Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihirà ho An’i Jehovah!

Mihirà ho An’i Jehovah!

Mihirà ho An’i Jehovah!

“Hihira fiderana ho an’Andriamanitro aho raha mbola velona koa.”—SAL. 146:2.

1. Inona no nahatonga an’i Davida hamoron-kira?

FONY mbola kely i Davida, dia niandry ny ondrin-drainy teny an-tsaha, tany akaikin’i Betlehema. Nanam-potoana lava be izy tamin’izany, mba handinihana ny zavaboary mahatalanjona nataon’i Jehovah. Anisan’izany ny lanitra feno kintana, “ny voro-manidina”, ary “ny biby any an-tsaha.” Tena nanohina ny fon’i Davida ny hatsaran’izy ireny, ka namorona hira kanto izy ho fiderana ny Mpamorona. Ao amin’ny Salamo ny ankamaroan’ny hirany. *Vakio ny Salamo 8:3, 4, 7-9.

2. a) Inona no herin’ny mozika eo amin’ny olona? Manomeza ohatra. b) Nanao ahoana ny fifandraisan’i Davida tamin’i Jehovah, raha jerena ny Salamo 34:7, 8 sy ny Salamo 139:2-8?

2 Azo inoana fa tamin’ireny fotoana ireny i Davida no nanatsara ny fahaizany mozika. Lasa tena nahay izy, ka voantso hitendry harpa ho an’i Saoly Mpanjaka. (Ohab. 22:29) Tena mampitony ny mozika tsara. Rehefa nikorontan-tsaina, ohatra, i Saoly, dia nitendry zavamaneno i Davida, ka “nahatsiaro ho maivamaivana [izy] sady nihatsara.” (1 Sam. 16:23) Mbola tsy lefy hatramin’izao ny hira nataon’io mpahay mozika matahotra an’Andriamanitra io. Eritrereto fa 3 000 taona mahery izay no nisian’ireo salamo nataon’i Davida! Olona an-tapitrisany eran-tany anefa izao no mbola mahazo fampiononana sy fanantenana avy amin’izy ireny.—2 Tan. 7:6; vakio ny Salamo 34:7, 8; 139:2-8; Amosa 6:5.

Ny hira sy ny fivavahana marina

3, 4. Ahoana no nandaminan’i Davida ny mozika teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

3 Inona no fomba tsara indrindra ampiasana ny talenta? Hiderana an’i Jehovah. Izany mihitsy no nataon’i Davida. Vao lasa mpanjakan’ny Israely izy, dia nataony anisan’ny fanompoana tao amin’ny tranolay ny hira sy mozika. Maherin’ny ampahafolon’ny Levita no notendreny ho “mpidera an’i Jehovah.” Nisy 4 000 izy ireo, ary ‘tena nahay’ ny 288, satria “nampianarina hihira ho an’i Jehovah.”—1 Tan. 23:3, 5; 25:7.

4 I Davida no namorona ny ankamaroan’ny hiran’izy ireo. Azo inoana fa tena nihetsi-po izay Israelita nanatrika teo, rehefa nohiraina ny salamo nataon’i Davida. Tatỳ aoriana, dia nentina tany Jerosalema ny vata misy ny fifanekena, “ary i Davida nilaza tamin’ny mpiadidy teo amin’ny Levita mba hanendry ny toeran’ireo rahalahiny mpihira izay nitondra zavamaneno, dia lokanga sy harpa ary kipantsona. Ary nasaina nampanenoina mafy izany mba haredona tsara ny feon-kiram-pifaliana.”—1 Tan. 15:16.

5, 6. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny mozika, tamin’ny andron’i Davida? b) Ahoana no ahitana fa nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana marina ny mozika?

5 Nahoana no tena zava-dehibe ny mozika tamin’izany? Satria fotsiny ve hoe mpitendry sy mpamoron-kira ny mpanjaka? Tsia, nisy antony hafa. Andeha hojerentsika izay nitranga, taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa namerina indray ny fanompoana tao amin’ny tempoly i Hezekia Mpanjaka. Hoy ny 2 Tantara 29:25: “Nalahatr’i Hezekia tao an-tranon’i Jehovah ny Levita nitondra kipantsona sy lokanga ary harpa, araka ny nandidian’i Davida, sy Natana mpaminany, ary Gada mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka. Fa i Jehovah no nanome izany didy izany tamin’ny alalan’ny mpaminaniny.”

