahy nitory tamin’i Valentina, tamin’ny 1945, tamin’izy 20 taona teo ho eo. Niverina nitsidika azy indroa ilay rahalahy, ary tsy tonga intsony avy eo. Nitory tamin’ny mpiray tanàna anefa i Valentina. Nosamborina izy noho izany, ary nohelohina higadra valo taona tany amin’ny toby iray. Nafahana izy tamin’ny 1953, nefa nitory avy hatrany. Nosamborina indray àry izy, ka nogadraina folo taona be izao! Nafindra toby izy, rehefa afaka taona vitsivitsy. Nisy anabavy nanana Baiboly tany, ary nasehony an’i Valentina ilay izy. Faly erỳ izy! Izay indray mantsy izy vao nahita Baiboly taorian’ny 1945, tamin’ilay rahalahy tonga nitory tao aminy!11 Nafahana i Valentina tamin’ny 1967, ka izay vao afaka natao batisa. Tena nazoto nitory izy taorian’izay. Nosamborina indray izy tamin’ny 1969, ary nohelohina higadra telo taona. Mbola nitory foana anefa izy. Efa 44 ny olona nampiany hahalala ny fahamarinana, talohan’ny nahafatesany tamin’ny 2001. Nigadra 21 taona izy, raha atambatra. Vonona hamoy ny zava-drehetra izy, mba tsy hivadihana mihitsy. Tsy nampaninona azy ny nigadra. Hoy izy taloha kelin’ny nahafatesany: “Tsy nanan-trano ipetrahana mihitsy aho. Entana iray valizy ihany no mba fananako, kanefa sambatra sy afa-po aho satria nanompo an’i Jehovah.” Tena noporofoin’i Valentina àry fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe hivadika ny olona rehefa iharam-pitsapana! (Joba 1:9-11) Azo antoka fa faly ny fon’i Jehovah, ary tsy andriny izay hananganana an’i Valentina sy ny olon-kafa rehetra tsy nivadika taminy!—Joba 14:15.
12. Nahoana isika no mifandray amin’i Jehovah?
12 Tia an’i Jehovah isika matoa mifandray aminy. Tiantsika ny toetrany, ka miezaka mafy miaina mifanaraka amin’ny fikasany isika. Tsy marina ny tenin’ny Devoly, satria tia an’i Jehovah amin’ny fontsika isika, ary tsy mitady tambiny. Izany no mahatonga antsika tsy hivadika na dia iharam-pitsapana aza. I Jehovah kosa ‘hiaro ny lalan’izay tsy mivadika aminy.’—Ohab. 2:8; Sal. 97:10.
13. Inona no tena zava-dehibe amin’i Jehovah?
13 Midera an’i Jehovah koa isika noho ny fitiavantsika azy. Manao izany foana isika na dia tsy afa-po aza indraindray. Hitan’i Jehovah ny ao am-pontsika, ka tsy manome tsiny antsika izy na dia voafetra aza ny zavatra vitantsika. Tsy izay vitantsika mantsy no tena zava-dehibe aminy, fa ny antony anaovantsika an’ilay izy. Efa tena mafy ny fahorian’i Joba, nefa mbola nilaza zavatra tsara momba an’i Jehovah foana izy. (Vakio ny Joba 10:12; 28:28.) Resahin’ny Joba toko faha-42 fa tezitra tamin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara Andriamanitra, satria tsy nilaza ny marina izy ireo. Nankasitrahany kosa i Joba, ka nantsoiny inefatra hoe “mpanompoko”, ary nasainy nivavaka ho azy telo lahy. (Joba 42:7-9) Tahafo àry i Joba, dia hankasitraka anao koa i Jehovah.
Manampy ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah
14. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Joba?