6 I Jehovah àry no naniraka mpaminany handidy ny mpivavaka taminy mba hidera Azy amin’ny hira. Tsy nomena andraikitra hafa intsony ireo Levita mpihira, na dia anisan’ny mpisorona aza. Amin’izay izy ireo nanam-potoana handrindrana ny feon-kira sy hanaovana famerenan-kira.—1 Tan. 9:33.

7, 8. Inona no zava-dehibe noho ny talenta, rehefa mihira ny hiran’ilay Fanjakana?

7 Mety hiteny anefa ianao hoe: “Izaho ange ratsy feo e! Raha niaina tamin’izany aho, dia azo antoka fa tsy mba ho anisan’ireo Levita tena nahay, izay nihira tao amin’ny tranolay masina!” Tsy ny Levita mpihira rehetra anefa no tena nahay. Mbola ‘vao nianatra’ ny sasany, araka ny 1 Tantara 25:8. Tadidio koa fa mety ho nisy tena nahay nihira tany amin’ny foko hafan’ny Israely. Ny Levita ihany anefa no notendren’i Jehovah ho mpihira, ka azo antoka fa nihira tamin’ny fony izy rehetra, na ireo ‘tena nahay’, na ireo ‘vao nianatra.’

8 Tena tia mozika i Davida, sady nanan-talenta. Ny talenta ve anefa no tena zava-dehibe amin’Andriamanitra? Hoy i Paoly, araka ny Kolosianina 3:23: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah.” Ny midera an’i Jehovah “amin’ny fo manontolo” àry no tena zava-dehibe.

Taorian’ny andron’i Davida

9. Raha niaina tamin’ny andron’i Solomona ianao, inona no hitanao sy renao tamin’ny fitokanana ny tempoly?

9 Mbola nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana marina ny hira sy mozika, tamin’ny andron’i Solomona. Nisy orkesitra goavana, ohatra, tamin’ny fitokanana ny tempoly. Eritrereto fa ny mpitsoka trompetra fotsiny no efa nisy 120! (Vakio ny 2 Tantara 5:12.) Milaza ny Baiboly fa “indray niredona hira fiderana sy fisaorana an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra [izay mpisorona avokoa] sy ny mpihira.” Hoy izy ireo: ‘Fa tsara i Jehovah, fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.’ Vokatr’izany, dia “feno rahona” ilay trano satria faly i Jehovah. Azonao an-tsaina ve ny feon’ireo trompetra maro be sy ny an’ireo mpihira an’arivony? Azo antoka fa nahafinaritra sy nampientam-po izany rehefa niaraka!—2 Tan. 5:13.

10, 11. Inona no manaporofo fa nidera an’Andriamanitra tamin’ny hira ny Kristianina voalohany?

10 Nihira fiderana koa ny Kristianina voalohany. Tsy tao amin’ny tempoly na tranolay masina izy ireo no nivory, fa tany an-tranon’olona. Ary mety ho tao anatin’ny toe-javatra sarotra mihitsy aza izany no natao, noho ny fanenjehana sy ny olana hafa. Nihira fiderana an’Andriamanitra foana anefa izy ireo.

11 Nampirisika an’ireo rahalahy tany Kolosia i Paoly hoe: ‘Mifananara mandrakariva amin’ny salamo sy ny fiderana an’Andriamanitra ary ny hira mahafinaritra momba azy.’ (Kol. 3:16) “Nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra” koa i Paoly sy Silasy rehefa nogadraina, na dia tsy nanana fihirana aza. (Asa. 16:25) Raha sanatria migadra àry ianao, firy amin’ireo hiran’ilay Fanjakana no hainao tsianjery?

12. Ahoana no hanehoantsika fa zava-dehibe amintsika ny hiran’ilay Fanjakana?

12 Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahantsika tokoa ny hira. Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Zava-dehibe amiko ve ny hiran’ilay Fanjakana? Miezaka ho tonga aloha ve aho any amin’ny fivoriana sy fivoriambe, mba hanao ny hira fanokafana miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy? Tena mihira amin’ny fo ve aho? Ary ampianariko ve ny zanako fa tsy natao handehandehanana na hialana vizana ny hira anelanelan’ny fivoriana? Zariko ve, ohatra, izy ireo mba tsy hivoaboaka tsy amin’antony mandritra ny hira aorian’ny Sekolin’ny Fanompoana, na aorian’ny lahateny ho an’ny besinimaro?’ Anisan’ny fivavahantsika ny hira. Tokony hanandra-peo hidera an’i Jehovah àry isika, na “tena mahay” mihira na “vao mianatra.” Afaka manao izany isika rehetra!—Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 8:12.

Nilaina ny fanavaozana

13, 14. Nahoana no tena ilaina ny mihira amin’ny fo any am-pivoriana? Milazà ohatra.

13 Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy), 100 taona mahery lasa izay, ny maha zava-dehibe ny hiran’ilay Fanjakana. Izao no voalaza tao: ‘Rehefa hiraina ny fahamarinana, dia tafiditra tsara ao an-tsaina sy ao am-pon’ny vahoakan’Andriamanitra.’ Maro amin’ny tononkirantsika no misy teny avy ao amin’ny Baiboly. Raha mianatra azy ireny àry isika, dia ho latsaka lalina ao am-pontsika ny fahamarinana. Matetika no manohina ny fon’ny olona vao tonga mivory ny mandre antsika mihira amin’ny fo.

14 Indray hariva tamin’ny 1869, rehefa nody avy niasa i Charles Russell, dia nandre hira avy tao amin’ny lakalin’ny trano iray. Nitady mafy ny marina momba an’Andriamanitra izy tamin’izany, nefa tsy nahita ka kivy. Nilofo tamin’ny asany àry izy mba hahazoany vola hanaovana asa soa, satria efa tsy afaka hanampy ny olona amin’ny ara-panahy. Niditra an’ilay lakaly feno vovoka sy maizimaizina ny Rahalahy Russell, ka hitany fa nisy mpivavaka tao. Nipetraka àry izy ka nihaino. Nanoratra izy tatỳ aoriana hoe izay reny tamin’iny alina iny, dia ‘ampy mba hinoany indray fa avy amin’ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ny Baiboly.’ Ny hira anefa no nahasarika ny Rahalahy Russell hankao amin’ilay fivoriana.

15. Nahoana no nila nohavaozina ny fihiranantsika?

15 Nasiana fanitsiana ny fahatakarantsika ny Soratra Masina, rehefa nandeha ny fotoana. Hoy ny Ohabolana 4:18: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ Nila fanitsiana koa àry ireo hirantsika. Ilay fihirana hoe Mihirà Fiderana ho An’i Jehovah no nampiasaintsika nandritra ny 17 taona. * Nihanazava hatrany anefa ny fahamarinana taorian’izay, ka misy teny ao amin’io fihirana io tsy ampiasaintsika intsony. Tsy miteny hoe “mpanompo mahatoky” intsony, ohatra, isika, fa hoe “mpanompo mendri-pitokisana.” Tsy manao hoe “fanoloran-tena” intsony koa isika, fa hoe “fanokanan-tena.” Nila nohavaozina àry ny fihiranantsika, mba hifanaraka amin’ny fampianarantsika.

16. Nahoana no manampy antsika hampihatra ny Efesianina 5:19 ilay fihirana vaovao?

16 Noho izany, sy noho ny antony hafa, dia namoaka ilay fihirana vaovao hoe Mihirà ho An’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana. Hira 135 no ao amin’izy io fa tsy 225 intsony. Vitsy kokoa izy ireo, ka azo atao tsara ny mianatra azy. Miezaha àry mitadidy na dia hira vitsivitsy ihany aza. Raha mampihatra izany isika dia manaraka ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Efesianina 5:19.—Vakio.