14 Tsy nivadika mihitsy i Joba na dia tsy lavorary aza. Marina aloha fa nanao teny tsy Joba 10:7; 16:17; 30:20, 21) Tsara fanahy anefa i Jehovah, ka nanampy azy. Nametrahany fanontaniana nitohitohy i Joba, mba hanitsiana azy. Nihanazava tamin’i Joba àry fa tsy misy ambony noho i Jehovah. Tsinontsinona ny olona raha ampitahaina aminy. Resy lahatra i Joba, ka nanitsy ny hevi-disony.—Vakio ny Joba 40:8; 42:2, 6.
voahevitra izy rehefa tena mafy ny nanjo azy. Hoy, ohatra, izy tamin’i Jehovah: ‘Miantso vonjy aminao aho, nefa tsy valianao. Mankahala ahy ianao, ka manohitra ahy amin’ny herinao manontolo.’ Nanamarin-tena loatra koa izy, ka nilaza hoe: “Tsy diso aho”, sy hoe: “Izaho tsy manisy ratsy olona, ary madio ny vavaka ataoko.” (15, 16. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ankehitriny?
15 Omen’i Jehovah tari-dalana feno fitiavana isika ankehitriny. Tsy vitan’izay fa mbola misy fitahiana lehibe koa azontsika. Nanao sorona ny ainy, ohatra, i Jesosy Kristy mba hahazoantsika famelan-keloka. Afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra àry isika na dia tsy lavorary aza. (Jak. 4:8; 1 Jaona 2:1) Afaka mangataka ny fanahy masina isika rehefa misy fitsapana, mba hanampy sy hampahery antsika. Eo koa ny Baiboly. Ho vonona tsara hiaritra isika, raha mamaky sy misaintsaina azy io. Raha mazoto mianatra koa isika, dia hazava amintsika ilay adihevitra momba ny zon’i Jehovah hitondra, sy ny antony tsy tokony hivadihantsika.
16 Tena sambatra koa isika, satria anisan’ny rahalahy sy anabavy eran-tany omen’i Jehovah sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Misy fivoriana foana any amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 100 000 eo ho eo. Mampianatra sy mampahery antsika ny fivoriana, ka lasa haintsika ny tokony hatao rehefa misy fitsapana. Manaporofo izany ny tantaran’i Sheila, tanora Vavolombelona any Alemaina.
17. Porofoy fa ilaina ny mivory tsy tapaka.
17 Tsy tonga ny mpampianatra an-dry Sheila, indray mandeha. Nifanaraka àry ny iray kilasy fa hanandrana hilalao oui-ja, na hazo fisaka natao hanontaniana ny demonia. Niala haingana tao an-dakilasy i Sheila. Faly be izy fa nanao izany, satria henony avy eo fa nisy demonia tonga tao, ka nisahotaka ny ankizy sady nitsoaka. Nahoana i Sheila no nivoaka avy hatrany? Hoy izy: ‘Io kilalao nandraman’ny ankizy io mihitsy no noresahina tany am-pivoriana taloha kelin’izay, ary nohazavaina hoe mampidi-doza. Fantatro àry fa nila niala aho. Te hampifaly an’i Jehovah mantsy aho, araka ny Ohabolana 27:11.’ Soa ihany fa nivory i Sheila, ary nihaino tsara!
18. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?
18 Aoka àry isika hankatò foana ny toromariky ny fandaminan’Andriamanitra. Hahazo ny toromarika sy fanampiana ilaintsika isika raha mivory, mamaky Baiboly, mianatra an’ireo boky sy gazetintsika, mivavaka, ary mifanerasera amin’ny Kristianina matotra. Tokony hatao tsy tapaka ireo rehetra ireo. Tian’i Jehovah tsy hivadika mihitsy isika, ary matoky izy fa ho vitantsika izany. Raisintsika ho voninahitra lehibe ny midera azy sy tsy mivadika aminy ary mampifaly ny fony!
Tadidinao Ve?
• Inona avy no ataon’i Satana mba hampijaliana ny olombelona?
• Inona no sarobidy indrindra amintsika?
• Nahoana isika no mifandray amin’i Jehovah?
• Ahoana no anampian’i Jehovah antsika ankehitriny?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 8]
Aoka ianao hampahafantatra ilay zava-dehibe fantatrao
[Sary, pejy 9]
Ampio mba tsy hivadika mihitsy ny mpiray finoana aminao
[Sary, pejy 10]
Vonona hamoy ny zava-drehetra i Valentina mba tsy hivadihana mihitsy