Ankasitraho ireo hiran’ilay Fanjakana

17. Inona no tokony hosaintsainintsika raha tsy sahy mihira isika any am-pivoriana?

17 Ahoana raha matahotra ny hanao diso isika, ka tsy sahy mihira any am-pivoriana? Saintsaino izao: Tsy marina ve fa “manao fahadisoana imbetsaka” isika rehefa miteny? (Jak. 3:2) Tsy misakana antsika tsy hitory isan-trano anefa izany. Ampiasaintsika hiderana an’i Jehovah foana ny lelantsika na dia tsy lavorary aza. Tsy mba tokony hiderantsika an’Andriamanitra koa ve ny feontsika, na dia tsy tena tsara aza? I Jehovah no “nanome vava ho an’ny olona”, ka tiany ny mihaino ny feontsika mihira fiderana ho azy.—Eks. 4:11.

18. Ahoana no azo ianarana ireo hira?

18 Navoaka tamin’ny fiteny maro ireo raki-kira Mihirà ho An’i Jehovah. Mirakitra hira vaovao misy feon-kira kanto notendren’ny orkesitra izy ireo, sady misy mihira. Mahasondriana erỳ ny mihaino azy. Vetivety dia ho hainao ny tonony raha alefanao matetika izy ireo. Natao ho mora tadidy koa ireo tononkira, ka rehefa mihira andalana iray ianao dia efa azonao an-tsaina ny tohiny. Maninona raha sady mihira rehefa mandefa an’ireo raki-kira? Ho sahy hihira kokoa ianao any am-pivoriana, raha mianatra ny tonony sy ny feony any an-trano.

19. Inona avy ireo dingana atao, mba hanomanana ny mozika amin’ny hiran’ilay Fanjakana?

19 Mety tsy ho voamaritsika loatra indraindray ny mozika alefa amin’ireo fivoriambe. Asa be anefa vao vita izany. Fidina aloha ireo hira hatao, ary soratana ny naoty hotendren’ny tsirairay amin’ireo mpitendry 64, ao amin’ny orkesitry ny fandaminana. Samy mianatra sy mamerimberina ny anjarany ireo mpitendry, ary maka fotoana be izany. Amin’ny farany vao atao ny fandraisam-peo, any Patterson, Etazonia, nefa avy any an-tany hafa ny folo amin’ireo mpitendry. Raisin’izy rehetra ho tombontsoa anefa ilay izy, ka miezaka mamoaka feon-kira tena kanto izy ireo. Tokony hankasitraka ny ezaka ataon’izy ireo isika. Aoka àry isika hamonjy toerana haingana, rehefa miteny ny mpanolotra fandaharana amin’ny fivoriambe. Amin’izay isika afaka mihaino tsara an’ireo mozika nomanina tamim-pitiavana.

20. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Mihaino ny hira fiderana ataontsika i Jehovah. Zava-dehibe aminy izany. Mampifaly ny fony isika rehefa mihira amin’ny fo manontolo any am-pivoriana. Na mahay mihira àry isika na vao mianatra, dia aoka samy “hihira ho an’i Jehovah”!—Sal. 104:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Mahaliana fa arivo taona taorian’ny nahafatesan’i Davida, dia nisy mpiandry ondry koa teny an-tsaha tany akaikin’i Betlehema, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahaterahan’ny Mesia ny anjely maro be.—Lioka 2:4, 8, 13, 14.

^ feh. 15 Navoaka tamin’ny fiteny 100 mahery io fihirana io, izay misy hira 225. Nohavaozina tamin’ny 2006 ny amin’ny teny malagasy.

Ahoana ny Hevitrao?

• Inona no ohatra avy ao amin’ny Baiboly ahitana fa zava-dehibe eo amin’ny fivavahana marina ny hira?

• Nahoana no azo lazaina hoe mankatò ny didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:37 isika, rehefa mihira amin’ny fo manontolo?

• Ahoana avy no hanehoantsika fa zava-dehibe amintsika ny hiran’ilay Fanjakana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Ampianarinao ve ny zanakao mba tsy hivoaboaka tsy amin’antony, mandritra ny hira?

[Sary, pejy 24]

Mianatra ny tonon’ireo hirantsika ve ianao any an-trano?